Avia, hanaraka Ahy
31 desambra–6 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika


“31 desambra–6 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao (2019)

“31 desambra–6 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
fianakaviana mijery sary

31 desambra–6 janoary

Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika

Ny tanjon’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia ny hanampy anao hanatona an’i Kristy sy ho lasa niova fo tanteraka kokoa amin’ny filazantsarany. Ity loharanom-pitaovana ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny soratra masina sy hahita ao anatin’izany ny hery ara-panahy izay ilainao sy ilain’ny fianakavianao. Avy eo rehefa any amin’ireo kilasy any am-piangonana ianao dia ho vonona hizara hevitra sy hankahery ireo Olomasina namanao amin’ny ezaka ataon’izy ireo hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

“Inona no tadiavinareo?” Hoy i Jesoa nanontany ireo mpianany (Jaona 1:38). Mety hanontany izany fanontaniana izany koa ianao amin’ny tenanao, satria ny zavatra hitanao ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity dia hiankina be amin’ny zavatra katsahinao. “Mitadiava, dia hahita hianareo,” izany no fampanantenan’ny Mpamonjy (Matio 7:7). Koa apetraho ny fanontaniana izay tonga ao an-tsainao rehefa mandalina ianao, dia katsaho amim-pahozotoana avy eo ny valiny. Ao amin’ny Testamenta Vaovao ianao dia hamaky ireo zavatra ara-panahy mahery vaika niainan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy. Amin’ny maha-mpianatramahatoky an’ny Mpamonjy anao dia afaka ny hiaina zavatra ara-panahy mahery vaika ianao rehefa manaiky ilay fanasan’ny Mpamonjy, hita manerana ity boky masina ity, manao hoe: “Avia, manaraha Ahy” (Lioka 18:22).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Raha tena hianatra marina avy amin’ny Mpamonjy, dia tokony hanaiky ilay fanasany aho, izay manao hoe: “Avia, manaraha Ahy.”

Ny fanasan’ny Mpamonjy manao hoe “Avia, manaraha Ahy” dia miantefa amin’ny rehetra, na mbola vaovao isika eo amin’ilay lalan’ny maha-mpianatra na efa nandeha tamin’izany nandritra ny fiainantsika manontolo. Io no fanasany natolotra ny tovolahy manan-karena iray izay niezaka nitandrina ny didiny (jereo ny Matio 19:16–22). Ny zavatra nianarany, sy ny zavatra tokony hianarantsika rehetra, dia izao: ny hoe mpianatra dia midika hoe manome ny fanahintsika manontolo ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mandroso isika amin’ny maha-mpianatra antsika rehefa fantatsika ny zavatra tsy ampy amintsika, sy ny zavatra hovaintsika ary ny zavatra katsahintsika mba hanarahana Azy ireo tanteraka kokoa.

Manomboka ny fianarana avy amin’ny Mpamonjy rehefa miezaka manakatra ny zavatra nampianariny isika. Ohatra, nihalalina tamin’ny fomba ahoana ny fahatakaranao ny famelan-keloka rehefa nikaroka ireto manaraka ireto ianao?

Ny fampianaran’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 6:14–15; 18:21–35)

Ohatra avy amin’ny fiainany (jereo ny Lioka 23:33–34)

Na izany aza dia tsy feno ny fianarana raha tsy manaraka ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fiainana ny zavatra nampianariny. Ahoana no ahafahanao mamela bebe kokoa?

Raha te hianatra bebe kokoa ianao dia andramo atao amin’ny fitsipika iray hafa ao amin’ny filazantsara, toy ny fitiavana na ny fanetrentena, ity asa atao ity.

Tompon’andraikitra amin’ny fianarako manokana aho.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Amin’ny maha-mpianatra antsika, dia natao hihetsika ka ho mpanatanteraka ny teny fa tsy mpihaino fotsiny ihany izay miandry hetsehina fotsiny izaho sy ianao. Mpiasa izay mihetsika ka mikatsaka fianarana amin’ny alalan’ny finoana va izaho sy ianao sa miandry ny hampianarina sy izay hanetsehana antsika isika? … Ny mpianatra mampiasa ny fahafahana misafidy amin’ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina dia manokatra ny fony amin’ny Fanahy Masina ary manasa ny fampianarany, sy ny heriny mijoro ho vavolombelona, ary ny tenivavolombelony manamafy. Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany ny hafatra” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, sept. 2007, 64).

Inona no dikan’ny hoe mandray andraikitra amin’ny fianaranao manokana? Jereo ny mety ho valiny ao amin’ny zavatra nolazain’ny Loholona Bednar sy ao amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Jaona 7:17; 1 Tesaloniana 5:21; Jakoba 1:5–6, 22; 2:17; 1 Nefia 10:17–19; 2 Nefia 4:15; Almà 32:27; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:18; 58:26–28; 88:118. Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba ho mavitrika bebe kokoa amin’ny fianarana ny filazantsara?

Mila mahafantatra manokana ny fahamarinana aho.

Angamba ianao mahafantatra olona izay toa tsy manary ny finoany mihitsy, na inona na inona mitranga amin’ny fiainany. Mety hampahatsiahy anao ireo virijiny dimy hendry ao amin’ny fanoharan’ny Mpamonjy izy ireny (jereo ny Matio 25:1–13). Ny zavatra mety tsy hitanao anefa dia ny ezaka mavitrika ataon’izy ireo mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny fahamarinana. Mila mikatsaka amim-pahazotoana ny hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny fahamarinana isika rehetra satria, araka ny nianaran’ireo virijiny adala, dia tsy afaka hindrana ny fiovam-pon’ny hafa isika.

Ahoana no fomba hahazoantsika fijoroana ho vavolombelona sy hikolokoloana izany? Soraty ny eritreritra tonga ao aminao rehefa misaintsaina ireto soratra masina manaraka ireto ianao: Lioka 11:9–13; Jaona 5:39; Jaona 7:14–17; Asan’ny Apostoly 17:10–12; 1 Korintiana 2:9–11; ary Almà 5:45–46.

Sary
zatovovavy mandeha amin’ny lalana iray

Mila mahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika manokana isika tsirairay.

Inona no tokony hataoko rehefa manana fanontaniana aho?

Rehefa mikatsaka fahalalana ara-panahy ianao, dia hisy fanontaniana ho tonga ao an-tsainao. Ireto fitsipika manaraka ireto dia afaka manampy anao hametraka fanontaniana amin’ny fomba izay hanorina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona.

  1. Mikatsaha fahatakarana amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra: Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra, ary manambara fahamarinana Izy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy ny soratra masina ary ireo mpaminaniny sy apôstôliny.

  2. Manaova asa amim-pinoana. Rehefa tsy tonga eo no ho eo ny valiny dia manàna fatokiana fa hambaran’ny Tompo amin’ny fotoana maha-mety azy ny valiny. Mandritra izany anefa dia tohizo hatrany ny fiainana araka ny fahamarinana izay efa fantatrao.

  3. Manàna tanjona ho amin’ny mandrakizay Miezaha mijery zavatra araka ny fahitan’ny Tompo azy, fa tsy ny fijerin’izao tontolo izao. Jereo ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjen’ny Raintsika any An-danitra ireo fanontanianao.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 13:1–23

Ny fomba iray lehibe hanampiana ny fianakavianao hiomana hianatra avy amin’ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity dia ny mamerina mijery ilay fanoharana momba ny mpamafy voa. Mety hahafinaritra ny fianakavianao ny mijery ireo karazana tany eo akaikin’ny tranonao mba hahazoana sary an-tsaina ireo karazana tany voasoritra ao anatin’ilay fanoharana. Inona no azontsika atao mba hambolena “voa tsara” ao amin’ny tokantranontsika? (Matio 13:8).

Galatiana 5:22–23; Filipiana 4:8

“Manoro hevitra ireo ray aman-dreny sy ireo zanaka izahay mba hametraka ho laharam-pahamehana voalohany indrindra ny vavaky ny mpianakavy, ny takarivan’ny mpianakavy, ny fandalinana sy fampianarana ny filazantsara ary ny fanaovana fiaraha-mientana mahasoa ny mpianakavy. Na dia tsara sy mendrika ho atao tahaka izany aza ny zavatra na ny fiaraha-mientana hafa dia tsy tokony havela izany hanolo toerana ireo andraikitra masina manokana izay ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana ihany no afaka manatanteraka azy tsara” (“Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” Liahona, des. 1999, 1).

Ny fiantombohan’ny taona vaovao dia fotoana tsara hanaovana filankevitry ny mpianakavy momba ny fampifotorana bebe kokoa ny tokantranonao amin’ny filazantsara? Inona no hevitra tonga ao an-tsainao rehefa mamaky ireo fitahiana sy torohevitra ao amin’ny Galatiana 5:22–23 sy Filipiana 4:8 ianao? Mety afaka mametaka petadrindrina eran’ny trano angamba ianareo ho fampahatsiahivana anareo ny tanjonareo.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mitadiava fotopampianarana. Ny fotopampianarana dia fahamarinana mandrakizay sy tsy miova. Nanambara ny Filoha Boyd K. Packer fa “ny fotopampianarana marina, rehefa takatra, dia manova ny toetra sy ny fitondrantena” (“Little Children,” Ensign, nôv. 1986, 17). Rehefa mandalina ny soratra masina ianao sy ny fianakavianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hiaina tahaka ny Mpamonjy kokoa.

Sary
Jesoa Kristy

Fahazavan’izao tontolo izao, nataon’i Brent Borup

Sary
I Kristy mivoaka ny fasana

Nitsangana tamin’ny maty Izy, nataon’i Del Parson