Fanampiana amin’ny fandalinana
Manevateva


Manevateva

Miteny momba an’ Andriamanitra na ny zava-masina tsy am-piheverana na am-panajana.

Nampangain’ny Jiosy imbetsaka ho nanevateva i Jesoa noho Izy nilaza tena ho nanana zo hamela heloka, (Mat. 9:2–3; Lio. 5:20–21), noho Izy nanao ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra (Jao. 10:22–36; 19:7), ary noho Izy nilaza fa hahita Azy mipetraka eo an-tanana ankavanan’ny hery izy ireo sy avy eny amin’ny rahon’ny lanitra (Mat. 26:64–65). Nety ho marina ireny fiampangana ireny raha toa Izy ka tsy araka izay nolazainy marina tokoa. Ny fiampangana nentin’ireo vavolombelona sandoka hamelezana Azy tamin’ny fitsarana Azy teo anoloan’ny Synedriona (Mat. 26:59–61) dia fanevatevana ny tempolin’ Andriamanitra. Ny fanevatevana ny Fanahy Masina, izay fandavana an-tsitrapo an’i Kristy taorian’ny nahazoana fahalalana tanteraka ny momba Azy, dia tsy ahazoana famelan-keloka (Mat. 12:31–32; Mar. 3:28–29; F&F 132:27).