Institiota
Fampahafantarana ny Fiomanana ho misiônera: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (Fampianarana ny filazantsara faha 130)


Fampahafantarana ny Fiomanana ho misiônera: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (Fampianarana ny filazantsara faha 130)

Ny Tanjontsika

Ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia manambara fa:

“Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy ny tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany, ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], 1).

Amin’ny maha-mpampianatra institiota anao, dia afaka manampy amin’ny fahatratrarana io tanjona io ianao rehefa mampianatra amim-pahombiazana ny filazantsara: “Ampianarintsika ny mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo dia ampianarina amin’ny fomba izay mitarika any amin’ny fahatakarana sy fiorenana mafy. Manampy ny mpianatra isika mba hanatontosan’izy ireo ny andraikiny ao anatin’ny dingan’ny fianarana sy manomana azy ireo hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, x).

Ny Ireo Zavatra Manan-danja ao amin’ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara dia hanampy anao sy ny mpianatrao hahatratra ny tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara rehefa mandalina ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ary ny Torio ny Filazantsarako miaraka ianareo. Ireto manaraka ireto ireo zavatra manan-danja ireo:

  • Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.

  • Manorina tontolo fianarana hanjakan’ny fitiavana sy ny fifanajana ary ahitana tanjona.

  • Handalina ny soratra masina isan’andro ary hamaky ny lahatsoratra mifandray amin’ny lesona.

  • Mahatakatra ny sahan-kevitra sy ny zavatra raketin’ny soratra masina ary ny tenin’ireo mpaminany.

  • Hamantatra, hanakatra, hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe izany ary hampihatra ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara.

  • Manazava, sy mizara ary mijoro ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara.

  • Hifehy ireo andalan-tsoratra masina manan-danja sy ireo Fotopampianarana Fototra.

“Miteraka fananan’ny mpianatra fahafahana mahatakatra ny soratra masina sy ireo fotopampianarana ary fitsipika hita ao anatiny ireo zava-manan-danja ireo rehefa ampiharina amim-pahendrena sy ampifandrindrana tsara. Mamporisika ireo mpianatra koa izy ireo mba handray anjara mavitrika amin’ny fianaran’izy ireo ny filazantsara sy hampitombo ny fahafahan’ireo mpianatra miaina ny filazantsara sy mampianatra izany amin’ireo hafa” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, 10). Tokony ho raisina ho toy ny vokatra ireo zavatra manan-danja ireo fa tsy fomba fampianarana (jereo ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, 13). Ireo sosokevitra enti-mampianatra ato amin’ity boky ity dia manolotra fomba hanatratrarana ireo vokatra ireo ao amin’ny fampianaranao.

Ny Tanjon’ity Fampianarana Ity

Fianarana ny filazantsara faha 130: Ny Fiomanana ho misiônera dia natao hanampiana amin’ny fanomanana ireo mpianatra ho amin’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ary torohevitra hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ary ny Torio ny Filazantsarako. Ity boky torolalana ity sy ny soratra masina ary ny Torio ny Filazantsarako no lahatsoratra fototra iainganao rehefa manomana sy mampianatra ity taranja ity ianao. Ny Torio ny Filazantsarako no boky torolalana ho an’ny mpianatra ho an’ity taranja ity, noho izany dia tokony hamporisika ireo mpianatra ianao mba hanana ny tahadikany manokana ho an’ny fandalinany sy ho ampiasainy ao an-dakilasy. Hitahy ny fiainan’ireo mpianatra ianao rehefa manampy azy ireo ho lasa zatra izany sy hampiasa izany amin’ny fiomanany hanao asa fitoriana.

Manao ahoana no firindran’ny lesona

Ity boky torolalana ity dia natao hanampiana ireo mpampianatra vao voantso sy ireo efa tranainy. Ity taranja ity dia natao haharitra enim-bolana, ary mizara ho lesona 15. Ny lesona tsirairay dia natao ho ampianarina mandritra ny fotoam-pianarana maharitra 90 minitra. Raha latsaky ny 90 minitra ny fotoam-pianaranao, dia na ianao misafidy ny hanafohy ireo lesona na hizara izany ho fizarana maro ka hampianarina ao anatin’ny fotoam-pianarana roa na mihoatra izany.

Mizara dimy ny lesona tsirairay ato amin’ny boky torolalana:

  • Fampidirana

  • Fiomanana mialoha

  • Sosokevitra Enti-mampianatra

  • Fanampiana amin’ny Fampianarana

  • Fanasana mba hanao asa

Fampidirana

Ny lesona tsirairay dia manomboka amin’ny fampidirana fohy izay mamintina ireo fotopampianarana sy fitsipika ary ireo hevi-dehibe resahina ao amin’ny lesona.

Fiomanana mialoha

Ity fizarana ity dia ahitana ireo loharano fototra hoenti-mandalina ary koa mitanisa ireo loharano (ohatra: horonantsary, taratasy fizara, sy ny sisa) izay ampiasaina manodidina ny lesona tsirairay sy izay ho ilainao omanina mialoha. Ohatra, raha manoro hevitra ny hampiseho horonantsary ilay lesona dia tsara ny misintona na manomana ilay horonantsary mialoha ny fotoana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ity fizarana ity dia manome sosokevitra ho entina mampianatra ireo lohahevitry ny lesona izay voalaza. Amin’ny maha-mpampianatra anao, dia tokony halalininao amim-pitandremana ity fizarana ity. Ireo sosokevitra enti-mampianatra ato amin’ity boky ity dia manaraka ny fomba voafaritra ao amin’ny toko 3 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Maneho ny fomba hampidirana ireo zavatra manan-danja amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara ao amin’ny fampianaranao izy ireo mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara sy hampitombo ny fiovampon’izy ireo manokana.

Ao anatin’ny vatan’ny lesona tsirairay ianao dia hahita fotopampianarana sy fitsipika ary fahamarinana manan-danja izay nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina. Hita ao anatin’ny fandaharam-pampianarana ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo satria (1) maneho ireo fahamarinana manan-danja hita ao amin’ny soratra masina sy ny Torio ny Filazantsarako izy ireo, na (2) azo ampiharina manokana amin’ny zavatra ilain’ireo misiônera miomana hanao asa fitoriana, na (3) ireo no fahamarinana manan-danja izay afaka manampy ireo mpianatra hanatevina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Tompo sy hanomana azy ireo hanompo amin’ny fotoana feno. Nanoro hevitra ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Rehefa manomana lesona ianareo dia tadiavo ao anatin’izany ireo fitsipika mitondra fiovam-po. … Ny fitsipika mitondra fiovam-po dia ireo izay mitarika any amin’ny fankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra” (“Converting Principles” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2 feb. 1996], 1; si.lds.org). Fantaro fa ity boky torolalana ity dia tsy miezaka mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika rehetra izay azo ampianarina ao anatin’ny lesona, ary mety ho entanim-panahy ianao hampianatra ny hafa ireo fitsipika sy fotopampianarana izay tsy voaresaka ao anatin’ny lesona. Mba hahazoana hevitra fanampiny momba ny fampifanarahana ny lesona dia jereo ny fizarana “Manapaha hevitra ny amin’izay ho ampianarinao sy ny fomba hampianarana izany” eo ambany.

Fanampiana amin’ny Fampianarana

Ny fanampiana amin’ny fampianarana dia miseho anaty faritra kely any anatin’ireo lesona, ary izy ireo dia manome toromarika momba ireo fomba sy fahaizana ary teknika fampianarana samihafa. Natao hanome hevitra fanampin’ireo fotopampianarana amin’ny fanabeazana ara-pivavahana izy ireo. Mitadiava fomba hampiharana tsy tapaka sy amin’ny fomba mahomby ireo fanampiana ireo ao amin’ny fampianaranao.

Fanasana mba hanao asa

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fanantenako ambony indrindra ho anareo [misiônera miomana hanao asa fitoriana] dia hoe tsy handeha hanao asa fitoriana fotsiny ianareo—fa mba ho tonga misiônera fotoana ela mialoha ny handefasanareo ny antontan-taratasy hahatongavana ho misiônera, fotoana ela be mialoha ny handraisanareo ny antso handeha hanompo, fotoana ela be mialoha ny hanokanan’ny filohan’ny tsatòkanareo anareo ary fotoana ela be mialoha ny hidiranareo ao amin’ny IFM” (“Becoming a Missionary,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 45). Araka io foto-kevitra io, ny lesona tsirairay dia misy asa atolotra hatao mba hamporisihana ny misiônera miomana hanao asa fitoriana hanomboka hieritreritra sy hanao zavatra ary hanompo tahaka ny misiônera mialoha ny hidiran’izy ireo ny ivontoerana fanofanana ny misiônera. Ireo asa atao hita ao amin’io fizarana io dia mamporisika ireo mpianatra hampihatra any an-trano ny zavatra nianarany tao amin’ny kilasy. Misy fomba maro hampanaovana sy hanoroana hevitra an’ireo asa atao ireo. Ohatra, afaka mizara taratasy fizara ianao mandritra ny fampianarana voalohany izay ahitana ny lisitr’ireo asa asaina atao ho an’ny herinandro tsirairay amin’ny enim-bolana. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ihany koa ny lisitr’ireo asa atao amin’ny herinandro, na andefaso hafatra amin’ny sms na email isan-kerinandro ny mpianatrao.

Manapaha hevitra ny amin’izay ho ampianarinao sy ny fomba hampianarana izany

Safidio izay sosokevitra enti-mampianatra mifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra

Rehefa miomana hampianatra ianao, dia azonao apetraka amin’ny tenanao ireto fanontaniana ireto: Inona no fomba na asa fandalinana atao izay hanampy ireo mpianatro hahatakatra ny zavatra izay ilain’izy ireo ho fantatra? Inona no mety hanampy ireo mpianatro hamantatra sy hahatakatra ary hanazava ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny filazantsara? Inona no azoko atao mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo? Ahoana no ahafahako manampy ny mpianatra hampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo amin’ny fiainany?

Ity boky torolalana ity dia natao hanampiana anao amin’ny lamina fandrindrana ny lesona. Jereo tsara ny lesona. Safidio ny hevitra enti-mampianatra izay mifandray tsara amin’ny filàn’ny mpianatrao, ary ampifanaraho amin’ny fomba fampianaranao manokana izany. Ny Fanahy Masina no hitarika anao amin’ny fanaovana izany. Afaka misafidy ireo sosokevitra rehetra ao amin’ny boky na ny ampahan’izany ianao na afaka mampifanaraka ireo sosokevitra amin’ny zavatra ilaina sy ny zava-misy ao am-pianarana. Rehefa mamaritra ny fomba hampifanarahana ny lesona ianao dia aza adinoina ny manomana tsara izany ary avelao ny Fanahy Masina hitarika anao. Diniho ity torohevitra nomen’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Manangana aloha isika izay vao mampifanaraka. Raha toa isika ka miorina tsara ao amin’ilay lesona izay voatondro omentsika, dia afaka manaraka ny Fanahy avy eo mba hampifanaraka izany amin’izay ilaina” (“A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana an’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny filazantsara, 7 aôg, 2012], 6; si.lds.org).

Manome fahafahana ny mpianatra mba hampianatra

Iray amin’ireo zavatra tena manan-danja azonao atao amin’ny maha-mpampianatra an’ity taranja ity anao ny manome fahafahana be dia be an’ireo mpianatra mba hizatra hampianatra sy hijoro ho vavolombelona mandritra ny fotoam-pianarana, satria maro ireo tanora no tsy mahatoky tena amin’ny fampianarana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Omeo fahafahana hamaly fanontaniana sy hanazava ireo fahamarinana ara-pilazantsara amin’ny mpianatra hafa ary hampianatra ireo lesona misiônera hita ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ny mpianatra. Rehefa takatry ny misiônera miomana hanao asa fitoriana ny fomba itondran’ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ny olona mankany amin’ny famonjena dia hampianatra ny filazantsara amin-kitsimpo sy amin-kery bebe kokoa izy ireo.

Ankoatra ny fianarana ny zavatra ho lazaina sy atao, ny misiônera miomana hanao asa fitoriana dia tsy maintsy mianatra mifantoka amin’ny filàn’ny naman’ny Fiangonana sy mahafantatra amin’ny alalan’ny Fanahy ny zavatra ilain’ny naman’ny Fiangonana tsirairay mba hahafahany mandroso eo amin’ny lalan’ny fiovampo. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny faharetan’ny fiovampon’ny naman’ny Fiangonana iray dia tsy dia miankina loatra amin’ny zavatra lazaina sy ataon’ny misiônera fa amin’ny fampiharan’ny naman’ny fiangonana araka ny finoany. Ny misiônera tena mahomby indrindra dia mifantoka amim-pitandremana amin’ny zavatra lazaina sy ataon’ireo naman’ny Fiangonana ary avy eo dia manampy azy ireo amim-pitiavana handroso hankany amin’ny fiovampo.

Mamaritra ireo zavatra andrasana amin’ny mpianatra

Mety hanampy ireto sosokevitra manaraka ireto rehefa manomana sy mampianatra lesona ianao:

  • Asao ireo mpianatra mba hamaky fizarana ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izay azo ampiharina na hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana mialoha ny lesona tsirairay. Omeo ny mombamomba na drafitry ny fandaharam-pianarana ireo mpianatra amin’ny fiatombohan’ny fandaharam-pianarana izay manazava ny zavatra ho ampianarina mandritra ny fotoam-pianarana tsirairay sy ny zavatra tokony ho vakin’ny mpianatra ho fiomanana amin’ny lesona tsirairay. Ny mpianatra izay miomana manokana mialoha ny fotoana dia mety ho ampianarin’ny Fanahy Masina bebe kokoa mandritra ireo lesona.

  • Takio amin’ny mpianatra ny hahatontosany ny anjara asany amin’ny maha mpandranto fahalalana azy (jereo ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, 8, 18, 67).

  • Avelao ny mpianatra hahita fahamarinana ara-pilazantsara avy amin’ny tenany manokana. Mahazo hery ireo mpianatra rehefa tarihinao ao anatin’ilay dingan’ny fianarana izay mitovy amin’ny zavatra niainanao nandritra ny fanomanana ny lesona. Rehefa mahita fotopampianarana sy fitsipika avy amin’ny tenany manokana ireo mpianatra dia omeo fahafahana hanazava ireo fahamarinana ireo amin’ny alalan’ny fampiasany ny teniny manokana ary hizara sy hijoro ho vavolombelona mikasika ny zavatra izay fantany sy tsapany ary kasainy ho atao.

  • Mamoròna tontolo ahafahan’ny mpianatra mahatsapa ny Fanahin’ny Tompo rehefa mifampianatra izy ireo (jereo ny FF 88:78, 122).

  • Amporisiho ny mpianatra mba hitondra ny soratra masiny manokana sy ny boky Torio ny Filazantsarako ary ny diary fandalinana isaky ny fotoam-pianarana. Hazavao hoe inona izany diary fandalinana izany ary ahoana no fampiasana azy.

Rehefa manapa-kevitra ny amin’ny zavatra hampianarina sy ny fomba hampianarana izany ianao dia ataovy an’eritreritra ireto teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto:

“Nahatsikaritra toetra itovizan’ireo mpampianatra izay nampisy fiantraikany lehibe tamin’ny fiainako aho. Nanampy ahy hikatsaka fianarana tamim-pinoana izy ireo. Tsy nanaiky nanome valinteny mora ho ahy ho an’ireo fanontaniana sarotra izy ireo. Raha ny marina dia tsy nanome valinteny ho ahy mihitsy izy ireo. Naleon’izy ireo kosa nanazava ny fomba sy nanampy ahy hanao ireo dingana hahitako ireo valinteny ho an’ny tenako. Mazava ho azy fa tsy nankasitraka izany fomba fiasa izany mandrakariva aho, saingy ny zavatra niainako dia namela ahy hahatakatra fa mazàna ny valinteny omen’ny olona iray dia tsy tsaroana ela loatra, na tsy tadidy mihitsy. Fa ny valinteny hitantsika na azontsika amin’ny alalan’ny fampiharana finoana, araka ny mahazatra, dia tadidy mandritra ny androm-piainana” (“Seek Learning by Faith” [takariva niaraka tamin’ny Loholona David A. Bednar, 3 feb. 2006], 5; si.lds.org).

Asa atao enti-mampianatra

Misy fomba maro handaminana ireo asa atao enti-mampianatra ao an-dakilasy izay atolotra ao amin’ny fampahalalana ny lesona. Amin’ny ankapobeny dia manampy ny manovaova ny fandaminana ireo asa atao mba hanampiana ny mpianatra ho liana sy hifantoka hatrany. Ohatra, mandritra ny fanaovana tantara an-tsehatra dia asao ireo mpianatra mba hifandimby ho mampianatra sy ho naman’ny Fiangonana ary hanao fanamarihana raha ilaina. Afaka mandray anjara amin’ireo andraikitra ireo koa ianao raha ilaina.

Sary
fanehoana an-tsary vondrona 4
Sary
fanehoana an-tsary vondrona 2, 3

M = Misiônera; N = Naman’ny Fiangonana; Mp = Mpanao fanamarihana

Fomba fampiofanana

Azo ampifanarahana mba ho ampiasaina amin’ity fandaharam-pianarana ity ny fomba fampiofanana ampiasaina any amin’ny IFM mba hanampiana ireo mpianatra hampivoatra fahaiza-manao sy fahafaha-manao. Ireo singa ao amin’izany fomba izany dia mety ho ampiasaina amin’ny dingana rehetra ary azo averina mba hanatontosana tsara ilay tanjona hanampy ny mpianatra hivoatra amin’ny alalan’ny fanazaran-tena.

Manazava—Mampiseho—Manazatra tena—Manao fanamarihana—Mamerina manazatra tena

Manazava

Hazavao ireo hevitra sy fahaiza-manao izay tokony ho fantatry ny mpianatra, ary ampianaro azy ireo ny fomba hanatanterahan’ireo fahaiza-manao sy hevitra ireo ny tanjona amin’ny maha-misiônera.

Mampiseho

Manomeza ohatra ny amin’ny zavatra izay ataon’ny mpianatra. Azo atao amin’ny alalan’ny fampisehoana mivantana na horonantsary na fitaovana hafa izany.

Manazatra tena

Asaivo mampihatra ny fahaiza-manao tsiroaroa na ao amin’ny vondrona ny mpianatra.

Manao fanamarihana

Miaraka amin’ny hevitr’ireo mpianatra dia fantaro ireo zavatra tsara nataony sy ny fomba mety hampivoarany ny fahaiza-manaony. Omeo fankaherezana izy ireo.

Mamerina manazatra tena

Raha azo atao dia manomeza fotoana hamerenana ny fanazaran-tena.

Ny Asa Fitoriana en ligne

Amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno azy, ireo mpianatrao dia hampiasa ny Internet ho fitaovana entina mitory hitadiavana sy hifandraisana amin’ny naman’ny Fiangonana, hifandraisana amin’ny mpikambana, handraisana sy hifandraisana amin’ireo olona voaray anarana, hanaraha-maso ireo fanoloran-tena, hanamafisana ny fotoana nifanaovana, ary hampianarana ireo fitsipika ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Hanampy anao mba hamporisika ireo mpianatra hanomboka hizara ny filazantsara amin’ny fampiasana ireo fitaovana amin’ny Internet ireo sosokevitra isan-karazany ato amin’ity boky torolalana ity.

Amin’ny maha-mpampianatra anao an’ity taranja ity, dia mety hahazo tombontsoa amin’ny fitaovana elektronika ianao amin’ny firesahana amin’ny mpianatrao amin’ny alalan’ny sms na ny tambazotra ifaneraserana mandritra ny herinandro mba hanaraha-maso ireo asa nampanaovina tao an-dakilasy na hamporisihana azy ireo mba handalina mialoha ny handehanana ao an-dakilasy na hampahatsiahivana azy ireo mba hamaky isan’andro ny Bokin’i Môrmôna.

Mampifanaraka ny boky torolalana ho an’ny sembana

Rehefa mampianatra mpianatra manana fahasembanana dia azon’ny mpampianatra ampifanarahana amin’ny fahafahan’ny mpianatra ireo lesona. Ohatra, mba hampifanarahana ny lesona amin’ny mpianatra tsy afaka mamaky, dia azonao vakina mafy, na azonao asaina ireo mpianatra hamaky, na azonao ampiasaina ireo fitaovana efa voarakitra amin’ny raki-peo (toy ny soratra masina sy ny Torio ny Filazantsarako ary ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana amin’ny endrika feo na sary). Rehefa mitaky valinteny an-tsoratra ny lesona dia azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanome valinteny am-bava ho solon’izany. Mety hanampy ireo olona manana fahasembanana ny mpianatra hafa amin’ny alalan’ny famakiana ho azy ireo na amin’ny alalan’ny fanoratana ny valinteny ho azy ireo.

Mba hahazoana hevitra sy loharano fanampiny, dia jereo ny pejin’ny Loharanom-pahalalana mikasika ireo Manana Kilema ao amin’ny disabilities.lds.org sy ny fizarana antsoina hoe “Kilasy sy Fandaharam-pianarana Mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ireo Mpianatra manana Kilema” ao amin’ny boky torolalana mikasika ny fitsipika arahin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara.