Ny soratra masina
Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna


Ny
Bokin’i Môrmôna

Fitantarana nosoratan’
ny tanan’i Môrmôna
tamin’ny takelaka nalaina
avy tamin’ny takelak’i Nefia

Araka izany, ity dia famintinana ny rakitsoratry ny olon’i Nefia, ary koa ny an’ny Lamanita—Nosoratana ho an’ny Lamanita izay sisa tavela tamin’ny mpianakavin’i Isiraely; ary koa ho an’ny Jiosy sy ny Jentilisa—Nosoratana araka ny didy ary koa araka ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana—Nosoratana sy nofehezina ary nafenina ho an’ny Tompo izany mba tsy ho azo potehina—Mba havoaka noho ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny amin’ny alalan’ny fandikana—Nofehezin’ny tànan’i Môrônia, ary nafenina ho an’ny Tompo mba havoaka amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny alalan’ny Jentilisa—Ny fandikana izany dia tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra.

Ny famintinana iray nalaina tao amin’ny Bokin’i Etera koa izay rakitsoratry ny olon’i Jareda, izay naely patrana tamin’ny fotoana nanorokoroan’ny Tompo ny fitenin’ny olona raha mbola teo am-pananganana tilikambo iray hanatrarany ny lanitra izy—Dia ny mba hampisehoana amin’ny sisa tavela tamin’ny mpianakavin’i Isiraely, ny maha-lehibe ny zavatra efa nataon’ny Tompo ho an’ny razany; sy ny hahafantarany ny fanekempihavanan’ny Tompo, mba tsy holavina mandrakizay izy. Ary koa ny mba handresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay, izay maneho ny tenany amin’ny firenena rehetra—Ary ankehitriny, raha misy hadisoana, dia hadisoan’ny olona izany; noho izany dia aza maniny ny zavatr’ Andriamanitra mba ho hita tsisy pentina ianareo eo amin’ny toeram-pitsaran’i Kristy.

Fandikana ifotony avy tamin’ny takelaka ho amin’ny
teny Anglisy nataon’i Joseph Smith zanany