Ny soratra masina
1 Nefia 2


Toko 2

Nitondra ny ankohonany nankany an-tany foana amoron’ny Ranomasina Mena i Lehia—Nandao ny fananany izy ireo—Nanatitra sorona ho an’ny Tompo i Lehia sy nampianatra ny zanany lahy mba hitandrina ny didy—Nimonomonona manohitra an-drainy i Lamàna sy i Lemoela—Nankatò sy nivavaka tamim-pahatokiana kosa i Nefia; niteny taminy ny Tompo, ary nofidiana ho mpanapaka ny rahalahiny izy. Tokony ho 600 taona talohan’i Kristy.

1 Fa indro, ny zava-nitranga dia niteny tamin-draiko ny Tompo, eny, tamin’ny alalan’ny nofy izany ary nanao taminy hoe: Hotahiana ianao ry Lehia noho ny zavatra izay efa nataonao; ary satria nahatoky ianao sy nanambara tamin’ity vahoaka ity ny zavatra izay nandidiako anao, dia indro fa mitady ny hanala ny ainao izy.

2 Ary ny zava-nitranga dia nandidy an-draiko ny Tompo, na dia tamin’ny nofy aza, ny hakany ny ankohonany sy hiaingany mankany an-tany foana.

3 Ary ny zava-nitranga dia nankatò ny tenin’ny Tompo izy, ka dia nanao araka ny nandidian’ny Tompo azy.

4 Ary ny zava-nitranga dia niainga izy hankany an-tany foana. Ary nilaozany ny tranony sy ny tany lovany, ary ny volamenany sy ny volafotsiny ary ny zava-tsarobidiny, ary tsy nitondra na inona na inona niaraka taminy izy afa-tsy ny ankohonany sy ny vatsy ary ny lay, ary dia niainga izy hankany an-tany foana.

5 Ary nidina izy nanaraka ny sisintany akaikin’ny moron’ny Ranomasina Mena; ary nandeha tany an-tany foana izy nanaraka ny sisin-tany izay akaiky kokoa ny Ranomasina Mena; ary izy dia nandeha tany an-tany foana niaraka tamin’ny ankohonany izay nahitana an’i Sarià reniko sy ny zokiko lahy, dia i Lamàna sy i Lemoela ary i Samy.

6 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nandeha nandritra ny telo andro tany an-tany foana izy, dia nanangana ny lainy teo an-dohasaha iray amoron’ny renirano iray.

7 Ary ny zava-nitranga dia nanangana alitara vato izy ary nanao fanatitra ho an’ny Tompo sy nanolotra fisaorana ho an’ny Tompo Andriamanitray.

8 Ary ny zava-nitranga dia nantsoiny hoe Lamàna ny anaran’ny renirano ary izany dia nivarina tany amin’ny Ranomasina Mena; ary ny lohasaha dia tao amin’ny sisin-tany nifanila tamin’ny vinany.

9 Ary nony nahita ny raiko fa ny renirano dia nivarina tany amin’ny loharanon’ny Ranomasina Mena, dia niteny tamin’i Lamàna izy hoe: Enga anie ianao ka ho tahaka ity renirano ity, hikoriana mandrakariva mankany amin’ny loharanon’ny fahamarinana rehetra!

10 Ary niteny koa tamin’i Lemoela izy hoe: Enga anie ianao ka ho tahaka ity lohasaha ity, mafy sy maharitra ary mifototra amin’ny fitandremana ny didin’ny Tompo!

11 Ankehitriny dia izany no noteneniny noho ny hamafy hatok’i Lamàna sy i Lemoela; fa indro izy ireo dia nimonomonona tamin-javatra maro nanohitra an-drainy, noho izy olon’ny fahitana, ka efa nitondra azy ireo niala ny tanin’i Jerosalema, nandao ny tany lovany sy ny volamenany sy ny volafotsiny ary ny zava-tsarobidiny mba ho faty aty an-tany foana. Ary izany, hoy ireo, dia noho ny hadalan’ny fisaintsainan’ny fony.

12 Ary dia toy izany no nimonomononan’i Lamàna sy i Lemoela izay zokiny indrindra, tamin-drainy. Izy ireo dia nimonomonona, satria tsy fantany ny fitondran’ilay Andriamanitra izay efa nahary azy ireo.

13 Tsy nino koa izy ireo fa i Jerosalema, ilay tanàna lehibe, dia azo ravana araka ny tenin’ny mpaminany. Ary izy ireo dia tahaka ny Jiosy tao Jerosalema izay nitady ny hanala ny ain’ny raiko.

14 Ary ny zava-nitranga dia niteny taminy tao an-dohasahan’i Lemoela tamin-kery ny raiko rehefa heniky ny Fanahy, mandra-pihovitrovitry ny vatan’izy ireo teo anoloany. Ary dia nataony nangaihay ireo, ka tsy sahy niteny nanohitra azy; noho izany izy ireo dia nanao araka izay nandidiany azy ireo.

15 Ary nitoetra tanaty lay ny raiko.

16 Ary ny zava-nitranga dia izaho Nefia izay mbola tena tanora tokoa dia lava ranjanana kosa, ary koa efa nanam-paniriana lehibe ny hahafantatra ny mistery momba an’ Andriamanitra, noho izany aho dia nitalaho tamin’ny Tompo; ary indro Izy tonga namangy ahy sy nampahalefaka ny foko hany ka nino ny teny rehetra izay efa nolazain-draiko aho; koa tsy nikomy taminy tahaka ny rahalahiko aho.

17 Ary niteny tamin’i Samy aho, nampahafantatra azy ny zavatra izay efa nasehon’ny Tompo ahy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ary ny zava-nitranga dia nino ny teniko izy.

18 Nefa indro i Lamàna sy i Lemoela dia tsy te hihaino ny teniko; ary rehefa nalahelo aho noho ny hamafin’ny fony, dia nitalaho tamin’ny Tompo aho ho azy ireo.

19 Ary ny zava-nitranga dia niteny tamiko ny Tompo, nanao hoe: Hotahiana ianao ry Nefia noho ny finoanao fa efa nikatsaka Ahy tamim-pahazotoana tokoa ianao, niaraka tamin’ny fietren’ny fonao.

20 Ary, raha mbola mitandrina ny didiko ianao dia hambinina ary hoentina mankany amin’ny tany nampanantenaina iray; eny, dia any amin’ny tany izay efa nomaniko ho anao; eny, any amin’ny tany izay nofinidy tambonin’ny tany hafa rehetra.

21 Ary raha mbola mikomy manohitra anao ny rahalahinao dia hoesorina tsy ho eo anatrehan’ny Tompo izy ireo.

22 Ary raha mbola mitandrina ny didiko ianao dia hatao mpifehy sy mpampianatra ny rahalahinao.

23 Fa indro, amin’izany andro izay hikomiany Amiko izany, dia hozoniko izy ireo, dia amin’ny ozona mafy, ka tsy hanan-kery amin’ny taranakao izy ireo raha tsy hoe hikomy Amiko koa izy.

24 Ary raha toa ka mikomy Amiko izy, dia ho karavasy ho an’ny taranakao izy ireo, ka hanaitra azy ho amin’ny lalan’ny fahatsiarovana.