Avia, hanaraka Ahy
Ny fiovam-po no tanjontsika


“Ny fiovam-po no tanjontsika,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Ny fiovam-po no tanjontsika,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
zatovolahy mamangy ny renibeny

Ny fiovam-po no tanjontsika

Ny tanjon’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara dia ny mba hampahalalina kokoa ny fiovampontsika ary ny mba hanampiana antsika hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy. Noho io antony io, rehefa mandalina ny filazantsara isika dia tsy mitady fampahalalana vaovao fotsiny, fa te ho lasa “olom-baovao” mihitsy (jereo ny 2 Korintiana 5:17). Midika izany fa miantehitra amin’i Kristy mba hanova ny fontsika, ny fomba fijerintsika, ny zavatra ataontsika ary ny toetrantsika mihitsy isika.

Fa ny karazana fianarana filazantsara izay manamafy orina ny finoantsika sy mitondra any amin’ny fiovana mahagaga ateraky ny fiovam-po dia tsy mitranga eo no ho eo. Mihitatra mivoaka ny efitrano fianarana izany ka mankany amin’ny fo sy ny tokantranon’ny tsirairay. Mitaky fiezahana mahatakatra sy miaina ny filazantsara tsy tapaka sy isan’andro izany. Ny tena fiovam-po dia mitaky ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Ny Fanahy Masina dia mitarika antsika amin’ny fahamarinana ary mijoro ho vavolombelona amintsika momba izany fahamarinana izany (jereo ny Jaona 16:13). Manazava ny saintsika Izy, manafaingana ny fahatakarantsika ary mikasika ny fontsika amin’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra, ilay loharanon’ny fahamarinana rehetra. Manadio ny fontsika ny Fanahy Masina. Mampisy faniriana ao anatintsika hiaina araka ny fahamarinana Izy, ary mibitsika amintsika ny fomba hanaovana izany. Tena marina fa “ny Fanahy Masina [dia] … hampianatra [antsika] ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26).

Noho ireo antony ireo, ao anatin’ireo ezaka ataontsika hiaina sy hianatra ary hampianatra ny filazantsara dia tokony hikatsaka ny Fanahy Masina ho namana aloha isika voalohany indrindra. Io tanjona io no tokony hitantana ny safidy ataontsika sy hitarika ny eritreritsika sy ny asantsika. Tokony hikatsaka izay zavatra rehetra manasa ny fitaoman’ny Fanahy sy handà izay rehetra manala izany fitaomana izany isika, satria fantatsika fa rehefa mendrika ny hanana ny Fanahy Masina isika dia ho afaka ihany koa ny ho mendrika hiaina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.