2022
“Na iza na iza antsoin’ny Tompo dia lasa ataony mahay ny andraikiny”
Febroary 2022


FEON’NY MPIKAMBANA

“Na iza na iza antsoin’ny Tompo dia lasa ataony mahay ny andraikiny”

“Rehefa manao ny asan’ny Tompo isika dia manana zo hahazo ny fanampian’ny Tompo”.

Nataon’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) mazava tsara tamin’ny mpikambana fa hanohana antsika mandrakariva amin’ireo antso izay ataontsika ny Tompo. Hoy izy, “Izay antso-in’ny Tompo dia lasa ataon’ny Tompo mahay ny andraikiny”.1

Tamin’ny 2018, dia voantso ho Talen’ny Sampandraharaha misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany ho an’i Kenya sy Tanzanie aho. Nanompo tao amin’ny Kômitin’ny Sampandraharaha misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany aho, saingy tena navesatra tamiko io asa vaovao nampandraiketina ahy io. Efa nitana andraikitra mpitarika aho teo amin’ny asako, saingy nahasanganehana ahy tanteraka ilay andraikitra ho Talen’ny Sampandraharaha misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany any amin’ny toerana izay tsy mbola ahafantaran’ny olona loatra ny Fiangonana, ary indraindray dia mifanehitra amin’ny mpanao gazety tia manenjika.

Fotoana fohy taorian’ny nandraisako ny antsoko vaovao, dia nampahafantarina ahy fa ny Filoha Russell M. Nelson, izay mpaminany vaovao vao notohanana dia manao fitetezam-paritra manerana izao tontolo izao ka anisan’ny toerana hotsidihiny i Kenya. Nolazaina anay koa fa nanome toromarika ny Fiadidian’ny Vondromparitra hoe ny departemantan’ny Serasera no hitarika ny fitsidihan’ny Mpaminany.

Nanatona ny Filohan’ny Tsatòkako aho. Nolazaiko azy hoe nahatsapa tena ho tsy mahay aho. Nihaino ahy tsara izy ary avy eo dia nilaza hoe: “Raha misy olona afaka mandray an-tanana tsara io andraikitra io, dia tsy misalasala aho milaza fa ianao izany olona izany ry Rahavavy Jepkemei. Miresaha amin’ny Tompo. Hitarika anao sy hanampy anao Izy.” Avy eo ny Filohan’ny Tsatòkako dia nanome tsodrano izay tena nilaiko sy nankasitrahako fatratra.

Ny asa nataonay voalohany dia nandray fihaonana tamin’ny mpanao gazety mba hampahafantarana an’ilay firenena mikasika ny fahatongavan’ny mpaminany. Io no hetsika amina haino vaky jery voalohany nataon’ny Fiangonana teto Kenya. Akory ny hagaganay fa nahazo olona mihoatra ny 15 izahay nanatrika io hetsika io. Naharay fanasana avy amin’ireo trano fampitàna mivantana haino vaky jery ihany koa izahay ho tonga sy hiresaka mikasika ny Fiangonana sy ny fitsidihan’ny Mpaminany. Ny Filohan’ny Tsatòka no nomena andraikitra hisolo tena ny Fiangonana. Tamin’ity fotoana ity dia nisy hamehana tampoka izy ka tsy afaka nanatrika. Tamin’ny minitra farany dia tsy maintsy nilaina ny nandehanako hisolo toerana azy. Tsy haiko ny milaza ny fahamenarana tsapako, kanefa nandeha tany amin’ilay onjam-peo ihany aho ary nampanantena ny tenako fa tsy hiresaka afa-tsy izay zavatra fantatro sy hananako traikefa ato amin’ny Fiangonana. Niteny tamin’ny fandaharana mivantana marain’ilay onjam-peo aho ary niresaka tamim-pahasahiana mikasika ny Fiangonana. Afaka namaly ny fanontanian’izy ireo tamim-pahatokiantena koa. Nizotra tsara ny fampitàna mivantana ary marobe ny olona niantso tao amin’ny trano fandraisam-peo nanontany ny fomba ahafahan’izy ireo miditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Rehefa tonga ny Filoha Nelson sy ny ekipany dia niresaka taminay izy ary nahatsapa ny fitiavan’ny Mpaminan’Andriamanitra izahay. Izaho manokana dia nahatsapa ny fahamarinan’ny tenin’ny Filoha Monson hoe: “Rehefa manao ny asan’ny Tompo isika, dia manana zo hahazo ny fanampian’ny Tompo.”2

Tsy nisy ahiahy tao an-tsaiko fa nahomby ny fandaminana ny fitsidihan’ny Mpaminany, tsy noho ny fahaizanay anefa satria tsy nanananay izany. Nahomby izany satria tian’ny Tompo hahomby ny asany, ary izahay dia nanolotra ny tenanay sy ny tsy fahaizanay rehetra ho fitaovana eo am-pelatanany hitahiana ireo Olomasina tao Kenya.

Nianatra lesona mandrakizay aho avy tami-n’ny alalan’io zavatra niainana masina io hoe: izay antsoin’ny Tompo dia ataon’ny Tompo mahay ny andraikiny.

FANAMARIHANA

  1. Thomas S. Monson, “Duty Calls”, Ensign, May 1996, 44.

  2. Thomas S. Monson, “Duty Calls”, 44.