2018
Mivavaka ho an’ny rahavavy tsirairay amin’ny fanononana ny anarany
March 2018


Fitsipika entina manao famangiana isan-tokantrano, Martsa 2018

Mivavaka ho an’ny rahavavy tsirairay amin’ny fanononana ny anarany

Hitombo ny fitiavantsika sy ny fitaomam-panahy ho azontsika mikasika ireo izay vangintsika, rehefa mivavaka amim-panetrentena isika ho an’ny rahavavy tsirairay amin’ny fanononana ny anaran’izy ireo tsirairay.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Sary
Sary famantarana ny Fikambanana Ifanampiana

Ny soratra masina dia mizara ohatra maro mahakasika lehilahy sy vehivavy izay nivavaka ho an’ny hafa tamin’ny fanononana ny anaran’izy ireo. Anisan’ny tena niavaka indrindra tamin’izany ny rain’i Almà Zanany. Niresaka tamin’i Almà Zanany ny anjely iray, nilaza taminy fa ny rainy “efa nivavaka tamim-pinoana be momba anao … ; koa noho izany antony izany no efa nahatongavako mba handresy lahatra anao ny amin’ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra, hahazoana mamaly ny fivavaky ny mpanompony arakaraka ny finoany” (Môsià 27:14).

Ny fifampitondrana amim-bavaka dia manokatra ny fontsika handray ireo fitahiana izay irin’ny Tompo omena antsika. “Ny tanjon’ny vavaka dia tsy ny hanova ny sitrapon’ Andriamanitra akory, fa ny hiantohana ny hahazoantsika sy ny hafa ireo fitahiana izay efa tian’ Andriamanitra homena, saingy tsy maintsy hangatahina izay vao azontsika.”1

Nitantara ny rahavavy iray fa nandritra ny fotoan-tsarotra iray teo amin’ny fiainany dia matetika nisy antso an-tariby na hafatra an-tsoratra voarainy avy amin’ny mpamangy isan-tokantranony tao anatin’ireo “andro tena maizina tokoa.” Toy ireny hoe fantatr’izy ireo ireny ny fotoana tena nilany fankaherezana. Fantany tsara fa nivavaka ho azy izy ireo, na nandritra ny famangiana ataony na rehefa tsy eo izy ireo.

“Eritrereto ny tanjaka ananantsika miaraka raha ny rahavavy rehetra no manao vavaka amin-kitsimpo isa-maraina sy isan-kalina na, mbola tsara kokoa, mivavaka tsy mitsahatra tahaka ny nandidian’ny Tompo,” hoy Julie B. Beck, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany teo aloha.2 Ny vavaka atao ho an’ireo izay vangintsika dia manamafy orina antsika, amin’ny maha-olona manokana antsika sy amin’ny maha-vehivavy Olomasin’ny Andro Farany antsika.

Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia niteny hoe: “Koa dia hivavaka ianareo mba hahitana ny fomba hahafantarana ny ao am-pon’izy ireo. … Hilainareo ny mahalala ny zavatra tian’ Andriamanitra hataonareo mba hanampiana azy ireo sy hanaovanareo izany araka izay azonareo atao sady mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo.”3

Fanamarihana

  1. Torolalana ho an’ny Soratra Masina,“Vavaka.”

  2. Julie B. Beck, “What Latter-day Saint Women Do Best: Stand Strong and Immovable,” Liahona, nôv. 2007, 110.

  3. Henry B. Eyring, “Ny Fisoronana sy ny vavaka ataon’ny tena manokana,” Liahona, mey 2015, 85.