Ny soratra masina
3 Nefia 27


Toko 27

Nodidin’i Jesoa izy hiantso ny Fiangonana amin’ny Anarany—Ny Asa nanirahana Azy sy ny Sorompanavotany no iorenan’ny Filazantsarany—Nodidina ny olona hibebaka sy hatao batisa mba hahazoana manamasina azy amin’ny Fanahy Masina—Tokony ho toa an’i Jesoa izy. Tokony ho 34–35 taona taorian’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga, raha nandeha ny mpianatr’i Jesoa ary nitory ny zavatra izay sady efa hitany no reny ary nanao batisa tamin’ny anaran’i Jesoa, ny zava-nitranga dia niara-tafavory ny mpianatra ary tafaray tamin’ny vavaka mahery ary ny fifadian-kanina.

2 Ary naneho ny tenany taminy indray i Jesoa, satria nivavaka tamin’ny Ray tamin’ny Anarany izy; dia tonga i Jesoa ary nijoro teo afovoany sy nanao taminy hoe: Inona no tianareo homeko anareo?

3 Ary hoy ireo Taminy: Tompo ô, mba tianay ny hilazanao aminy ny anarana izay hiantsoanay ity fiangonana ity; fa misy fifanjihirana eo anivon’ny vahoaka momba izany zavatra izany.

4 Ary hoy ny Tompo taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, nahoana ny vahoaka no mimonomonona sy mifanjihitra noho izany zavatra izany?

5 Tsy efa novakiany va ny soratra masina, izay milaza fa ianareo dia tsy maintsy mitondra eo aminareo ny anaran’i Kristy, dia ny anarako? Fa amin’izany anarana izany no hiantsoana anareo amin’ny andro farany;

6 Ary na zovy na zovy no mitondra eo aminy ny anarako sy maharitra hatramin’ny farany dia izy no hovonjena amin’ny andro farany.

7 Koa, na inona na inona hataonareo, dia hataonareo amin’ny anarako izany; koa, hantsoinareo amin’ny anarako ny fiangonana; ary hantsoinareo amin’ny anarako ny Ray mba hitahiany ny fiangonana noho ny Amiko.

8 Ary ahoana no maha-fiangonako azy raha tsy antsoina amin’ny anarako izy? Fa raha antsoina amin’ny anaran’i Mosesy ny fiangonana iray, dia fiangonan’i Mosesy izy amin’izany; na raha antsoina amin’ny anaran’ny olona iray izy, dia fiangonan’io olona io izy amin’izany; fa raha antsoina amin’ny anarako kosa izy, dia fiangonako izy amin’izany, raha toa izy ireo ka miorina amin’ny filazantsarako.

9 Lazaiko aminareo marina tokoa, fa miorina amin’ny filazantsarako ianareo; koa na inona na inona zavatra hantsoinareo, dia hantsoinareo amin’ny anarako; koa raha miantso ny Ray ho an’ny fiangonana ianareo, raha toa ka amin’ny anarako izany dia hihaino anareo ny Ray;

10 Ary raha toa ka miorina amin’ny filazantsarako ny fiangonana, dia amin’izay ny Ray no haneho ny asany ao aminy.

11 Nefa raha tsy miorina amin’ny filazantsarako izy, ary miorina kosa amin’ny asan’ny olona, na amin’ny asan’ny devoly, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa manam-pifaliana amin’ny asany izy ireo mandritra ny vanim-potoana iray, ary tsy ho ela dia tonga ny farany, ary kapaina izy ireo ary atsipy any anaty afo izay tsy misy fiverenana avy any.

12 Fa ny asany dia manaraka azy ireo, fa kapaina izy ireo noho ny asany; koa tsarovy ny zavatra izay efa noteneniko anareo.

13 Indro efa nomeko anareo ny filazantsarako, ary izao no filazantsara izay efa nomeko anareo—fa tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy.

14 Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazofijaliana; ary taorian’ny efa nanandratana Ahy teo amin’ny hazofijaliana, dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko, ka toy ny efa nanandratan’ny olona Ahy, dia toy izany koa no hanandratan’ny Ray ny olona hijoro eo anoloako mba hotsaraina amin’ny asany, na tsara izany na ratsy—

15 Ary noho izany antony izany no efa nanandratana Ahy; koa, araka ny fahefan’ny Ray, dia hosintoniko ny olon-drehetra hankaty Amiko mba ho azo tsaraina araka ny asany izy ireo.

16 Ary ny zavatra hitranga dia na zovy na zovy no mibebaka sy atao batisa amin’ny anarako dia ho henika; ary raha maharitra hatramin’ny farany izy, dia indro, izy no hotanako tsisy tsiny eo anoloan’ny Raiko amin’io andro io rehefa hitsangana Aho hitsara izao tontolo izao.

17 Ary izay tsy maharitra hatramin’ny farany, dia izy no hokapaina sy hatsipy any anaty afo, izay tsy hahafahany miverina intsony avy any, noho ny fahamarinan’ny Ray.

18 Ary izany no teny izay efa nomeny ho an’ny zanak’olombelona. Ary noho izany antony izany dia manatanteraka ny teny izay efa nomeny Izy, ary tsy mandainga Izy, fa manatanteraka kosa ny teniny rehetra.

19 Ary tsy misy zavatra tsy madio afaka miditra ao amin’ny fanjakana; koa tsy misy na inona na inona miditra ao amin’ny fitsaharany afa-tsy ireo izay efa nanasa ny fitafiany tamin’ny rany, noho ny finoany sy ny fibebahana tamin’ny fahotany rehetra ary ny fahatokiany hatramin’ny farany.

20 Ankehitriny dia izao no didy: Mibebaha, ianareo rehetra faran’ny tany, ary mankanesa aty Amiko ary aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany.

21 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izany no filazantsarako; ary fantatrareo ny zavatra izay tsy maintsy ataonareo ao amin’ny fiangonako; fa ny asa izay efa hitanareo nataoko no hataonareo koa; fa izay efa hitanareo nataoko dia izany no hataonareo;

22 Koa hotahiana ianareo raha manao ireo zavatra ireo, fa hasandratra ianareo amin’ny andro farany.

23 Soraty ny zavatra izay efa hitanareo sy renareo, afa-tsy ireo izay voarara.

24 Soraty ny asan’ity vahoaka ity, izay hisy, tahaka ny efa nanoratana ny amin’izay efa nisy.

25 Fa indro, avy amin’ny boky izay efa nosoratana sy izay hosoratana no hitsarana ity vahoaka ity, fa amin’ny alalan’ireny no hahafantaran’ny olona ny asany.

26 Ary indro, ny zavatra rehetra dia soratan’ny Ray; koa avy amin’ny boky izay hosoratana no hitsarana izao tontolo izao.

27 Ary fantaro fa ianareo no ho mpitsaran’ity vahoaka ity, araka ny fitsarana izay homeko anareo, izay ho marina. Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy.

28 Ary ankehitriny Aho dia mandeha any amin’ny Ray. Ary lazaiko aminareo marina tokoa, na inona na inona zavatra hangatahinareo ny Ray amin’ny anarako dia homena anareo.

29 Koa, mangataha dia handray ianareo; dondòny dia hovohana ianareo; fa izay mangataka no mahazo; ary izay mandondona no hovohana.

30 Ary ankehitriny, indro, lehibe ny fifaliako, hatrany amin’ny fahafenoana aza, noho ny aminareo sy ity taranaka ity koa; eny, ary na dia ny Ray aza dia mifaly, ary ny anjely masina rehetra koa, noho ny aminareo sy ity taranaka ity; fa tsy misy very aminy.

31 Indro, mba tiako ho takatrareo; fa ny tiako holazaina dia ireo izay velona ankehitriny amin’ity taranaka ity; ary tsy misy very aminy; ary ao aminy no ananako ny fahafenoan’ny fifaliana.

32 Nefa indro, onena Aho noho ny amin’ny taranaka fahefatra aorian’ity taranaka ity, satria entina ho babo izy ireo, dia tahaka ny nanjo ny zanaky ny fahaverezana; fa izy ireo dia hivarotra Ahy noho ny volafotsy sy noho ny volamena, ary noho izay simban’ny kalalao sy izay azon’ny mpangalatra tamin’ny sy angalarina. Ary amin’izany andro izany Aho dia hamangy azy ireo, amin’ny famaliana ny asany eo ambony lohany ihany.

33 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy namarana ireo filazan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fiainana, ary misy vitsy izay mahita izany; fa midanadana kosa ny vavahady, ary migodana ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fahafatesana, ary misy maro izay mandeha mankany, ambara-pahatongan’ny alina izay tsy ahafahan’ny olona miasa.