2016
Tendrin’ Andriamanitra ny Fanambadiana
Febroary 2016


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Febroary 2016

Tendrin’ Andriamanitra ny Fanambadiana

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantarana izay tokony hozaraina. Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ilay fanambarana “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao” hampitombo ny finoanao an’ Andriamanitra sy hitahiana ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Ireo mpaminany sy apôstôly ary ireo mpitarika ao amin’ny fiangonana dia manohy “manambara fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy dia tendrin’Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary.”1

Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fianakaviana miorina eo amin’ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray dia manolotra toerana tena tsara ahafahan’ny drafitr’ Andriamanitra hivelatra. …

“… Tsy misy amintsika, na olona mety maty hafa, afaka manova io lamina masin’ny fanambadiana io.”2

Ny rahavavy Bonnie L. Oscarson, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany dia nilaza hoe: “Ny olona tsirairay, na manambady na tsy manambady na manan-janaka na tsia, dia afaka ny ho tonga mpiaro ny drafitry ny Tompo izay voafaritra ao anatin’ny fanambarana momba ny fianakaviana. Raha io no drafitry ny Tompo dia io ihany koa no tokony ho drafitsika!”3

Notohizan’ny Loholona Christofferson hoe: “Ny sasany aminareo dia tsy afaka mahazo ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana noho ny antony maro ka tafiditra ao anatin’izany ny tsy fisian’ny olona mendrika azo alaina ho vady, ny fironana any amin’ny fiarahan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy, ny fahasembanana ara-batana na ara-tsaina, na fahatahorana tsotra ny tsy fahombiazana izay manarona ny finoana na amin’izao fotoana izao fotsiny aza. … Na mety efa nanambady ianao, kanefa izany fanambadiana izany dia efa nifarana. … Ny sasany aminareo izay manambady dia tsy afaka mahazo zaza. …

“Na dia izany aza, … ny tsirairay dia afaka mitondra anjara biriky ao amin’ilay drafitra masina navelatra isaky ny taranaka tsirairay.”4

Soratra Masina Fanampiny

Genesisy 2:18–24; 1 Korintiana 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17

Tantara marina

Ny Rahalahy Larry M. Gibson, mpanolotsaina voalohany tao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany teo aloha dia nahatsiaro rehefa nilaza zavatra toy izao i Shirley, izay vadiny ankehitriny:

“‘Tiako ianao satria fantatro fa tianao ny Tompo mihoatra ny hitiavanao ahy.’ …

“Nampihetsi-po ahy izany valinteny izany. …

“… [ary] tiako izy hahatsapa lalandava fa tiako ny Tompo mihoatra ny zavatra hafa rehetra.”5

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny Tompo Jesoa Kristy no ivo ao anatin’ny fifandraisan’ny mpivady nanao fanekempihavanana. … [Alaivo sary an-tsaina] hoe ny Mpamonjy no apetraka eo amin’ny tendron’ny telozoro [iray], miaraka amin’ny vehivavy iray eo amin’ny zorony ambany iray ary lehilahy iray eo amin’ny zorony ambany ilany. Izao dia saintsaino ny zavatra mitranga eo amin’ny fifandraisan’ilay lehilahy sy ilay vehivavy rehefa samy ‘manatona an’i Kristy’ sy miezaka ny ‘ho tanteraka ao Aminy’ amim-pahazotoana izy ireo (Môrônia 10:32). Mifanatona ilay lehilahy sy ilay vehivavy noho ny Mpanavotra sy amin’ny alalan’ny Mpanavotra.”6

Fanamarihana

  1. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao,” Liahona, nôv 2010, 129.

  2. D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 52.

  3. Bonnie L. Oscarson, “Mpiaro ilay fanambarana momba ny fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 15.

  4. D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana,” 52.

  5. Larry M. Gibson, “Fulfilling Our Eternal Destiny,”Ensign, feb. 2015, 21–22.

  6. David A. Bednar, “Marriage Is Essential to His Eternal Plan,”Liahona jona 2006, 54.

Eritrereto Ity

Ahoana no ahafahako manao ezaka manokana sy tsy tapaka ny “hanatona an’i Kristy”?