Boky torolalana sy antso
19. Hira


“19. Hira,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“19. Hira,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
vehivavy iray sy ankizy iray mitendry piano

19.

Hira

19.1

Ny tanjon’ny hira ao amin’ny Fiangonana

Ao anatin’ny fanambarana iray nomena ny Mpaminany Joseph Smith, dia hoy ny Tompo hoe, “Finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko; eny, ny hiran’ny marina dia vavaka ho Ahy ary hovaliana amin’ny fitahiana eo ambony lohany izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12). Hoy koa Izy hoe: “Ny olo-marina dia … ho tonga ao Ziona, mihira ny hiran’ny fifaliana maharitra mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:71).

Mampitombo finoana an’i Jesoa Kristy ny hira masina. Manasa ny Fanahy sy mampianatra fotopampianarana izany. Miteraka fahatsapana fanajana lalina sy mampiray ireo mpikambana ary manome fomba hitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany.

19.2

Ny hira ao an-tokantrano

Tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia namporisika ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ny Tompo mba hampiasa hira mankahery eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro. Afaka manasa fanahin’ny hatsarana sy ny fiadanana ny fihirana sy ny fihainoana hira masina. Afaka mampitombo fitiavana sy firaisan-kina eo anivon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana ihany koa izany. Afaka manampy ny tsirairay hanana herim-po sy hahatohitra fakam-panahy ny hira ao amin’ny fihirana.

Hita ato amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto ny raki-peo sy ny raki-tsarin’ireo hiran’ny Fiangonana:

Ny Fiangonana dia manome fitaovana hanampiana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana hianatra fahaiza-manao fototra amin’ny fitendrena sy fihirana hira. Izany dia azo jerena ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org (jereo koa ny 19.6). Ny fiezahana hanana fahaiza-manao amin’ny fitendrena sy ny fihirana hira dia mampivelatra ny fahafahana ho an’ireo mpikambana mba hanompo ao an-tokantrano sy ato amin’ny Fiangonana.

19.3

Hira mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana

Ny hira masina dia ampahany tena manan-danja amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriana hafa ao am-piangonana. Manana hery hanasana ny Fanahy mba hampanakaiky kokoa ny tsirairay amin’ Andriamanitra izany. “Ny sasany tamin’ireo toriteny lehibe indrindra izay notorina dia natao tamin’ny alalan’ny fihirana.” (Jereo ny Cantiquesix.)

19.3.1

Fanomanana ny hira ho an’ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana

Miara-miasa amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ireo mpandrindra ny hira eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka mba hanomanana ireo hira ho an’ireo fivoriana fitsaohana. Mifidy hira mampitombo ny fanahin’ny fitsaohana mandritra ireo fivoriana izy ireo.

Ny hira ao amin’ny fihirana dia ampiasaina amin’ireo hira rehetra ataon’ny daholobe mandritra ireo fivoriana fitsaohana. Azo atao ny mampiasa hira ao amin’ny fihirana na hira masina hafa ho an’ny feon-kira tendrena mialoha sy aorian’ny fotoana, ny hiran’ny amboaram-peo ary amin’ny fihirana hira ataon’olon-tokana na ataona vondron’olona vitsivitsy. Ny hira rehetra mandritra ireo fivoriana ataon’ny Fiangonana dia tokony hatao ao anatin’ny fanahin’ny fitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, fa tsy toy ny fihirana amina fampisehoana talenta amin’ny fahaiza-mihira.

Tokony hifanaraka tsara amin’ny fanahin’ny fitsaohana entin’ireo hira ao amin’ny fihirana ny mozika safidina. Tokony hampianatra ny filazantsara amin-kery sy mazava tsara izany.

Ny hira masina izay soratana na hiraina amin’ny karazana mozika amin’ny kolontsaina isan-karazany dia mety hanampy amin’ny fampiraisana ny mpiara-mivavaka. Ireo mpandrindra ny hira sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia afaka mampiditra karazana mozika mendrika isan-karazany izay tian’ireo mpikambana avy amin’ny foto-piaviana isan-karazany.

19.3.2

Hira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Mivory mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny mpikambana mba hahatsiaro an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Mivory izy ireo mba hampiorina finoana sy fijoroana ho vavolombelona ary hitsaoka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tokony hofidina mba hanatratrarana ireo tanjona ireo ny hira.

Ny hira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia ahitana ny fihiran’ny daholobe hira ao amin’ny fihirana mba hanombohana sy hamaranana ny fivoriana sy alohan’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo. Ny fihirana hirain’ny daholobe dia manome fahafahana ireo mpikambana hitambatra ho iray rehefa miara-mandray anjara amim-pahavitrihana amin’ny fitsaohana izy ireo. Tokony hiresaka momba ny fanasan’ny Tompo mihitsy ny hira ho an’ny fanasan’ny Tompo na hiresaka momba ny sorona nataon’ny Mpamonjy. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “Cantiques pour l’assemblée (Fihirana ho an’ny daholobe),” Cantiques, 246–47.

Ny feon-kira mialoha ny fotoana dia tendrena rehefa tafavory alohan’ny fivoriana ny mpikambana. Ny tanjon’izany dia ny hamorona tontolo fitsaohana izay manasa ny Fanahy. Aorian’ny vavaka famaranana dia tendrena ny feon-kira aorian’ny fotoam-pivoriana eo am-pialan’ny mpikambana ao amin’ilay fivoriana. Azo atao ny mifidy hira ao amin’ny fihirana sy hira masina hafa ho an’ny feon-kira tendrena mialoha sy aorian’ny fotoana.

Ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia mety ahitana ihany koa hira ho an’ny daholobe izay hiraina eo am-pisasahan’ny fivoriana, ohatra hoe eo anelanelan’ireo lahateny. Na mety ahitana hira hafa nofidina miisa iray na mihoatra izany. Ireo hira hafa ireo dia azo ataon’ireo amboaram-peo (jereo ny 19.3.7), na ataon’olona mihira irery na atao zava-maneno tendrena mitokana, na ataon’ny vondron’olona vitsivitsy. Tsy tokony hisy tarika mpihira ivelan’ny Fiangonana hihira mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo.

Azo ampiasaina hampiarahana amin’ny fihirana hira ao amin’ny fihirana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny pianô, ôrga, na zava-maneno hafa nahazoana fankatoavana avy amin’ny episkôpà (jereo ny 19.3.6).

Miezaka mampifandanja ireo hira ao amin’ny fihirana efa mahazatra sy tsy dia mbola mahazatra ny mpandrindra ny hira sy ny episkôpà. Ireo hira hafa hirain’ny amboaram-peon’ny paroasy na ny hafa dia afaka manampy ireo mpikambana ho lasa hahafantatra kokoa ireo hira ao amin’ny fihirana izay tsy dia fantatra loatra.

19.3.3

Hira mandritra ny fotoam-pianarana sy ireo fivoriana hafa ao amin’ny paroasy

Ny fihirana hira ao amin’ny fihirana dia mety ho fomba mahomby hampahafantarana na hanamafisana ireo fitsipiky ny filazantsara. Mamporisika ireo mpampianatra ireo mpitarika hampiasa ireo fihirana sy ireo hira masina hafa mba hanatsarana ny fampianaran’izy ireo.

Ireo fivorian’ny kôlejy sy ny kilasy isaky ny alahady dia tsy atomboka amina hira fanokafana.

19.3.4

Hira mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka

Ny hira mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka dia tokony homanina mba hanamafisana orina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona. Tokony hanaraka ireo fitsipika ao amin’ny 19.3.1 izany. Ny manampahefana mpiahy dia mandinika mialoha, mandritra ilay fotoana fanomanana, ireo hira rehetra naroso mba hatao.

Ny hira mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka raha ny mahazatra dia ahitana fihiran’ny daholobe hira ao amin’ny fihirana sy hira hafa ataona amboaram-peo, na hirain’olon-tokana, na vondron’olona vitsivitsy. Raha ny tokony ho izy dia mihira ny daholobe rehefa misasaka ilay fivoriana. Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manome fankatoavana ny fihirana ataon’olon-tokana sy ny fampiasana zava-maneno hafa ankoatra ny pianô na ny ôrga (jereo ny 19.3.6).

19.3.5

Hira sy mozika hafa atao ao amin’ny efitrano fivavahana

Ny efitrano fivavahana dia azo ampiasaina indraindray hanaovana hetsika ara-java-kanto ara-kolontsaina izay ahitana hira tsy mahakasika ny fivavahana, toy ny fampisehoana an-kira, rindran-kira, ary fampisehoana hafa. Raha toa ka tsy amporisihina ny fitehafana mandritra ny fivoriana fitsaohana, dia mety kosa ny hanaovana izany amin’ireo hetsika ireo.

Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana no mamaly ireo fanontaniana mahakasika ireo hetsika ara-kolontsaina atao ao amin’ny efitrano fivavahana. Jereo ny 35.5 raha mila fampahalalana momba ny fampiasana ny trano fivorian’ny Fiangonana araka ny tokony ho izy.

19.3.6

Ireo zava-maneno

Ny fitendrena zava-maneno raha ny mahazatra dia ampiasaina ho an’ny feon-kira mialoha sy aorian’ny fivoriana ary ny feon-kira amin’ny fihirana mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana. Ny ôrga sy ny pianô no zava-maneno nankatoavina mba ho ampiasaina any amin’ireo toerana izay ahitana izany sy ahitana mpikambana afaka mitendry izany. Azon’ny episkôpà atao ny manome fankatoavana ny hampiasana zava-maneno hafa mba hampiarahana amin’ny hiran’ny daholobe, ho an’ny feon-kira mialoha sy aorian’ny fivoriana, ary amin’ireo hira hafa.

Tokony hampita fahatsapana fitsaohana ireo zava-maneno ary tendrena hifanaraka amin’ny zavatra tian’ilay fivoriana hampitaina.

Raha tsy misy pianô na ôrga na mpitendry zava-maneno dia azo atao ny mampiasa ireo raki-peo (jereo ny 19.2).

19.3.6.1

Fomba hahazoana zava-maneno

Ireo tranon’ny Fiangonana mazàna dia misy ôrga, na pianô, na vatamarofitsoka elektrônika. Ireo mpitarika dia afaka miresaka amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana eo an-toerana mba hahazoana fampahalalana mikasika ny fomba hahazoana zava-maneno vaovao na hanoloana ny teo aloha.

19.3.6.2

Fikojakojana ireo zava-maneno

Ampifandrindrana matetika ny feon’ny pianô ary karakaraina matetika ny ôrga. Ny eveka na ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny tsatòka dia afaka mifandray amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana raha manana fanontaniana. Raha ilaina dia afaka mandefa ihany koa fangatahana ao amin’ny Rapport de problèmes relatifs aux bâtiments (FIR) izy mba hikojaojana sy hanamboarana ireo pianô sy ôrga (jereo ny 35.4.2).

19.3.7

Amboaram-peo

Hatramin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha dia efa nihira tao anatina amboaram-peo ny zanak’ Andriamanitra mba hanolotra fiderana ho Azy. Ny amboaram-peon’ny Fiangonana dia mitondra voninahitra ho an’ Andriamanitra, mampiray sy mampahery ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary mitondra fifaliana ho an’ireo mpandray anjara sy ireo mpiangona.

19.3.7.1

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana
Amboaram-peon’ny paroasy

Raha betsaka ny mpikambana ao aminy dia afaka manangana amboaram-peo mihira matetika mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ireo paroasy. Afaka miantso mpitarika ny amboaram-peo sy mpitendry zava-maneno ho an’ny amboaram-peo ny episkôpà (jereo ny 19.4.3.3).

Afaka mirotsaka an-tsitrapo hihira ao amin’ny amboaram-peo ireo mpikambana ao amin’ny paroasy. Azo asaina ihany koa ny mpikambana sy ny olona hafa handray anjara. Tsy misy fitsarana fahaiza-mihira atao.

Amporisihina ny amboaram-peo hampiasa ireo fihirana an’ny Fiangonana. Ny fihirana ireo hira ao amin’ny fihirana dia manasa ny Fanahy ary manampy ireo mpandray anjara ao amin’ny amboaram-peo sy ny daholobe hianatra ny filazantsara (jereo ny Cantiques, 247–49). Raha misy hira masina hafa ampiasaina dia tokony harahina ireo torolalana ao amin’ny 19.3.1.

Raha ny mahazatra dia tsy mihoatra ny adiny iray ny famerenan-kira ataon’ny amboaram-peo.

Raha mila ny taratasy misy naoty sy tonon-kira ny amboaram-peon’ny paroasy dia azo vidina amin’ny tetibola voasoratra ho an’ny fandanian’ny paroasy izany (jereo ny 19.7.1). Amporisihina ny amboaram-peon’ny paroasy mba hizara ireo hira novidina amin’ireo amboaram-peo hafa eo anivon’ny tsatòka. Ny fandikana ny taratasy misy naoty sy tonon-kira kanefa tsy nahazoana lalana avy amin’ny tompon’ny zo ahafahana mandika dia mifanohitra amin’ny fitsipiky ny Fiangonana (Jereo ny 38.8.11).

Ankoatra ny amboaram-peon’ny paroasy dia azo asaina hihira mandritra ireo fivoriana ataon’ny Fiangonana ireo fianakaviana sy vondrom-behivavy, lehilahy, zatovo, na ankizy.

Sary
amboaram-peo mihira

19.3.7.2

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Amboaram-peon’ny tsatòka sy an’ireo tsatòka mitambatra

Raha mahazo fankatoavana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka na ny vondromparitra dia azo atao ny manangana amboaram-peon’ny tsatòka sy an’ireo tsatòka mitambatra amin’ireo fihaonamben’ny tsatòka ary amin’ireo fotoan-dehibe hafa, toy ireo hetsika eo amin’ny fiarahamonina. Rehefa vita ilay fivoriana na ilay hetsika dia rava ilay amboaram-peo mandra-pahatongan’ny fotoan-dehibe hafa indray.

19.4

Mpitarika misahana ny hira eo anivon’ny paroasy

19.4.1

Ny episkôpà

Ny eveka no tompon’andraikitra misahana ny hira eo anivon’ny paroasy. Azony ampandraiketina ny iray amin’ireo mpanolotsainy io andraikitra io. Ireto manaraka ireto ny andraikitra sahanin’ny episkôpà:

  • Miantso sy manokana ireo mpikambana mba hanao ireo antso mahakasika ny hira izay voalazalaza ao amin’ny 19.4.2 sy ny 19.4.3 raha ilaina izany.

  • Miara-miasa amin’ny mpandrindra ny hira eo anivon’ny paroasy mba hanomana ireo hira mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo (jereo ny 19.3.1).

  • Mampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana amin’ny alalan’ny hira mandritra ireo fivoriana. Mamporisika ireo mpikambana handray anjara amin’ny fihirana miaraka amin’ny daholobe. Mamporisika ireo mpikambana, indrindra fa ny zatovo, hampiasa hira mampahery isan’andro eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana (jereo ny 19.2).

  • Manapa-kevitra ny amin’ny fotoana izay azo ampiasana zava-maneno hafa ankoatra ny pianô sy ny ôrga mandritra ireo fivoriana ataon’ny Fiangonana (jereo ny 19.3.6).

  • Manohana ny amboaram-peon’ny paroasy amin’ny alalan’ny famporisihana ireo mpikambana handray anjara.

19.4.2

Mpandrindra ny hira eo anivon’ny paroasy

Ny mpandrindra ny hira eo anivon’ny paroasy dia manompo eo ambany fitarihan’ny episkôpà. Misahana ireto andraikitra manaraka ireto izy:

  • Manampy ny episkôpa sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy amin’ireo zavatra mahakasika ny hira. Manatrika ny fivoriana filankevitry ny paroasy rehefa asain’ny eveka mba hanampy amin’ny fandrindrana ny hira ao amin’ny paroasy.

  • Miara-miasa amin’ny episkôpà mba hanomana hira ho an’ireo fivoriana fanasan’ny Tompo (jereo ny 19.3.1 sy ny 19.3.2).

  • Mandroso hevitra ny hanaovana fampiofanana mikasika ny hira ao amin’ny paroasy sy manara-maso izany fampiofanana izany, raha ilaina (jereo ny 19.6). Manampy ireo mpikambana hitady fahafahana hampitombo sy hampiasa ny talentan’izy ireo mahakasika ny hira sy mozika ao amin’ny paroasy.

  • Rehefa mangataka izany ny episkôpà, dia manolotra mpikambana hanompo amin’ireo antso mahakasika ny hira ao amin’ny paroasy. Mampiofana ireo olona manompo amin’ireo antso ireo, manolotra fanampiana, torolalana, ary fanofanana araka izay ilaina.

  • Manompo amin’ireo antso hafa mahakasika ny hira ao amin’ny paroasy raha tsy misy olona hafa nantsoina hanao izany.

  • Miresaka amin’ny mpandrindra ny hira eo anivon’ny tsatòka mba hahazoana fampiofanana sy fanampiana raha ilaina.

19.4.3

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Antso fanampiny

Ao amin’ireo paroasy ampy olona tsara dia afaka miantso mpikambana ny episkôpà mba hanompo amin’ireto antso manaraka ireto. Azo antsoina hanompo ny zatovo sy ireo olona avy amin’ny antokom-pivavahana hafa. Azon’ny episkôpà atao ny manamboatra ireo antso ireo araka izay ilaina mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny paroasin’izy ireo.

19.4.3.1

Mpitarika hira ao amin’ny paroasy

Ny mpitarika hira eo anivon’ny paroasy dia mitarika ireo hira ao amin’ny fihirana izay hirain’ny daholobe ho an’ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ho an’ireo fivoriana hafa ao amin’ny paroasy araka izay angatahina.

19.4.3.2

Mpitendry zava-maneno ao amin’ny paroasy

Ny mpitendry zava-maneno ao amin’ny paroasy dia mitendry feon-kira mialoha sy aorian’ny fotoana sy aorian’ny fotoana ary mitendry ny feon-kira ho an’ireo hira ao amin’ny fihirana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ao amin’ireo fivoriana hafa ataon’ny paroasy araka izay angatahina. Rehefa ilaina dia afaka mitendry ho an’ny amboaram-peo ihany koa ilay mpitendry zava-maneno na manao mpitendry pianô ao amin’ny Kilonga.

Raha tsy misy olona afaka mitendry pianô na ôrga ao amin’ny paroasy dia misy ireto safidy azo atao ireto:

  • Afaka mitendry zava-maneno hafa nahazoana fankatoavana avy amin’ny eveka ny mpikambana iray (jereo ny 19.3.6).

  • Ahitana pianô sy ôrga nomerika izay mitendry feon-kiran’ny hira ao amin’ny fihirana izay efa nampidirina mialoha tao any amin’ny trano fivorian’ny Fiangonana sasany (jereo ny 19.3.6.1).

  • Afaka mampiasa raki-peo avy amin’ireto loharano manaraka ireto ny mpikambana:

19.4.3.3

Ny mpitarika ny amboaram-peo sy ny mpitendrin’ny amboaram-peo

Ny mpitarika ny amboaram-peon’ny paroasy dia manolotra sosokevitra mikasika ireo hira hohirain’ny amboaram-peo sy mitarika ny famerenan-kiran’ny amboaram-peo ary mitarika ny hiran’ny amboaram-peo mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo (jereo ny 19.3.7).

Ny mpitendrin’ny amboaram-peo ao amin’ny paroasy dia mitendry mandritra ny famerenan-kira ataon’ny amboaram-peo sy amin’ny fotoana hihiran’ny amboaram-peo mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Mba hahazoana fampahalalana fanampiny mikasika ny fitarihana ny amboaram-peo dia jereo ny boky torolalana Cours de direction,, page 73–83.

19.4.3.4

Ny mpitarika hira ao amin’ny kilonga sy ny mpitendrin’ny Kilonga

Jereo ny 12.3.4.

19.4.3.5

Ireo manam-pahaizana manokana momba ny hira

Azon’ny episkôpà atao ny miantso manam-pahaizana manokana mba hanampy amin’ny fampiofanana momba ny hira sy mozika ao amin’ny paroasy (jereo ny 19.6).

19.5

Mpitarika misahana ny hira eo anivon’ny tsatòka

19.5.1

Fiadidian’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka no manara-maso ny hira ao amin’ny tsatòka. Azony ampandraiketina ny iray amin’ireo mpanolotsainy na an’ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo ireto andraikitra manaraka ireto:

  • Miantso sy manokana ireo mpikambana mba hanao ireo antso mahakasika ny hira izay voalazalaza ao amin’ny 19.5.2 sy ny 19.5.3 raha ilaina izany.

  • Miresaka amin’ny mpandrindra ny hira eo anivon’ny tsatòka mba hanomana ireo hira mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka sy ireo hetsika hafa ataon’ny tsatòka (jereo ny 19.3.1, 19.3.4, ary ny 19.3.7.2).

  • Mampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana amin’ny alalan’ny hira mandritra ireo fivoriana. Mamporisika ireo mpikambana handray anjara amin’ny fihirana miaraka amin’ny daholobe. Mamporisika ireo mpikambana hampiasa hira mampahery isan’andro eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana (jereo ny 19.2).

  • Manapa-kevitra ny amin’ny fotoana izay azo ampiasana zava-maneno hafa ankoatra ny pianô sy ny ôrga mandritra ireo fivoriana ataon’ny tsatòka (jereo ny 19.3.6).

19.5.2

Mpandrindra ny hira eo anivon’ny tsatòka

Eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka dia manao ireto andraikitra manaraka ireto ny mpandrindra ny hira eo anivon’ny tsatòka:

  • Manampy ny fiadidian’ny tsatòka sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny tsatòka amin’ireo zavatra mahakasika ny hira.

  • Miresaka amin’ny fiadidian’ny tsatòka mba hanomana ireo hira mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka sy ireo hetsika hafa ataon’ny tsatòka (jereo ny 19.3.1, 19.3.4, ary ny 19.3.7.2).

  • Mandroso hevitra ny hanaovana fampiofanana mikasika ny hira ao amin’ny tsatòka ary manara-maso izany (jereo ny 19.6).

  • Rehefa mangataka izany ny Fiadidian’ny tsatòka, dia manolotra mpikambana hanatanteraka ireo antso mikasika ny hira ao amin’ny tsatòka. Mampiofana ireo olona manompo amin’ireo antso ireo. Manolotra fanampiana, torolalana ary fampiofanana araka izay ilaina.

  • Manome fampiofanana sy fanampiana ho an’ireo mpandrindra ny hira eo anivon’ny paroasy raha ilaina.

  • Manao ny asan’ny mpitarika hira sy ny mpitarika ny amboaram-peo mandritra ireo fivoriana ataon’ny tsatòka raha tsy misy olona hafa nantsoina hanao izany.

19.5.3

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Ireo manam-pahaizana manokana momba ny hira ao amin’ny tsatòka

Azo atao raha ilaina ny miantso manam-pahaizana manokana momba ny hira ao amin’ny tsatòka. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny mpitarika ny amboaram-peon’ny tsatòka, ny mpitarika hira ao amin’ny tsatòka, ary ny mpitendry zava-maneno ao amin’ny tsatòka. Azo omena andraikitra ihany koa ireo manam-pahazaina manokana momba ny hira eo anivon’ny tsatòka mba hanome fanofanana mikasika ny hira (jereo ny 19.6).

19.6

Fampiofanana momba ny hira sy loharanom-pitaovana

Ny fianarana ireo fahaiza-manao fototra mikasika ny hira sy mozika dia manomana ireo mpikambana hampiasa ny talentan’izy ireo hanompo ao amin’ny Fiangonana. Ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto dia afaka manampy ireo olona manana antso mahakasika ny hira. Afaka manampy ny mpikambana rehetra izay liana amin’ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’izy ireo mahakasika ny hira ihany koa izany.

Ireo fitaovana fampiofanana momba ny fahalalana fototra mikasika ny hira dia hita ao amin’ny fizarana “Utilisation du recueil de cantiques” ao amin’ny Cantiques sy ny fizarana “Fampiasana ny bokin-kira” ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy.

Mety hanampy ihany koa ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto:

  • Ahitana fitahirizana taratasy misy naoty sy tonon-kira sy raki-kira ampiasaina any an-trano sy ao am-piangonana ao amin’ny appli Musique Sacrée sy en ligne ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org. Afaka manampy ny mpikambana ho lasa mahafantatra kokoa ireo hira ao amin’ny fihirana ny fihainoana ireo raki-peo.

  • Ilay fandefasana hira azo hanaovana zavatra maro amin’ny ChurchofJesusChrist.org dia afaka manampy ireo izay mikatsaka ny hianatra hira vaovao na hampitombo ny fahaiza-manaony momba ny hira sy mozika.

  • Ilay lesona momba ny fahalalana fototra mikasika ny hira dia afaka manampy ireo mpikambana hianatra ny fomba famakiana sy fitendrena mozika. Ahitana ireo amboaram-pitaovana momba ny fitarihana hira sy amboaram-pitaovana misy lesona fianarana mitendry vatamarofitsoka izany. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia azo vidina ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org.

  • Misy vatsim-bola ho an’ny fianarana hira sy mozika natomboka natokana ao amin’ny foiben’ny Fiangonana mba hanomezana vatamarofitsoka, fitaovana fampiofanana, ary fampianarana ho an’ireo mpikambana izay mikatsaka ny hampitombo ny fahaiza-manaony momba ny hira sy mozika. Ho fampahalalana mikasika io vatsim-bola io dia jereo ny musicfund.ChurchofJesusChrist.org.

Ireo mpandrindra ny hira eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka dia afaka manomana lesona fampiofanana momba ny fahalalana fototra mikasika ny hira ho an’ireo mpitarika hira, mpitarika amboaram-peo, na mpitendry zava-maneno. Mety ho isan’ireo mpandray anjara amin’izany ireo izay manompo amin’ireo antso mikasika ny hira amin’izao fotoana izao sy ireo olon-dehibe sy zatovo ary ankizy hafa liana amin’izany. Afaka mampianatra ireo lesona ireo mpandrindra ny hira na ireo manam-pahaizana manokana. Azon’ireo mpandrindra ny hira ihany atao koa ny manolotra anarana mpampianatra tena mahay mba hanome fanofanana.

Any amin’ireo toerana ahitana mpikambana betsaka dia afaka miresaka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ireo mpandrindra ny hira ary mandroso hevitra ny hikarakarana atrikasa fampiofanana eo anivon’ny tsatòka na ireo tsatòka mitambatra. Tsy misy saram-pianarana aloa amin’ny fampiofanana tohanan’ny Fiangonana.

19.7

Fitsipika sy torolalana fanampiny

19.7.1

Fomba hahazoana sy hampiasana ny hira

Omena boky fihirana ireo trano fiangonana vaovao. Ny boky fihirana fanampiny sy ireo hira ho an’ny amboaram-peo ary ireo hira hafa dia azo vidina amin’ny tetibola voasoratra ho an’ny fandanian’ny tsatòka na ny paroasy.

19.7.2

Fampiasana ireo zava-maneno ao amin’ny trano fiangonana mba hanaovana fanazaran-tena, fampianarana olona manokana, ary rindran-kira

Raha toa ka tsy misy safidy hafa azo atao, dia afaka manome lalana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hampiasana ireo pianô sy ôrga ao amin’ireo trano fiangonana mba hanaovana fanazaran-tena, fianarana manokana handoavam-bola sy ireo rindran-kira izay handraisan’ireo mpikambana ao amin’ireo rantsana anjara, izay mampiasa ilay trano fiangonana. Tranga maningana io fanomezan-dalana io araka ny voalaza ao amin’ny 35.5.6.1. Tsy tokony hisy vidim-pidirana ny fijerena ireo rindran-kira.

19.7.3

Amboaram-peo tsy miankina tarihana mpikambana

Ireo amboaram-peo tsy miankina maharitra izay tarihin’ny mpikamban’ny Fiangonana ary mpikamban’ny Fiangonana no tena betsaka ao anatin’izany dia tsy tohanan’ny Fiangonana. Tsy tokony hampiasa ny anaran’ny Fiangonana ao anatin’ny anarana hiantsoana azy ireo ireo amboaram-peo ireo.

Raha manome fankatoavana ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka mampiasa ireo tranon’ny Fiangonana ireo amboaram-peo tsy miankina tarihana mpikambana mba hanao famerenan-kira sy hanao fampisehoana. Tokony hanaraka ireo fitsipika sy lalàn’ny Fiangonana mahakasika ny trano fiangonana izy ireo (jereo ny 35.5).