2023
Ny fananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy
Ôktôbra 2023


“Ny fananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Liahona, ôkt. 2023.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona ,ôktôbra 2023

Ny fananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

Sary
sarin’i Jesoa Kristy

Ny Tompo Jesoa Kristy, nataon’i Del Parson

I Jesoa Kristy no lohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Manentana ny mpaminany sy ny apôstôly Izy mba hitarika ny Fiangonana ankehitriny, tahaka ny nataony tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. Manampy azy ireo ny mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana.

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia Fiangonan’ny Mpamonjy. Izany dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesoa no fehizoro indrindra” (Efesiana 2:20). Midika izany fa Izy no ampahany manan-danja indrindra amin’ny fototra. Mitarika ny Fiangonana amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly nofidiny ho mpitarika Izy.

Sary
Fiadidiana Voalohany

Ny Fiadidiana Voalohany

Ny Filohan’ny Fiangonana no mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany ankehitriny. Izy no Apôstôly zokiny indrindra ary hany olona eto an-tany izay mandray fanambarana hitarihana ny Fiangonana iray manontolo. Ny Tompo dia mitaona azy hahafantatra hoe Apôstôly roa iza no hantsoina ho mpanolotsainy. Izy ireo no mandrafitra ny Fiadidiana Voalohany. Izy telo ireo dia samy mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo koa dia mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Nantsoina izy ireo mba ho vavolombelona manokana an’i Jesoa Kristy. Mitety an’izao tontolo izao izy ireo mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelona momba Azy. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23, 33.)

Ireo Kôlejin’ny Fitopololahy

Ireo mpikambana ao amin’ny Fitopololahy dia voantso ho vavolombelon’i Jesoa Kristy ihany koa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:25). Manampy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy mampianatra ny filazantsara sy manorina ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao izy ireo.

Sary
mpitarika miara-midinika

Sary nalain’i Machiko Horii

Ireo mpitarika eo an-toerana

Ny fiadidian’ny tsatòka na distrika misy anao na ny episkôpà na fiadidian’ny sampana ary ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia voantson’ Andriamanitra ihany koa. Afaka manampy anao izy ireo hianatra sy hiaina ny filazantsara. Afaka mianatra momba ny sasany amin’ireo antso ireo ianao ao amin’ny lahatsoratra momba ny Ireo fototry ny filazantsara, “Manompo amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana.”