2014
Fahavaratra ho an’ny Fanompoana
Febroary 2014


Ho an’ny Tanora

Fahavaratra ho an’ny Fanompoana

Monina any Virginia, ao Etazonia ny mpanoratra.

Indray fahavaratra dia nandeha tany amin’ny firenen-kafa aho mba hiasa ho an’ireo ankizy nila fanampiana manokana. Tena natahotra izay tsy izy tokoa aho raha vao nahita ireo ankizy tamin’ny voalohany. Tsy niteny ny fitenin’izy ireo aho kanefa nahatoky fa ny Fanahy dia hitarika ahy amin’ny fifandraisako amin’izy ireo. Rehefa nahafantatra ny ankizy tsirairay aho dia tonga saina fa tsy sakana mba hitiavana ny fiteny. Niara-nilalao sy niara-nihomehy ary niara-nanao tao-zavatra tamin’ireo ankizy aho ary tsy afa-nanoatra fa nahatsapa fitiavana feno ho azy ireo. Nandalo teo imasoko ilay fitiavana izay ananan’ny Ray any an-danitra ho an’ny zanany, ary tsy hay nolazaina ilay fifaliana izay nameno ny foko.

Isaky ny manompo ny hafa aho dia mahatsapa fitiavana, tsy ho an’ireo izay tompoiko ihany, fa ho an’ny Ray any an-danitra ihany koa. Tena nahafantatra tokoa aho fa “rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’Andriamanitrareo ianareo” (Môsià 2:17). Ny tanjon’ny fanompoako, na amin’ny tetikasam-panompoana goavana izany na amin’ny alalan’ny asa amim-pahalemem-panahy, dia ny hankalaza an’Andriamanitra (jereo ny Matio 5:16). Manantena aho fa rehefa manompo ny hafa dia ho hitan’ny olona ny fitiavako ny Ray any an-danitra sy ilay hazavan’i Kristy izay miredareda ato anatiko.