Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanesorana tsy ho Mpikambana


Fanesorana tsy ho Mpikambana

Ny fanesorana tsy ho mpikambana no fepetran’ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana henjana indrindra. Ny olona iray izay esorina tsy ho mpikambana dia tsy mpikamban’ny Fiangonana intsony. Ireo manampahefan’ny Fiangonana dia tsy manaisotra olona hiala amin’ny Fiangonana raha tsy efa nifidy ny hiaina mifanohitra amin’ny didin’ny Tompo izy ka nametraka ny tenany noho izany tsy ho mpikambana intsony ao amin’ny Fiangonana.