2014
Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Mesia
Aogositra 2014


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Aogôsitra 2014

Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Mesia

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ilay fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ireo anjara Asany mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Mampianatra antsika ny soratra masina fa afaka mitoetra eo anatrehan’Andriamanitra isika “noho ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina” (2 Nefia 2:8). Ny teny hoe Mesia dia “voambolana Aramaika sy Hebreo izay midika hoe ‘ilay voahosotra.’ … Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia i Kristy, izay mitovy dika amin’ny Mesia amin’ny teny Grika, no iantsoana an’i Jesoa. Izany dia midika hoe ilay Mpaminany, Mpisorona, Mpanjaka ary Mpanafaka voahosotra.”1

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona hoe: “Fantatro fa [i Jesoa Kristy] no ilay Iray Masin’ny Isiraely, ilay Mesia izay hiverina indray amin’ny voninahitra farany indray andro any, mba hanjaka ety ambonin’ny tany amin’ny maha-Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Azy. Fantatro fa tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay hahazoana mamonjy ny olona.”2

“I [Jesoa Kristy] no ilay Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao,” hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. “Izy no ilay Mesia nampanantenaina. Nanana fiainana tonga lafatra Izy ary nanonitra ny fahotantsika. Ho eo anilantsika hatrany Izy. Hiady ny adintsika Izy. Izy no fanantenantsika; Izy no famonjena antsika; Izy no lalana.”3

Soratra Masina Fanampiny

Jaona 1:38–41; 4:25–26, 40–42; 2 Nefia 6:13; 25:16–17

Avy ao min’ny Soratra Masina

Ireo vehivavy mpianatr’i Kristy dia vavolombelona nahita ny anjara Asany amin’ny maha-Mesia Azy. Mpianatr’i Jesoa Kristy i Maria Magdalena. Izy no voalohany nahita “ny vato voaisotra tamin’ny fasana” ny marainan’ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. “Nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana” izy rehefa nahita fa tsy tao am-pasana intsony ny Vatany.

Avy eo izy dia “nitodika ka nahita an’i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe Jesosy.

“Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? Iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary Izaho dia haka Azy.

“Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny Taminy hoe: Rabôny! Izany hoe: Mpampianatra ô.” Fantatr’i Maria fa tsy mpiandry saha Izy fa i Jesoa Kristy, ilay Mesia. (Jereo ny Jaona 20:1–17.)

Fanamarihana

  1. Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia,” scriptures.lds.org.

  2. Jeffrey R. Holland, “Ilay Andriamanitra Tokana Sady Marina, sy Jesoa Kristy, Izy efa Nirahiny,” Liahona, Nôv. 2007, 42.

  3. Dieter F. Uchtdorf, “Ny Lalan’ny Maha-mpanara-dia,” Liahona, Mey 2009, 76.

Saintsaino Ity

Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mesia Azy?