2023
Ilay Fanasan’ny Tompo voalohany
Jona 2023


“Ny fanasan’ny Tompo voalohany,” Namana, Jona 2023, 46–47.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana Jona 2023

Tantara ao amin’ny soratra masina

Ilay Fanasan’ny Tompo voalohany

Sary
Jesoa miray latabatra amin’ireo Apôstôliny

Sary nataon’i Apryl Stott

Talohan’ny nahafatesany dia nihaona tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa Kristy. Nomeny azy ireo ny fanasan’ny Tompo.

Sary
Jesoa mitazona mofo

Novakian’i Jesoa ny mofo ary nomeny azy ireo. Nasainy nohanin’izy ireo izany mba ahafahan’izany manampy azy ireo hahatsiaro fa natolony ho azy ireo ny ainy.

Sary
Jesoa mitazona kaopy

Avy eo dia nomen’i Jesoa azy ireo ilay kaopy. Nasainy nisotro tamin’izany izy ireo. Hanampy azy ireo ihany koa izany hahatsiaro Azy.

Sary
Kristianina tany aloha mandray ny fanasan’ny Tompo

Na dia tsy niaraka tamin’ireo Apôstôliny intsony aza i Jesoa dia nanampy azy ireo hisaintsaina momba azy ny fanasan’ny Tompo. Afaka ny hahatsapa ny fitiavany sy hahatsiaro ny hitandrina ny didy izy ireo.

Pejy holokoina

Afaka mandray ny fanasan’ny Tompo aho

Sary
Zazalahy iray mandray ny fanasan’ny Tompo

Sary nataon’i Apryl Stott

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo aho dia afaka mahatsiaro an’i Jesoa sy ny fitiavany ahy.