2020
Manompo amin’ny alalan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo
Jona 2020


“Manompo amin’ny alalan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo,” Liahona, jona 2020

Sary
fanompoana

Sary nataon’i Edward McGowan

Fitsipika momba ny Fanompoana, jona 2020

Manompo amin’ny alalan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia manolotra fahafahana mba hifandraisana sy hanompoana ny hafa.

Ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia fotoana iray ho an’ny fandraisana sakafo ara-panahy sy fandinihan’ny tena manokana ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika isan-kerinandro dia samy mahazo hery (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:110). Ny olona sasany any amin’ny paroasintsika sy sampantsika anefa dia milanja enta-mavesatra na tsy miangona mihitsy aza.

Ireto misy fomba vitsivitsy ahafahantsika mampiasa izany ora masina izany mba hanompoana ny hafa sy hitondrana fiovana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Manolora fanampiana mba hahatsara kokoa ny fivoriana fanasan’ny Tompo ho an’ireo izay tompoinao

Ny dingana voalohany ao amin’ny fianarana ny fomba hanompoana dia ny mamantatra ny olona tsirairay na ny fianakaviana ary ny zavatra ilain’izy ireo. Mety misy fomba ahafahanao manolotra fanampiana mba hahatsara kokoa ny zavatra iainan’izy ireo anatin’ny fotoam-pitsaohana mandritra ny fanasan’ny Tompo amin’ny alalan’ny famantarana tsotra fotsiny ny mombamomba azy ireo.

Ho an’i Mindy izay renim-pianakaviana vao herotrerony manan-janaka kely kambana, dia nitondra fiovana goavana teo amin’ny zavatra niainany mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ireo ezaka tsotra nataon’ilay rahavavy manompo azy.

Nanazava i Mindy hoe: “Noho ny fandaharam-potoan’ny asan’ny vadiko dia izaho irery no mitondra ireo zanako vavy kambana miangona isan-kerinandro.” “Sarotra tokoa ny miezaka manatrika hatramin’ny farany ny fivoriana fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny ankizy kely roa mipelipelika, saingy nandray andraikitra mba hanampy ahy izy.

“Miara-mipetraka aminay izy ary manampy ahy amin’ny fikarakarana an’ireo zanako vavy kely isan-kerinandro. Ny fipetrahany eo akaikiko fotsiny dia midika zavatra lehibe ho ahy ary tena manamaivana ny tebitebiko mandritra ny fotoana hisehoan’ny fahatezeran’izy ireo sy ny fahasorisorenan’izy ireo. Mihevitra aho fa tsy ho fantany velively ny halehiben’ny fiantraikan’ireo zavatra ataony eo amin’ny fiainako amin’izao fotoana izao. Hitany ny zavatra ilaiko amin’ny maha-reny vao herotrerony feno tebiteby ahy ary manolotra fanampiana mba hahatonga ny fiangonana ho toerana hahatsapana filaminana sy fifaliana ho anay rehetra izy.”

Hevitra hanampiana ireo izay mila fanampiana manokana

  • Ataovy tatitra any amin’ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ireo zavatra ilain’ny mpikambana.

  • Mandrafitra lahateny atao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ireo mpitarika mba hitondrana fanampiana momba ireo zavatra ilain’ny mpikambana. Raha toa ka hahazo tombontsoa amin’ny fahenoana karazana hafatra manokana ireo izay tompoinao dia zarao amin’ireo mpitarika izany hevitra izany.

  • Raha fantatrao fa misy olona manana fahasembanana na tsy mahazaka sakafo iray manokana izay manakana azy ireo tsy higoka ireo fitahiana avy amin’ny fanasan’ny Tompo, dia angataho izy ireo mba hanazava izany amin’ny antsipiriany ary hilaza izay fandaminana azo atao mba hanatsarana ny zavatra iainan’izy ireo mandritra ny fotoam-pitsaohana. Zarao amin’ireo mpitarika anao izany fampahalalana izany.

  • Raha toa ny olona iray izay tompoinao na fantatrao ka tsy afaka mivoaka ny trano intsony na mandritra ny fotoana tsy maharitra noho ny tsy fahasalamana, dia anontanio ny evekanao raha azo omena ny fanasan’ny Tompo any an-tranony izy ireo. Afaka mandray an-tsoratra aza ianao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ary mizara izany amin’izy ireo amin’ny alalan’ny telefaonina na email na mivantana.

  • Raha manan-janaka kely ny olona izay tompoinao dia afaka manampy azy ireo ianao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

  • Raha mahalana vao manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ireo olona izay tompoinao, dia miezaha manakatra ny anton’izany ary mieritrereta fomba ahafahanao manampy. Raha mila fitaterana izy ireo dia afaka manasa azy ireo handeha amin’ny fiaranao ianao. Raha mahatsapa ho tsy mahazo fanohanana avy amin’ny fianakaviany izy ireo dia azonao asaina izy ireo mba hiaraka hipetraka aminao. Afaka manolotra fanasana manokana ianao mba hanampiana azy ireo hahatsapa fa voaray tsara sy tiana izy ireo mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Tsarovy fa ireo fihetsika tsotra dia mitondra fiovana lehibe

Raha niresaka mikasika ny fanompoana Rahavavy Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nampianatra izy hoe: “Indraindray isika dia mieritreritra fa mila manao zavatra goavana sy mitaky herim-po vao -raisina- ho manompo ny hafa. Kanefa ny fanaovana asa fanompoana tsotra dia afaka ny hisy fiantraikany lalina amin’ny hafa, sy amintsika ihany koa.”1

Matetika i Evita, any amin’ny paroasy kely iray any Belgique, no mirotsaka mba handika teny ireo mpitsidika sy mpikambana miteny Espaniôla mandritra ireo fivoriam-piangonana. Indray mandeha dia nampahafantarina olona iray avy any amin’ny République Dominicaine izay teo am-pamantarana ny momba ny Fiangonana i Evita. Nahay niteny Anglisy kely izy saingy ny teny Espaniôla no tenin-drazany. Dia nirotsaka nandika teny moramora ho azy i Evita nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ka nahatsapa ho nahazo aina kokoa izy.

“Mety hahatonga ny Sabatako ho somary mavesatra kely indraindray ny fandikana teny,” hoy i Evita. “Kanefa ny fanarahana ilay bitsika mba hanontany ny hafa raha toa ka mila mpandika teny izy ireo dia tena manome fahatsapana fifaliana sy fahazoana aina noho ny fahafantarana fa afaka manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy sy hankafy ny fivoriana atrehan’izy ireo aho.”

Hevitra mba hanampiana amin’ny alalan’ny fihetsika tsotra

  • Mifampiresaha amin’ireo mpitarika anao mba hijerena an’ireo izay mety mila fanampiana kely fanampiny mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Na raha mahafantatra olona mila izany ianao dia ataovy izay hahafantaran’ireo mpitarika anao azy ireo.

  • Mipetraha amim-pahanginana eo am-piandrasanao ny fiantombohan’ny fivoriana. Hanampy “ireo fo torotoro sy fanahy vontom-pahoriana hafa manodidina antsika”2 izany, izay mila ilay filaminana afaka ny ho tonga amin’ny alalan’ny fanehoam-panajana ao anatin’ny toerana masina iray.

  • Rehefa alahady fifadian-kanina dia hevero ny hanokana ny fifadian-kanina sy ny vavaka ataonao ho an’ny olona iray tompoinao izay mety mila famparehezana fanampiny.

  • Mivavaha mba hahafantarana raha misy olona izay afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fipetrahanao eo akaikin’izy ireo mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo na mba hahafantarana raha toa misy fomba hafa ahafahanao manampy.

Afaka ny ho toerana hahatsapan’ny olona rehetra fa voaray tsara ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876 -1972) hoe: “Ny fivoriana fanasan’ny Tompo no masina indrindra amin’ireo fivorian’ny Fiangonana rehetra.”3 Noho izany dia zava-dehibe ny manao izay hahatsapan’ny olona rehetra manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ho voaray tsara sy ho mahazo sakafo ara-panahy, indrindra fa ireo mpikambana vaovao na mpikambana tsy niangona tao anatin’ny fotoana ela.

Ninamana tamin’ny vehivavy iray izay namantatra ny momba ny Fiangonana tao amin’ny paroasiny i Merania avy any New South Wales, Australie. “Lasa iray amin’ireo namako akaiky izy amin’izao fotoana izao,” hoy i Merania. “Tiako ny miara-mipetraka aminy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo isan-kerinandro, ary manontany ny momba azy foana aho sy sao dia misy zavatra azoko atao hanampiana azy.” Natao batisa ilay naman’i Merania fotoana fohy taty aoriana. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ilay fanapahan-keviny ireo ezaka nataon’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ary koa ilay tontolo nahatsapana fa voaray tsara nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Hevitra mba hanompoana ireo mpikambana niverina na mpikambana vaovao

  • Rehefa hanao lahateny ianao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo, dia afaka manasa namana sy fianakaviana ary olona hafa mba hihaino ny hafatra hozarainao.

  • Afaka mitady sy mandray ireo olona irery na mety mila fanampiana ianao. Anontanio raha afaka miara-mipetraka amin’izy ireo ianao na asao izy ireo hiara-hipetraka aminao.

  • Rehefa tapitra ny fivoriana dia afaka manasa ireo izay tompoinao sy ny olona hafa hanatrika fiaraha-mientan’ny Fiangonana hatao atsy ho atsy, na handeha ho any amin’ny tempoly, na hanatrika hetsika ara-tsôsialy ianao.

  • Raha toa ka tonga manatrika fivoriana fanasan’ny Tompo ny olona tompoinao saingy efa ela izy ireo tsy nanatrika izany, dia afaka manontany azy ireo ianao raha toa manana fanontaniana mikasika ny zavatra nampianarina izy ireo. Lazao izy ireo fa afaka manatona foana anao rehefa misy teny na tantara na ampahana fotopampianarana izay tsy azon’izy ireo. Afaka miaraka mitady ny valiny ianareo raha ilaina izany.

Fanamarihana

  1. Jean B. Bingham, “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018, 104.

  2. Jeffrey R. Holland, “Indro ny Zanakondrin’ Andriamanitra,” Liahona mey 2019, 46.

  3. Joseph Fielding Smith, in Conference Report, Oct. 1929, 60–61.