2017
Ny valisoan’ny faharetana tsara
July 2017


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, jolay 2017

Ny valisoan’ny faharetana tsara

“Fony aho zatovolahy dia mpanolotsaina ny filohan’ny distrika iray izay manam-pahendrena aho. Niezaka nampianatra tsy tapaka ahy izy. Tsaroako ny torohevitra iray izay nomeny ahy indray andro. “Rehefa mahita olona ianao dia raiso ohatra ny hoe manana olana goavana izy ireo ka dia ho marina ianao amin’ny ankabetsahan’ny fotoana.” Nihevitra aho tamin’izay fa olona mora kivy izy. Ankehitriny, 50 taona mahery aty aoriana, dia hitako fa tena nahatakatra tsara izao tontolo izao sy ny fiainana izy.

Manana fitsapana atrehana avokoa isika rehetra—indraindray dia fitsapana tena sarotra izany. Fantatsika fa ny Tompo dia mamela antsika hiaritra fitsapana mba hahatonga antsika ho voadio sy hatao lavorary hahafahantsika hiaraka Aminy mandrakizay.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty ny Tompo fa ny valisoan’ny faharetana tsara ireo fitsapana nahazo azy dia hanampy hahatonga azy ho mendrika ny fiainana mandrakizay:

“Anaka, fiadanana anie ho an’ ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy;

Ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ ny avo Andriamanitra; ary ho resinao avokoa ny fahavalonao” (F&F 121:7–8).

Miaina fahasarotana sy fitsapana maro isika mandritra ny fiainana iray manontolo ka toa sarotra ny maharitra tsara. Mety ho toy izany ho an’ny fianakaviana izay miantehitra amin’ny vokatra rehefa tsy misy ny orana. Mety hanontany tena izy ireo hoe: “Hafiriana isika no afaka hiaritra?” Mety ho toy izany ho an’ny zatovo iray izay miatrika ny fanoherana ny fitobahan’ny rendrarendra sy ny fakam-panahy. Mety ho toy izany ho an’ny zatovolahy iray izay sahirana amin’ny fahazoana ny fianarana na ny fiofanana ilainy hahazoana asa mba hanohanana ny vadiny sy ny fianakaviana. Mety ho toy izany ho an’ny olona iray izay tsy mety mahita asa na izay very asa rehefa nikatona ny orinasa. Mety ho toy izany ho an’ireo izay miatrika ny fiharatsian’ny fahasalamana sy ny tanjaka ara-batana, izay mety ho tonga aloha na aoriana eo amin’ny fiainan’izy ireo na eo amin’ireo olon-tian’izy ireo.

Kanefa Andriamanitra be fitiavana dia tsy nanome fitsapana toy izany antsika mba hahitana fotsiny raha toa ka afaka maharitra fahasarotana isika fa mba hahitana kosa raha toa ka afaka maharitra tsara azy ireny isika ka ho tonga voadio.

Ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra toy izao ny Loholona Parley P. Pratt (1807–57) tamin’ny vao nantsoina ho mpikambana ao amin’ny Kolejin’ny Apostoly Roambinifolo izy: “Ianareo dia nantsoina hanao asa iray izay mitaky ny fifantohanareo manontolo; … mba ho lasa zana-tsipìka voalambolambo. … Tsy maintsy miaritra fisasarana be, asa be, ary fisedrana be ianareo mba ho tonga voalambolambo lafatra. … Mitaky izany ny Rainareo any An-danitra; Azy ny saha; Azy ny asa; ary Izy dia … hankahery anareo … sy hanohana anareo.”1

Miresaka momba ny vokatry ny faharetana tsara i Paoly ao amin’ny bokin’ny Hebreo: “Fa ny famaizana rehetra dia tsy atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy” (Hebreo 12:11).

Ireo fisedrana sy fahasahiranantsika dia manome antsika ny fahafahana hianatra sy hitombo, ary mety hanova ny toetrantsika mihitsy izy ireny. Rehefa afaka mitodika any amin’ny Mpamonjy isika ao anatin’ireo fisedrana mahamay indrindra, dia afaka ny ho voalambolambo ny fanahintsika eo am-paharetantsika.

Noho izany, ny zavatra tokony hotsaroana voalohany dia ny mivavaka mandrakariva (jereo ny F&F 10:5; Almà 34:19–29).

Ny zavatra faharoa dia ny miezaka tsy tapaka ny hitandrina ireo didy—na inona na inona fanoherana, fakam-panahy, na fahoriana manodidina antsika (jereo ny Mosia 4:30).

Ny zavatra fahatelo tena manan-danja tokony hatao dia ny manompo ny Tompo (jereo ny F&F 4:2; 20:31).

Manjary mahafantatra sy tia Azy isika eo am-panompoana ny Tompo. Hanomboka hamantatra ny tanan’ny Mpamonjy sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika isika raha toa ka maharitra amin’ny vavaka sy fanompoana am-pahatokiana. Maro amintsika no nisy fotoana nanao izany karazana fanompoana izany sy nahatsapa izany finamanana izany. Rehefa mieritreritra izany fotoana izany ianareo dia hahatsiaro fa nisy fiovana teo aminareo. Toa mietry ny fakam-panahy hanao ratsy. Mitombo ny faniriana hanao ny tsara. Ireo izay nahafantatra tsara anareo sy tia anareo dia mety niteny hoe: “Lasa tsara fanahy sy manam-paharetana kokoa ianao. Tsy toa ilay olona taloha intsony ianao.”

Tsy ilay olona taloha intsony ianareo. Novaina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianareo satria niantehitra Taminy tao anatin’ny fotoan’ny fisedrana anareo.

Mampanantena anareo aho fa hanampy anareo ao anatin’ny fisedrana anareo ny Tompo raha toa ka mikatsaka sy manompo Azy ianareo ary ho voalambolambo ny fanahinareo ao amin’izany dingana izany. Manao fanamby aminareo aho mba hametraka ny fitokisanareo Aminy ao anatin’ireo fahorianareo rehetra.

Fantatro fa velona Andriamanitra Ray ary mandre sy mamaly ireo vavaka ataontsika Izy. Fantatro fa ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy, dia nanefa ny fahotantsika rehetra ary tiany hanatona Azy isika. Fantatro fa miambina antsika ny Ray sy ny Zanaka ary nanomana fomba haharetantsika tsara sy hodiana indray Izy ireo.

Fanamarihana

  1. Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. (1979), 120.