Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105


Fizarana 105

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany teo amin’ny Renirano Fishing, Missouri, ny 22 jona 1834. Teo ambany fitarihan’ny Mpaminany dia nandeha nankany Missouri ireo Olomasina avy tany Ohio sy faritra hafa, andian’olona nanao dia izay nantsoina hoe Tobin’i Ziona taty aoriana. Ny tanjon’izy ireo dia ny hitondra ireo Olomasina voaroaka avy tany Missouri hiverina any amin’ny taniny any amin’ny Fivondronan’i Jackson. Natahotra ny valifaty avy amin’ny Tobin’i Ziona ireo mponina tao Missouri, izay nanenjika ireo Olomasina teo aloha, ka nanafika mialoha ireo Olomasina sasany nipetraka tany amin’ny Fivondronan’i Clay, Missouri. Nahazo ity fanambarana ity i Joseph Smith taorian’ny nisintonan’ny governoran’i Missouri ilay fampanantenany hanohana ireo Olomasina.

1–5, Ziona dia haorina amin’ny fanarahana ny lalàna selestialy; 6–13, Ahemotra mandritra ny fotoana fohy ny fanavotana an’i Ziona; 14–19, Ny Tompo no hiady ny adin’i Ziona; 20–26, Tokony ho hendry ka tsy hirehareha ny amin’ny asa mahagaga ny Olomasina rehefa mivory; 27–30, Tokony hovidina ny tany ao Jackson sy amin’ireo fivondronana manodidina; 31–34, Ireo loholona dia tokony handray ny fanafiana masina ao an-tranon’ny Tompo ao Kirtland; 35–37, Ireo Olomasina izay sady voantso no voafidy dia hohamasinina; 38–41, Tokony hanangana ny fanevan’ny fandriampahalemana ho amin’izao tontolo izao ny Olomasina.

1 Lazaiko marina tokoa aminareo izay efa niara-tafavory, mba hahazoanareo mianatra ny sitrapoko momba ny fanavotana ny vahoakako mijaly—

2 Indro, Izaho milaza aminareo fa raha tsy teo ny fandikan-dalàn’ny vahoakako, ny momba ny fiangonana no teneniko fa tsy ny olona tsirairay, dia mety ho efa navotana izy ireo na dia ankehitriny aza.

3 Nefa indro, tsy nianatra ny ho mpankatò amin’ny zavatra izay notakiako teo an-tanany izy ireo fa feno faharatsiana isan-karazany ary tsy mizara amin’ny fananany ho an’ny mahantra sy ny mijaly eo anivony, araka izay mendrika ny olomasina;

4 Ary tsy miray hina araka ny firaisan-kina takin’ny lalàn’ny fanjakana selestialy;

5 Ary i Ziona dia tsy azo aorina raha tsy amin’ny alalan’ny fitsipiky ny lalàn’ny fanjakana selestialy, raha tsy izany dia tsy afaka ny handray azy ao Amiko Aho.

6 Ary tsy maintsy ilaina ny hamaizana ny vahoakako ambara-pianarany fankatoavana, amin’ny alalan’ny zavatra izay iaretany, raha ilaina izany.

7 Tsy teneniko ny momba ireo izay voatendry hitarika ny vahoakako, izay loholona voalohany ao amin’ny fiangonako, satria tsy eo ambanin’ity fanamelohana ity avokoa izy ireo;

8 Fa ny momba ny fiangonako any ivelany no teneniko—misy maro no hilaza hoe: Aiza ny Andriamaniny? Indro Izy no hanafaka azy ireo amin’ny fotoam-pahasahiranana, fa raha tsy izany dia tsy handeha hiakatra any i Ziona isika fa hitahiry ny volantsika.

9 Koa ho setrin’ny fandikan-dalàn’ny vahoakako, dia ilaina Amiko ny tokony hiandrasan’ireo loholoko mandritra ny fotoana fohy ny fanavotana an’i Ziona—

10 Mba hahazoan’izy ireo miomana sy mba hahazoana mampianatra ny vahoakako tsaratsara kokoa, ka hananany ny fahaiza-manao sy hahafantarany tsaratsara kokoa ny adidiny mbamin’ireo zavatra izay takiako eo an-tanany.

11 Ary izany dia tsy azo tanterahina raha tsy voatafy hery avy any ambony ny loholoko.

12 Fa indro, efa nomaniko ny fanafiana masina lehibe sy ny fitahiana lehibe harotsaka eo amin’izy ireo, raha toa izy ireo ka mahatoky sy mitozo amin’ny fanetrentena eo anoloako.

13 Koa ilaina Amiko ny tokony hiandrasan’ireo loholoko mandritra ny fotoana fohy ny fanavotana an’i Ziona.

14 Fa indro, tsy takiako eo an-tanany ny hiady ny adin’i Ziona; fa araka izay nolazaiko tamin’ny didy teo aloha, dia izay no hotanterahiko—Izaho no hiady ny adinareo.

15 Indro, ny mpandringana dia efa nirahiko handringana sy handrava ny fahavaloko; ary ao anatin’ny taona vitsy dia tsy hisy havela hiangana izy ireo mba handoto ny lovako sy hanevateva ny anarako eo amin’ny tany izay efa natokako ho fanangonako ny olomasiko.

16 Indro, efa nandidy an’i Joseph Smith zanany mpanompoko Aho hilaza amin’ny tanjaky ny tranoko, dia ny mpiatafiko, ny zatovolahiko ary ny oloko vory taona mba hiara-hivondrona ho fanavotana ny vahoakako, ary handrodana ny tilikambon’ny fahavaloko sy hanaparitaka ny mpitiliny;

17 Saingy tsy nihaino ny teniko ny tanjaky ny tranoko.

18 Nefa raha misy izay efa nihaino ny teniko, dia efa nomaniko ny fitahiana sy ny fanafiana masina ho azy ireo, raha mijanona ho mahatoky izy ireo.

19 Efa nandre ny fivavany Aho ary hanaiky ny fanatiny; ary ilaina Amiko ny hitondrana azy ireo hatreto ho fizahan-toetra ny finoany.

20 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo marina tokoa, didy no omeko anareo, fa izay rehetra efa tafakatra hatreto ka afaka mijanona eny amin’ny faritra manodidina, dia aoka izy hijanona;

21 Ary ireo izay tsy afaka mijanona, izay manana fianakaviana any atsinanana, dia aoka izy ireo hijanona mandritra ny fotoana fohy araka izay hatoron’i Joseph Smith mpanompoko azy ireo;

22 Fa hotoroako hevitra momba ity raharaha ity izy ary rehefa mety ho zavatra ka hatorony azy ireo dia ho tanteraka.

23 Ary aoka ny vahoakako rehetra izay monina eo amin’ireo faritra manodidina ho tena mahatoky sy hahery hivavaka ary hietry eo anoloako ka tsy hanambara ny zavatra izay efa nambarako azy, raha tsy efa fahendrena ato amiko ny tokony hanambarana azy ireny.

24 Aza miresaka ny amin’ny famaliana na mirehareha ny amin’ny finoana na ny amin’ny asa mahagaga, fa kajio fatratra ny fiarahanareo mivondrona, ho amin’ny faritra iray ihany raha mbola azo atao, araka izay mifanaraka amin’ny fahatsapan’ny vahoaka;

25 Ary indro Izaho hampahita sitraka sy fitia anareo eo imasony, mba hahazo handry fahalemana sy amim-pilaminana ianareo rehefa milaza amin’ny mponina hoe: Ampiharo aminy ny lalàna sy ny fitsarana ary ny fahamarinana, ary onero amin’ny tsy rariny izahay.

26 Ankehitriny indro, lazaiko aminareo sakaizako, amin’izany fomba izany no mety hahitanareo sitraka eo imason’ny mponina ambara-pahatongan’ny miaramilan’ny Isiraely ho tena lehibe.

27 Ary Izaho hanalefaka ombieny ombieny ny fon’ny mponina, toy ny nataoko tamin’ny fon’i Farao, ambara-pahatongan’i Joseph Smith zanany mpanompoko sy ireo loholoko izay notendreko hanana fotoana hamondronana ny tanjaky ny tranoko,

28 Ary hampaniraka lehilahy hendry hanatanteraka izay efa nandidiako momba ny fividianana ny tany rehetra ao amin’ny fivondronan’i Jackson, izay azo vidiana, ary eny amin’ireo fivondronana akaiky sady manodidina.

29 Fa ny sitrapoko dia ny hividianana ireny tany ireny; ary rehefa voavidy ireny, dia ny hizakan’ny olomasiko azy ireny araka ny lalàn’ny fanokanana fananana izay efa nomeko.

30 Ary rehefa voavidy ireny tany ireny, dia hoheveriko ho tsisy tsiny ny miaramilan’ny Isiraely amin’ny fandraisana ny fizakana ny taniny ihany izay efa novidiny tamim-bola teo aloha, sy amin’ny fandrodanana ny tilikambon’ny fahavaloko izay mety ho eo amboniny, ary amin’ny fanaparitahana ny mpitiliny sy ny famaliana Ahy amin’ny fahavaloko hatrany amin’ny zafiafiny sy ny zafindohalik’ireo izay mankahala Ahy.

31 Nefa aoka aloha ny miaramilako hanjary ho tena lehibe, ary aoka izy hohamasinina eo anoloako mba hahatonga azy ho tsara tarehy tahaka ny masoandro sy madio tahaka ny volana, ka mahatahotra ny fanevany ho an’ny firenena rehetra;

32 Mba ho voatery hiaiky ireo fanjakana eo amin’izao tontolo izao fa ny fanjakan’i Ziona no tena fanjakan’ny Andriamanitsika sy ny Kristiny marina tokoa; koa aoka isika hofehezin’ny lalàny.

33 Lazaiko aminareo marina tokoa, ilaina Amiko ny handraisan’ireo loholona voalohany ao amin’ny fiangonana ny fanafiana masina avy any ambony ao amin’ny tranoko izay efa nodidiko haorina ho an’ny anarako ao an-tanin’i Kirtland.

34 Ary aoka ireo didy izay efa nomeko momba an’i Ziona ireo sy ny lalàny, hampiharina sy hotanterahina aorian’ny fanavotana azy.

35 Efa nisy ny androm-piantsoana, saingy tonga ny androm-pifidianana; ary aoka hofidina ireo izay mendrika.

36 Ary hasehon’ny feon’ny Fanahy amin’ny mpanompoko ireo izay voafidy; ary hohamasinina izy ireo.

37 Ary raha toa izy ireo manaraka ny torohevitra izay raisin’izy ireo, dia hanan-kery izy ireo rehefa afaka andro maromaro hahatontosa ny zava-drehetra mikasika an’i Ziona.

38 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo, mamitràna fihavanana, tsy amin’ireo olona izay efa namely anareo ihany fa amin’ny olon-drehetra koa;

39 Dia atsangano ny fanevan’ny fandriampahalemana ary ataovy hatrany am-paran’ny tany ny filazana fandriampahalemana;

40 Ary ataovy amin’ireo izay efa namely anareo ny tolo-kevitry ny fandriampahalemana, araka ny feon’ny Fanahy izay ao aminareo, dia hiara-hiasa hahasoa anareo ny zava-drehetra.

41 Koa aoka ho mahatoky; ary indro ka jereo, Izaho homba anareo hatramin’ny farany. Izany tokoa. Amena.