2015
Fanomezam-boninahitra tamin’ny fandevenana ny Loholona Richard G. Scott
Fahatsiarovana an’nyLoholona Richard G. Scott


Fanomezam-boninahitra tamin’ny fandevenana ny Loholona Richard G. Scott

28 septambra 2015, Tabernakely Salt Lake

Sary
grandsons carrying casket

Ambony: Ho fanehoam-pankasitrahana ny asa nataon’ny Loholona Scott tao amin’ny tafika andranomasin’i Etazonia dia notolorana ny sainam-pirenen’i Amerika i Michael, zanakalahin’ny Loholona Scott. Nibata ny vatam-paty ireo zafikely lahin’ny Loholona Scott. Nofihinin’ny olona i Mary Lee, zanaka vavimatoany, sy i Bruce vadiny, teo am-pasana. Ankavia: Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson, raha niresaka momba ny Loholona Scott fa “namana sy mpiara-miasa ato amin’ny asan’ny Tompo sarotra afoy” izy. Pejy ankilany: Mitandahatra teo amin’ny fidirana ny Tabernakely ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Fiadidian’ny Fitopololahy nandritra ny fibatana ny vatam-paty.

Michael W. Scott, zanaka lahy

“Nateraky ny ray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana sy reny izay, na dia mpikambana aza, dia tsy nazoto nandritra ny taona maro i Dada. … Voafetra ny fandraisany anjara tato am-piangonana, ary izany dia rehefa misy olona tonga mamangy sy mitarika azy. Azoko antoka fa tsy nisy nieritreritra ireo mpitarika ireo fa ity zatovolahy izay ezahin’izy ireo tarihina ity dia ho lasa mpitarika manan-danja ato am-piangonana any aoriana. Tsy fantatro ireo olona ireo saingy misaotra azy ireo aho. Izany angamba no tena antony iray hahaizan’i Dada tsara mankahery ireo olona izay—malaindaina, manirery, kivy, ory—satria nandritra ny androm-piainany tany aloha dia toa azy ireo izy, izay notarihina sy navotana. …

“Niaina fiainana rakotry ny hasambarana sy fifaliana i Dada. Mahay mitendry sy mpanan-kanto izy. … Tia mandehandeha mizaha toerana izy. Ny fialan-tsasatra tonga lafatra, araka ny heviny, dia ny fanangonana ireo ankizy rehetra ary mitaingina ilay fiara Datsun double cabine ary mivezivezy manerana ny firenena. …

“Ohatra tsara teo amin’ny fiatrehana fitsapana i Dada. Iray amin’ireo ohatra ireo ny fiatrehany ny fahafatesan’ny zanany roa. Naneho faharesen-dahatra feno ny fihetsik’i Dada tamin’ny fotoana nahafatesan’ny zanaka irain’izy ireo ary avy eo tamin’ny fahafatesan’i Richard kely vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fo. Namihina an’i Mama izy tamin’izany alina izany ary niteny hoe: ‘Tsy tokony hiahiahy isika satria teraka tanatin’ny fanekempihavanana izy. Manana antoka isika fa hiaraka amintsika izy amin’ny hoavy. Ankehitriny dia manana antony tokony hiainana tsara isika. Manan-janaka izay lasa any amin’ny fanjakana selestialy isika satria maty talohan’ny taona maha-tompon’andraikitra azy izy.’ Nanana fanantenana izy fa tsy fanomezan-tsiny; nanamafy ny fanapahan-keviny izy fa tsy nijanona tao amin’ny hakiviana; nampihatra ny finoany an’i Kristy izy fa tsy nitoetra tao amin’ny fisalasalana. …

“Nisafidy ny hanao zavatra arak’izay hahatonga izany ho tsara indrindra izy ary dia tò izany. Angamba ny fanambadiany an’i Mama no lehibe indrindra amin’izy rehetra.”

Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

“Nahatsapa ny [Loholona Scott] fa ny fanompoany ny Tompo dia ny hanosotra ny balsama fanasitranana avy amin’ny famindram-pon’i Kristy amin’ireo izay antsoina ara-keviny hoe tafalatsaka eo anivon’ny mpangalatra—izany hoe ireo voaratra, mizaka enta-mavesatra, voan’ny tsindry hazolena, ireo very fanantenana ary ny mpanota sy ireo izay mbola hamerina hanota indray. Amim-pahavitrihana tsy manam-paharoa no hanasany ny olon-drehetra hikatsaka ny Tompo amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo fitsipiky ny filazantsara ka hahita fiadanana, fahasambarana ary fifaliana. …

“Tena manavanana ny Loholona Scott ny fampianarana sy fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fanavotana tsy misy fetran’ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Kristy sy ny fifaliana azo amin’ny fitodihana amin’ Andriamanitra. …

“Nitory tsy tapaka tamintsika tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony ny amin’ny tena dikan’ny fitiavana sy ny fankamamiana ny namana ao amin’ny fanambadiana sy ny fanoloran-tena tsara indrindra ho an’ireo zanaka izy sy i Jeanene malalany. Nitaona fanahy olona an’arivony, mba tsy hilazana hoe an’aliny, tao anatin’izay taona izay, izany ohatry ny fitiavana sy fahatokiana izany. …

“Mankahery hatrany, faingana amin’ny fanehoana fahatokiana ary mahay mankasitraka sy maneho ny fitiavany ny Loholona Scott. Ary izany no fombany tamin’ireo lehilahy sy vehivavy na aiza na aiza, hatramin’ny ankizy aza. Manandratra ny torolalany kanefa azo ampiharina tsara ary tsy miova izany. Toa tsy reraka velively manolotra torohevitra, fampianarana ary fankaherezana ny Loholona Scott, na izany amin’olon-tokana na manoloana vondron’olona. Tsy voatanisako aminareo ireo fotoana sy toerana izay nizaran’ny olona tamiko zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ny Loholona Scott—indraindray izany dia zavatra tamin’ny fotoana fahatanoran’izy ireo—izay namolavola ny fiainany sy ny asa fanompoany nanomboka teo.”

Sary
casket being brought into Tabernacle

Ambony: Ho fanehoam-pankasitrahana ny asa nataon’ny Loholona Scott tao amin’ny tafika andranomasin’i Etazonia dia notolorana ny sainam-pirenen’i Amerika i Michael, zanakalahin’ny Loholona Scott. Nibata ny vatam-paty ireo zafikely lahin’ny Loholona Scott. Nofihinin’ny olona i Mary Lee, zanaka vavimatoany, sy i Bruce vadiny, teo am-pasana. Ankavia: Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson, raha niresaka momba ny Loholona Scott fa “namana sy mpiara-miasa ato amin’ny asan’ny Tompo sarotra afoy” izy. Pejy ankilany: Mitandahatra teo amin’ny fidirana ny Tabernakely ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Fiadidian’ny Fitopololahy nandritra ny fibatana ny vatam-paty.

Filoha Russell M. Nelson, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

“Tsaroako tsara tamin’ny fotoana nandehananay niaraka tany Amerika Afovoany tamin’ny Aprily 1990. Nampientanentana ahy ny nahita ny Loholona Scott mampianatra ireo misiônera sy mpikambana amin’ny teny Espaniôla. Tsy vitan’ny mahafehy izany fotsiny izy fa mahiran-tsaina koa—heniky ny fahaiza-mampianatra sy faharisihana eo am-pampianarana tamin’ny alalan’ny Fanahy. …

“Tsy mety reraka sy mifandray aman’olona hatrany ny Loholona Scott na aiza na aiza toerana alehany. Nanolotra ny fiainany hanompo ny olon-drehetra izy, na inona na inona firenena niaviany, volon-kodiny na fiteniny. Takany ny hasarobidin’ny fanahy tsirairay izay nifanena taminy.

“Namela laza ny famindram-pony. Nanatri-maso azy nampianatra aho. Nanatri-maso azy nampitraka olona aho. Nanatri-maso ny fanehoam-pitiavany ny olon-drehetra maneran-tany aho.”

Filoha Thomas S. Monson

“Tsy vitan’ny nahay nanatanteraka ny andraikitra izay nomena azy fotsiny ny [Loholona Scott], fa nanatanteraka izany hatrany tamim-pahamalinana sy tamin’ny fahaiza-manao goavana. …

“Teo anivontsika nandritra ireo taona maro ireo i Richard G. Scott, izay lehilahy mendri-kaja, tena lehilahin’ Andriamanitra. Nanana saina feno hevi-baovao i Richard, faharanitan-tsaina haingana ary fanahy feno fiantrana. …

“Tia olona izy. Tia ny fianakaviany. Tia ny Rainy any An-danitra. …

“Nanokatra ny fon’ny hafa ny fitsiky mahasarik’i Richard. Tsy mihafahafa izy eo anivon’ireo mahantra ary tsy mikaviavia koa manoloana ny mpanan-karena sy olo-malaza. …

“Malemy fanahy i Richard. Nampianatra antsika am-pitiavana … lesona mifono herimpo, faharetana, finoana ary fanoloran-tena izy. Nampianarin’i Richard G. Scott antsika tamin’ny fiteny sy fihetsika izany zava-drehetra izany.”