Ny soratra masina
Almà 6


Toko 6

Voadio sy voalamina ny fiangonana tao Zarahemlà—Nandeha tany Gideôna i Almà mba hitory. Tokony ho 83 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, rehefa avy namarana ny fitenenany tamin’ny vahoakan’ny fiangonana izay efa niorina tao an-tanànan’i Zarahemlà i Almà, dia nanokana mpisorona sy loholona izy tamin’ny alalan’ny fametraha-tanana, araka ny lamin’ Andriamanitra, mba hitarika sy hitandrina ny fiangonana.

2 Ary ny zava-nitranga dia na zovy na zovy no tsy isan’ny fiangonana, kanefa nibebaka tamin’ny fahotany, dia natao batisa ho amin’ny fibebahana ary noraisina ho isan’ny fiangonana.

3 Ary ny zava-nitranga koa dia na zovy na zovy no isan’ny fiangonana, kanefa tsy nibebaka tamin’ny faharatsiany sy tsy nanetry ny tenany teo anoloan’ Andriamanitra—ny tiako holazaina dia ireo izay nanandra-tena tao amin’ny avonavon’ny fony—ireo no nolavina, ary novonoina ny anarany, ka ny anarany dia tsy nisaina teo anivon’ny an’ny marina.

4 Ary dia toy izany no nanombohan’izy ireo nanorina ny lamin’ny fiangonana tao an-tanànan’i Zarahemlà.

5 Ankehitriny, dia mba tiako ny hahatakaranareo fa ny tenin’ Andriamanitra dia nisokatra ho an’ny rehetra, ka tsy nesorina na tamin’iza na tamin’iza ny zo hivory mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra.

6 Na dia teo aza izany, ny zanak’ Andriamanitra dia nodidina mba hiara-mivory matetika sy hiombona amin’ny fifadian-kanina sy ny faherezana mivavaka ho fiadanan’ny fanahin’ireo izay tsy nahalala an’ Andriamanitra.

7 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, rehefa avy nanao ireo rafi-pitondrana ireo i Almà, dia nilaozany izy ireo, eny, nilaozany ny fiangonana izay tao an-tanànan’i Zarahemlà, ary nandeha tany atsinanan’ny renirano Sidôna izy, nankany an-dohasahan’i Gideôna izay nisy tanàna iray naorina, izay nantsoina hoe: ny tanànan’i Gideôna, izay tao an-dohasaha izay nantsoina hoe Gideôna, rehefa nantsoina araka ny anaran’ilay lehilahy izay novonoin’ny tànan’i Nehôra tamin-tsabatra.

8 Ary nandeha i Almà sy nanomboka nilaza ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny fiangonana izay efa niorina tao an-dohasahan’i Gideôna, araka ny fanambarana ny fahamarinan’ny teny izay efa nolazain’ny razany sy araka ny fanahin’ny faminaniana izay tao aminy, araka ny fanambaran’i Jesoa Kristy, ny Zanak’ Andriamanitra, izay ho avy mba hanavotra ny olony amin’ny fahotany, ary ny lamina masina izay efa niantsoana azy. Ary dia toy izany no voasoratra. Amena.