Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanambadiana


Fanambadiana

Fanekempihavanana ara-dalàna na fifanekena eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ka mahatonga azy ireo ho mpivady. Andriamanitra no nanendry ny fanambadiana (F&F 49:15).

Fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana

Ny fanambadiana notanterahina teo ambanin’ny lalànan’ny filazantsara sy ny fisoronana masina dia ho an’izao fiainana izao sy mandrakizay. Ireo lehilahy sy vehivavy mendrika izay nofehezina ho mpivady tany amin’ny tempoly dia afaka hitoetra ho mpivady mandrakizay.

Fifanambadian’ny samy hafa finoana

Fifanambadian’ny lehilahy sy ny vehivavy iray izay tsy mitovy finoana sy fombafombam-pivavahana.

Fampakarana vady maro

Fanambadian’ny lehilahy iray vehivavy roa na mihoatra izay samy mbola velona. Ara-dalàna ny tsy hananan’ny lehilahy iray afa-tsy vady tokana raha tsy hoe mandidy ny mifanohitra amin’izany amin’ny alalan’ny fanambarana ny Tompo (Jkb. 2:27–30). Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha sy tamin’ny fanombohan’ny fiangonana naverina ho amin’ny laoniny dia notanterahina tamin’ny alalan’ny fanambarana teo ambany fitarihan’ny mpaminany izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ny fampakarana vady maro (F&F 132:34–40, 45). Tsy atao intsony izany ao amin’ny fiangonana (FÔ 1). Ankehitriny, ny fananana vady mihoatra ny iray, dia tsy afa-miaraka amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.