Ny soratra masina
2 Nefia 12


Toko 12

Nahita ny tempolin’ny andro farany, ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fitsarana ary ny fandriampahalemana tamin’ny arivotaona i Isaia—Haetry ny mpiavonavona sy ny olon-dratsy amin’ny Fiaviana Fanindroany—Ampitahao amin’i Isaia 2. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ny teny izay nahitan’i Isaia, zanakalahin’i Amôza, ny momba an’i Joda sy i Jerosalema:

2 Ary ny zavatra hitranga amin’ny andro farany, rehefa haorina eo an-tampon- tendrombohitra ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo ary hasandratra ho ambonin’ny havoana ka hitanjozotra hankany ny firenen-drehetra.

3 Ary hiainga ny vahoaka maro ka hiteny hoe, Avia ianareo, aoka isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo, hankany an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakoba; dia hampianatra antsika ny lalany Izy, ary handeha amin’ny lalany isika; fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’ny Tompo.

4 Ary hitsara eo anivon’ny firenena Izy sy handevilevy ny vahoaka maro: Dia hanefy ny sabany ho fangady tarihina ireo, ary ny lefony ho antsy fandratsanana—ny firenena iray tsy hanainga sabatra hamely ny firenena hafa sady tsy hianatra ady intsony izy.

5 Ry mpianakavin’i Jakoba, avia ianareo ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’ny Tompo; eny, avia, fa efa nania ianareo rehetra, ny tsirairay tamin’ny lalan-dratsiny.

6 Koa, efa nahafoy ny olonao Ianao ry Tompo, dia ny mpianakavin’i Jakoba, satria tototry ny fomba avy any atsinanana izy ary mihaino ny ombiasy toy ny Filistina sady finaritra ny tenany amin’ny fanaon’ny zana-bahiny.

7 Feno volamena sy volafotsy koa ny taniny sady tsy hita lany ny hareny; feno soavaly koa ny taniny sady tsy hita lany ny kalesiny.

8 Feno sampy koa ny taniny; ny asan’ny tanany ihany no iankohofany, izay namboarin’ny rantsantanany ihany.

9 Ary tsy hitanondrika ny iva razana ary tsy hanetry ny tenany ny avo razana, koa aza avela ny helony.

10 Ry ratsy fanahy, midira ao amin’ny vatolampy ary miere ianao ao amin’ny vovoka fa hamely anao ny fatahorana ny Tompo sy ny voninahitry ny fiandrianany.

11 Ary ny zavatra hitranga dia hatanondrika ny fiavonavom-pijerin’ny olona ary haetry ny fihamboan’ny olona, ary ny Tompo irery no hasandratra amin’izany andro izany.

12 Satria tonga tsy ho ela, amin’ny firenen-drehetra, ny andron’ny Tompon’ny maro, eny, amin’ny tsirairay avy; eny, amin’ny mpiavonavona sy ny mpieboebo ary amin’izay manandra-tena rehetra fa haetry izy.

13 Eny, ary ny andron’ny Tompo dia ho tonga amin’ny sedera rehetra any Libanona, satria avo ireo sady manerinerina; sy amin’ny hazo oaka rehetra any Basana;

14 Sy amin’ny tendrombohitra avo rehetra sy amin’ny havoana rehetra sy amin’ny firenena rehetra izay miavonavona ary amin’ny vahoaka rehetra;

15 Sy amin’ny tilikambo miringiringy rehetra ary amin’ny manda mafy rehetra;

16 Sy amin’ny sambon-dranomasina rehetra ary amin’ny sambon’i Tarsisy rehetra sy amin’ny sary mahafinaritra rehetra.

17 Ary haetry ny fireharehan’ny olona ka haidina ambany ny fihamboan’ny olona; ary ny Tompo irery no hasandratra amin’izany andro izany.

18 Ary holevoniny tanteraka ny sampy.

19 Ary hiditra any an-dava-bato sy anaty zohin’ny tany izy, satria ho tonga aminy ny fahatahorana ny Tompo ary hamely azy ny voninahitry ny fiandrianany, rehefa hitsangana Izy hampihorohoro izaitsizy ny tany.

20 Amin’izany andro izany dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny ramanavy ny sampy volafotsiny sy ny sampy volamenany izay efa namboariny ho azy ihany mba hiankohofany;

21 Mba hidirany any an-tsefatsefaky ny vatolampy sy eo an-tampon’ny vatolampy mitringitringy, satria ho tonga aminy ny fahatahorana ny Tompo ary hamely azy ny voninahitry ny fiandrianany, rehefa hitsangana Izy hampihorohoro izaitsizy ny tany.

22 Atsaharonareo ny fitokiana amin’olona izay eo amin’ny vavorony ny fofon’ainy; fa mba manan-danja toa inona moa izy?