Ny soratra masina
1 Nefia 20


Toko 20

Nanambara tamin’ny Isiraely ny zava-kinendriny ny Tompo—Efa nofinidy tao amin’ny memin’ny fahoriana i Isiraely ary handeha hiala an’i Babylona—Ampitahao amin’i Isaia 48. Tokony ho 588–570 taona talohan’i Kristy.

1 Mihainoa ka mandrenesa izao ry mpianakavin’i Jakoba, izay antsoina amin’ny anaran’i Isiraely sy mivoaka avy amin’ny ranon’i Joda na avy amin’ny ranon’ny batisa, izay mianiana amin’ny anaran’ny Tompo sy mankalaza ny Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy mianiana araka ny rariny na araka ny hitsiny izy.

2 Na dia eo aza izany, dia milaza ny tenany ho avy amin’ny tanàna masina izy, nefa tsy miantehitra amin’ny Andriamanitr’i Isiraely, dia ny Tompon’ny maro; eny, ny Tompon’ny maro no anarany.

3 Indro, efa nolazaiko hatrany am-piandohana ny zavatra taloha; ary niloaky ny vavako izany sady nasehoko. Nasehoko tampoka izany.

4 Ary nataoko izany noho ny fahalalako fa kirina ianao ka hoza-by ny hatokao ary varahina ny handrinao.

5 Ary efa voalazako anao na dia hatrany am-piandohana aza; nasehoko anao izany talohan’ny hahatongavany; ary nasehoko anao izany fandrao hiteny ianao hoe—Ny sampiko no efa nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika no efa nandidy izany.

6 Efa nahita sy nandre izany rehetra izany ianao; ary moa tsy hanambara izany va ianareo? Ary efa nasehoko anao ny zava-baovao hatramin’izao fotoana izao, na dia ny zava-miafina aza, ary tsy nahalala izany ianao.

7 Foronina izy ankehitriny fa tsy hatrany am-piandohana, na dia talohan’ny andro izay tsy nandrenesanao azy aza no efa nilazana azy anao, fandrao hiteny ianao hoe—Indro nahalala azy aho.

8 Eny, dia tsy nandre ianao; eny, tsy nahafantatra ianao; eny, tsy nosokafana ny sofinao hatramin’izany fotoana izany; satria nahafantatra Aho fa hamely am-pitaka tokoa ianao ary nantsoina hoe mpandika lalàna hatrany am-bohoka.

9 Kanefa noho ny anarako dia hampitony ny hatezerako Aho ary mba hiderana Ahy, dia handefitra aminao Aho mba tsy hamongorako anao.

10 Fa indro efa nanadio anao Aho, efa nifidy anao tao amin’ny memin’ny fahoriana Aho.

11 Noho ny Amiko, eny, noho ny Amiko no hanaovako izany, satria tsy havelako holotoina ny anarako ary tsy homeko ny hafa ny voninahitro.

12 Mihainoa Ahy ry Jakoba sy ry Isiraely izay nantsoiko fa Izaho no Izy; Izaho no voalohany ary Izaho koa no farany.

13 Ny tanako koa no efa nandatsaka ny fanambanin’ny tany ary ny tanako ankavanana no efa namelatra ny lanitra. Miantso azy ireo Aho, dia miara-mitsangana izy ireo.

14 Ianareo rehetra, mivoria ka mandrenesa; iza tamin’ireny no mba efa nilaza ireo zavatra ireo taminy? Efa notiavin’ny Tompo izy; eny, ary hotanterahiny ny teniny izay efa nolazainy tamin’ny alalan’izy ireo; ary hataony ny sitrapony amin’i Babylona ary hianjera amin’ny Kaldeana ny sandriny.

15 Hoy koa ny Tompo: Izaho Tompo, eny, Izaho no efa niteny; eny, efa niantso azy hilaza, efa nitondra azy Aho, ary hampahomby ny lalany izy.

16 Manatòna Ahy ianareo; tsy niteny an-kinafinafina aho; hatrany am-piandohana, hatramin’ny fotoana izay efa nilazana izany aho no efa niteny; ary ny Tompo Andriamanitra sy ny Fanahiny no efa naniraka ahy.

17 Ary izao no lazain’ny Tompo Mpanavotra anao, ny Iray Masin’ny Isiraely; efa naniraka azy Aho, ny Tompo Andriamanitrao izay mampianatra anao mba hahitanao soa, izay mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao, no efa nanao izany.

18 Inay ianao mba nihaino ny didiko—dia ho tonga tahaka ny renirano ny fiadananao ary ny fahamarinanao ho toy ny onjan-dranomasina.

19 Ho tahaka ny fasika ny taranakao; ho toy ny vovo-pasika ny haloaky ny kibonao; tsy hofongorana na holevonina eo anatrehako ny anarany.

20 Mandehana miala an’i Babylona ianareo, mandosira ny Kaldeana ianareo, lazao amin’ny feom-piderana, torio izao, ambarao hatrany am-paran’ny tany; lazao hoe: Efa nanavotra an’i Jakoba mpanompony ny Tompo.

21 Ary tsy nangetaheta izy ireo; nitondra azy namakivaky ny efitra Izy; nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy; nampitresaka koa ny vatolampy Izy, ary nigororoana ny rano.

22 Ary na dia nanao izany rehetra izany aza Izy, ary koa ny lehibe kokoa, dia tsy misy fiadanana ho an’ny olon-dratsy, hoy ny Tompo.