Ny soratra masina
1 Nefia 7


Toko 7

Niverina tany Jerosalema ireo zanakalahin’i Lehia ary nanasa an’i Ismaela sy ny ankohonany mba hiara-dia aminy—Nikomy i Lamàna sy ny hafa—Namporisika ny rahalahiny i Nefia mba hanam-pinoana ny Tompo—Nafatotr’izy ireo tamin’ny tady izy ary notetehiny ny hamono azy—Ny herin’ny finoana no nahafaka azy—Nangataka famelana ny rahalahiny—Nanolotra fanatitra sy fanatitra ho dorana i Lehia sy ny mpiaradia aminy. Tokony ho 600–592 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny, dia mba tiako ny hahafantaranareo fa rehefa avy namarana ny faminaniany momba ny taranany i Lehia raiko, ny zava-nitranga dia mbola niteny taminy indray ny Tompo, nilaza fa tsy tsara ho azy, Lehia, ny hitondrany ny ankohonany samirery any an-tany foana; fa tokony hampakatra tovovavy ho vadiny ny zanany lahy mba hahazoany manangana taranaka ho an’ny Tompo any amin’ny tany nampanantenaina.

2 Ary ny zava-nitranga dia nandidy azy ny Tompo ny hampiverina anay, izaho Nefia sy ireo rahalahiko, any an-tanin’i Jerosalema ary hitondranay an’i Ismaela sy ny ankohonany midina aty an-tany foana.

3 Ary ny zava-nitranga dia nandeha indray nankany an-tany foana izaho Nefia niaraka tamin’ny rahalahiko mba handeha hiakatra any Jerosalema.

4 Ary ny zava-nitranga dia nandeha niakatra tao an-tranon’i Ismaela izahay ary nahita sitraka teo imason’i Ismaela izahay hany ka nolazainay azy ny tenin’ny Tompo.

5 Ary ny zava-nitranga dia nanalefaka ny fon’i Ismaela ary koa ny an’ny ankohonany ny Tompo ka niara-nandeha nidina taminy tany an-tany foana izy ireo hankany amin’ny lain-drainay.

6 Ary ny zava-nitranga, raha mbola nandeha tany an-tany foana izahay, dia indro i Lamàna sy i Lemoela ary ny zanakavavin’i Ismaela roa sy ny zanakalahin’i Ismaela roa ary ny ankohonany dia nikomy nanohitra anay; eny, nanohitra ahy Nefia sy i Samy, ary i Ismaela rainy izy ireo sy ny vadiny, ary ny zanany vavy telo hafa.

7 Ary ny zava-nitranga, tamin’izany fikomiana izany, dia naniry ny hiverina any an-tanin’i Jerosalema izy ireo.

8 Ary ankehitriny, noho izaho Nefia nalahelo noho ny hamafin’ny fony, dia niteny taminy aho, eny na dia tamin’i Lamàna sy tamin’i Lemoela aza, nanao hoe: Indro, rahalahiko sady zokiko ianareo, kanefa nahoana no dia mafy fatratra ny ao am-ponareo ary jamba izaitsizy ny ao an-tsainareo, ka mila ahy zandrinareo lahy ianareo mba hiteny anareo, eny, ary hanome ohatra anareo?

9 Nahoana no tsy mba nihaino ny tenin’ny Tompo ianareo?

10 Ahoana no nanadinoanareo fa efa nahita anjelin’ny Tompo iray ianareo?

11 Eny, ahoana no nanadinoanareo ny maha-lehibe ny zavatra izay efa nataon’ny Tompo tamintsika, tamin’ny nanafahany antsika teo an-tanan’i Labàna ary koa ny nahazoantsika ny rakitsoratra?

12 Eny, ahoana no efa nanadinoanareo fa ny Tompo dia mahay manao ny zavatra rehetra ho an’ny zanak’olombelona, araka ny sitrapony, raha toa ka mampihatra ny finoany Azy izy? Noho izany, aoka isika ho mahatoky Aminy.

13 Ary raha toa ka mahatoky Aminy isika dia ho azontsika ny tany nampanantenaina; ary ho fantatrareo amin’ny fotoana ho avy fa tsy maintsy ho tanteraka ny tenin’ny Tompo momba ny fandravana an’i Jerosalema; fa tsy maintsy ho tanteraka ny zavatra rehetra izay efa nolazain’ny Tompo momba ny fandravana an’i Jerosalema.

14 Fa indro, mitsahatra tsy hiara-miady aminy ny Fanahin’ny Tompo ato ho ato; satria, indro, efa notsipahiny ny mpaminany ary i Jeremia efa naidiny an-tranomaizina. Ary efa notadiaviny ny hanala ny ain’ny raiko, hany ka efa noroahany izy hiala ny tany.

15 Ankehitriny indro lazaiko aminareo fa raha miverina any Jerosalema ianareo dia ho faty miaraka aminy koa. Ary ankehitriny, raha manan-tsafidy ianareo, dia mandehana miakatra ny tany ary tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo, fa raha mankany ianareo dia ho faty koa; fa izany no itaoman’ny Fanahin’ny Tompo ahy mba hoteneniko.

16 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia, rehefa avy nilaza ireo teny ireo tamin’ny rahalahiko dia tezitra tamiko izy ireo. Ary ny zava-nitranga dia nosamboriny aho, fa indro tezitra izaitsizy izy ireo, ary nafatony tamin’ny tady, satria notadiaviny ny hanala ny aiko sy ny hahazoana mamela ahy aty an-tany foana hoviravirain’ny bibidia.

17 Nefa ny zava-nitranga dia nivavaka tamin’ny Tompo aho, nanao hoe: Tompo ô, araka ny finoako izay ao Aminao dia Ianao anie hanafaka ahy eo an-tanan’ny rahalahiko; eny, omeo hery aho hahazoako manapatapaka ireto tady izay ifatorako ireto.

18 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nilaza ireo teny ireo aho, dia indro nivaha niala ny tanako sy ny tongotro ny fatotra ary nitsangana teo anoloan’ny rahalahiko aho ary niteny taminy indray.

19 Ary ny zava-nitranga dia tezitra tamiko indray izy, ary nitady ny hisambotra ahy; nefa indro, nitalahoan’ny zanakavavin’i Ismaela iray, eny, mbamin-dreniny sy ny zanakalahin’i Ismaela iray ny rahalahiko, hany ka nihanalefaka ny fony; ary dia natsahany ny fiezahana hanala ny aiko.

20 Ary ny zava-nitranga dia feno alahelo izy ireo, noho ny faharatsiany, hany ka niankohoka teo anoloako sy nitalaho ahy mba hamelako azy ireo tamin’ny zavatra izay efa nataony tamiko.

21 Ary ny zava-nitranga dia namela azy ireo tsy an-kifonofono aho tamin’izay rehetra efa nataony sy namporisika azy ireo mba hivavahany amin’ny Tompo Andriamaniny ho famelana ny helony. Ary ny zava-nitranga dia nataony izany. Ary nony efa vita ny vavaka nataony tamin’ny Tompo, dia nanohy indray ny dianay nankany amin’ny lain-drainay izahay.

22 Ary ny zava-nitranga dia nidina nankany amin’ny lain-drainay izahay. Ary nony efa tafidina tany amin’ny lain-drainay izaho sy ny rahalahiko ary ny mpianakavin’i Ismaela rehetra, dia nanolotra fisaorana ho an’ny Tompo Andriamaniny izy ireo; ka nanolotra fanatitra sy fanatitra ho dorana ho Azy izy ireo.