Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45


Fizarana 45

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio, ny 7 martsa 1831. Rehefa nosoratana ny sasin-tenin’ity fanambarana ity dia izao no lazain’ny tantaran’i Joseph Smith hoe: “Amin’izao vanim-potoan’ny Fiangonana izao, dia … tatitra diso maro … sy tantara adaladala no navoaka … ary naparitaka … mba hisakanana ny olona tsy hanadihady ny asa, na hanaiky ny finoana. … Nefa akory ny hafalian’ireo Olomasina … raha noraisiko izao manaraka izao.”

1–5, Kristy no mpisolovava antsika amin’ny Ray; 6–10, Ny filazantsara dia mpitondra hafatra manomana ny lalana eo anoloan’ny Tompo; 11–15, Noraisin’ny Tompo ho any Aminy i Enoka sy ireo rahalahiny; 16–23, Nambaran’ny Tompo ny famantarana ny amin’ny fiaviany tahaka izay nomeny teo an-tendrombohitra Oliva; 24–38, Haverina indray ny filazantsara, ho tanteraka ny fotoan’ny Jentilisa ary handrakotra ny tany ny areti-mandripaka; 39–47, Famantarana zava-mahatalanjona ary Fitsanganana amin’ny maty no hiaraka amin’ny Fiaviana Fanindroany; 48–53, Hijoro eo amin’ny Tendrombohitra Oliva i Kristy, ary ho hitan’ny Jiosy ny ratra eo amin’ny tanany sy ny tongony; 54–59, Hanjaka mandritra ny Arivotaona ny Tompo; 60–62, Nilazana ny Mpaminany mba hanomboka ny fandikana ny Testamenta Vaovao fa amin’ny alalan’izany no hampahafantarana vaovao lehibe; 63–75, Nodidina ireo Olomasina mba hivory ary hanorina an’i Jerosalema Vaovao izay any no hahatongavan’ny olona avy amin’ny firenen-drehetra.

1 Mihainoa, ô ianareo ry vahoakan’ny fiangonako, izay efa nomena ny fanjakana; mihainoa ianareo ary mampandria sofina amin’ilay nandatsaka ny fanorenan’ny tany, Ilay nanao ny lanitra sy izay rehetra eo aminy, ary tamin’ny alalany no nanaovana ny zava-drehetra izay velona sy mihetsika ary manan’aina.

2 Ary lazaiko indray, mihainoa ny feoko fandrao hanampoka anareo ny fahafatesana; amin’ny ora izay tsy ampoizinareo no ho lasana ny fahavaratra ary ho tapitra ny fijinjana nefa tsy voavonjy ny fanahinareo.

3 Henoy Ilay mpisolovava eo amin’ny Ray izay miaro ny tombontsoanareo eo anoloany—

4 Manao hoe: Ray ô, indro ny fijaliana sy ny fahafatesan’ilay tsy nanota, izay nankasitrahanao tokoa; indro ny ran’ny Zanakao izay nalatsaka, ny ran’ilay nomenao mba hahazoana mankalaza Anao;

5 Noho izany Ray ô, dia tsimbino ireto rahalahiko ireto izay mino ny anarako, mba hahazoany manatona Ahy ary manana ny fiainana maharitra mandrakizay.

6 Mihainoa ô ianareo ry olon’ny fiangonako, ary ianareo loholona miaraha mihaino ka henoy ny feoko dieny mbola atao hoe anio, ary aza manamafy ny fonareo;

7 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana, ny fahazavana sy ny fiainan’izao tontolo izao—fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina ary ny haizina tsy mahazo izany.

8 Tonga tany amin’ny Ahy Aho ary ny Ahy tsy nandray Ahy; fa izay rehetra nandray Ahy dia nomeko hery hanao fahagagana maro sy ho tonga zanak’ Andriamanitra; ary ho an’ireo izay nino ny anarako dia nomeko ny hery hahazoana fiainana mandrakizay.

9 Dia toy izany no nandefasako ny fanekempihavanako maharitra mandrakizay ho eo amin’izao tontolo izao ho fahazavana ho an’izao tontolo izao sy ho faneva ho an’ny oloko ary ho tadiavin’ny Jentilisa, ary ho mpitondra hafatra eo anoloan’ny tavako mba hanomana ny lalana eo alohako.

10 Koa manatòna azy, ary amin’izay manatona no hifandaharako tahaka ny tamin’ireo olona tamin’ny andro fahiny, ary hasehoko anareo ny lahateniko mahery.

11 Koa miaraha ianareo mihaino ary aoka hasehoko anareo ny fahendreko—ny fahendren’ilay lazainareo ho Andriamanitr’i Enoka sy ny rahalahiny,

12 Izay nosarahina tamin’ny tany ary noraisina ho any Amiko—tanàna voatokana mandra-pahatongan’ny andron’ny fahamarinana—andro izay nokatsahin’ny olona masina rehetra nefa tsy hitany noho ny faharatsiana sy ny fahavetavetana;

13 Ary nekeny ny maha-vahiny sy mpivahiny azy teto an-tany;

14 Saingy azony ny fampanantenana fa ho hitany izany ary ao amin’ny nofony no hahitany izany.

15 Koa henoy fa hifandahatra aminareo Aho, dia hiteny aminareo Aho ary haminany tahaka ny tamin’ireo lehilahy tamin’ny andro fahiny.

16 Ary hasehoko mazava izany tahaka ny nanehoako izany tamin’ny mpianatro, raha nijoro teo anoloany tao amin’ny nofo Aho ary niteny taminy, nanao hoe: Koa satria efa nanontanianareo Ahy ny famantarana ny amin’ny fiaviako, amin’ny andro izay hiaviako ao amin’ny voninahitro eny amin’ny rahon’ny lanitra, mba hahantanteraka ny fampanantenako izay efa nataoko tamin’ny razanareo,

17 Koa satria efa noheverinareo ho toy ny fatorana ny fandaozan’ny fanahinareo ela ny vatanareo, dia hasehoko anareo ny fomba hahatongavan’ny andro fanavotana, ary koa ny famerenana indray an’i Isiraely miely patrana.

18 Ary ankehitriny hitanareo io tempoly izay ao Jerosalema io, izay antsoinareo ho tranon’ Andriamanitra, ary lazain’ny fahavalonareo fa tsy hianjera na oviana na oviana io trano io.

19 Nefa lazaiko aminareo marina tokoa fa ho tonga amin’ity taranaka ity toy ny mpangalatra amin’ny alina ny faharavana, ary ity vahoaka ity dia horavana sy haely any anivon’ny firenen-drehetra.

20 Ary io tempoly izay hitanareo ankehitriny io dia harodana ka tsy havela hisy vato hifanongoa eo.

21 Ary izao no zavatra hitranga fa tsy ho lany izao taranaka Jiosy izao raha tsy efa nitranga ny faharavana tsirairay izay efa nolazaiko anareo momba azy.

22 Lazainareo fa fantatrareo fa avy ny fiafaran’izao tontolo izao; lazainareo koa fa fantatrareo fa ho levona ny lanitra sy ny tany;

23 Ary amin’izany dia marina tokoa ny lazainareo, satria izany no izy; fa ireo zavatra izay efa nolazaiko anareo ireo kosa dia tsy ho levona raha tsy efa tanteraka avokoa.

24 Ary izany no efa nolazaiko anareo momba an’i Jerosalema; ary rehefa ho tonga izany andro izany, dia haely patrana any anivon’ny firenena rehetra ny ambiny;

25 Fa hangonina indray izy; fa hitoetra izy ambara-pahatanteraky ny fotoan’ny Jentilisa.

26 Ary amin’izany andro izany no handrenesana ady sy filazana ady; ary ho ao anaty korontana ny tany manontolo, ary ho reraka ny fon’ny olona ka holazainy fa manemotra ny fiaviany hatrany amin’ny fiafaran’ny tany i Kristy.

27 Ary hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona ary ho betsaka ny faharatsiana.

28 Ary rehefa tonga ny fotoan’ny Jentilisa, dia hiposaka eo anivon’ireo mitoetra ao amin’ny haizina ny hazavana, ary izany no fahafenoan’ny filazantsarako;

29 Kanefa tsy raisiny izany; satria tsy hitany ny hazavana ary aviliny hiala Amiko ny fony noho ny fampianaran’olombelona.

30 Ary ao amin’izany taranaka izany no ho tanteraka ny fotoan’ny Jentilisa.

31 Ary hisy olona ho velona ao amin’izany taranaka izany izay tsy ho lasana raha tsy efa nahita ny loza manafotra; fa handrakotra ny tany ny areti-mandripaka.

32 Fa hitsangana eo amin’ny toerana masina ny mpianatro ary tsy hoesorina; fa any anivon’ny olon-dratsy no hanandratra ny feony ny olona ka hanozona an’ Andriamanitra ary ho faty.

33 Ary hisy horohoron-tany koa amin’ny toerana samy hafa, ary faharavana maro; kanefa dia hanamafy ny fony Amiko ny olona ka horaisiny ny sabatra hifamelezana, ary hifamono izy samy izy.

34 Ary ankehitriny rehefa nilaza ireo teny ireo tamin’ny mpianatro Izaho Tompo, dia natahotra izy ireo.

35 Ary hoy Aho taminy: Aza matahotra, fa rehefa hitranga ireo zavatra ireo, dia hahafantatra ianareo fa ho tanteraka ny fampanantenana izay efa natao taminareo.

36 Ary rehefa hanomboka hiposaka ny hazavana, izany ho azy dia ho tahaka ny fanoharana izay hasehoko anareo—

37 Mijery ianareo ary mahita ny aviavy ary hitanareo amin’ny masonareo izany ary lazainareo rehefa manomboka manaroka izany, na dia mbola tanora aza ny raviny, fa efa akaiky sahady ny lohataona.

38 Dia ho tahaka izany koa amin’izany andro izany, rehefa ho hitany avokoa ireo zavatra ireo, dia ho fantany amin’izay fa efa antomotra ny ora.

39 Ary izao no hitranga fa izay matahotra Ahy dia hiandrandra ny fiavian’ny andro lehiben’ny Tompo, dia ireo famantarana ny amin’ny fiavian’ny Zanak’Olona.

40 Ary ho hitany ireo famantarana sy zava-mahatalanjona fa ireny dia haseho eny amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany.

41 Ary ho hitany ny ra sy ny afo ary ny zavon’ny setroka.

42 Ary mialoha ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo dia hohamaizinina ny masoandro, ny volana hampodina ho ra ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ny lanitra.

43 Ary hangonina ho eo amin’ity toerana ity ny sisa tavela;

44 Ary amin’izany dia hiandrandra Ahy izy ireo ary indro, ho avy Aho; ary ho hitany eny amin’ny rahon’ny lanitra Aho mitafy hery sy voninahitra lehibe, miaraka amin’ny anjely masina rehetra; ary izay tsy miambina ho Ahy dia hoesorina hiala.

45 Nefa mialoha ny hianjeran’ny sandrin’ny Tompo, dia hitsoka ny trompetrany ny anjely, ka ireo olomasina izay efa nandry dia hivoaka mba hitsena Ahy eny amin’ny rahona.

46 Koa raha efa nandry tamim-piadanana ianareo dia sambatra ianareo; fa tahaka ny ahitanareo Ahy ankehitriny ka ahafantaranareo fa misy Aho, dia tahaka izany koa no hankanesanareo eo Amiko ary hahavelona ny fanahinareo ka ho tanteraka ny fanavotana anareo; ary hivoaka avy amin’ny vazan-tany efatra ireo olomasina.

47 Amin’izay dia hianjera amin’ireo firenena ny sandrin’ny Tompo.

48 Ary amin’izay ny Tompo dia hametraka ny tongony eo amin’ity tendrombohitra ity ka hitresaka roa izany, ary hihorohoro ny tany ary hivembena etsy sy eroa, ary ny lanitra koa hihozongozona.

49 Ary hiloa-bava ny Tompo ka handre izany avokoa ny faran’ny tany; ary hitomany ny firenena eto an-tany ary ireo izay efa nihomehy dia hahita ny hadalany.

50 Ary ho rakotry ny antambo ny mpanaraby ary ho fongana ny mpaniratsira, ary ireo izay efa miari-tory mba hanao ny ratsy dia hokapaina ary hatsipy any anaty afo.

51 Ary hiandrandra Ahy ny Jiosy amin’izay ary hiteny hoe: Inona ireo ratra eo amin’ny tananao sy eo amin’ny tongotrao ireo?

52 Ho fantany amin’izay fa Izaho no Tompo; fa hiteny aminy Aho: Ireto ratra ireto no ratra izay nandratrana Ahy tao an-tranon’ny sakaizako. Izaho Ilay nasandratra. Izaho no Jesoa izay nohomboana. Izaho no Zanak’ Andriamanitra.

53 Ary amin’izay dia hitomany izy noho ny helony; amin’izay dia hitoloko izy noho izy nanenjika ny mpanjakany.

54 Ary amin’izay dia ho voavotra ireo firenen’ireo mpanompo sampy, ary ireo izay tsy nahafantatra lalàna dia hanana anjara amin’ny fitsanganana voalohany amin’ny maty, ary ho azo leferina ny aminy.

55 Ary hofatorana i Satana ka tsy hanana toerana ao am-pon’ny zanak’olombelona.

56 Ary amin’izany andro izany, rehefa ho avy amin’ny voninahitro Aho, dia ho tanteraka ny fanoharana izay noteneniko momba ny virijiny folo.

57 Fa ireo izay hendry ary efa nandray ny fahamarinana sy nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana azy ka tsy voafitaka—lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy hokapaina ireo ka hatsipy any anaty afo fa hahatanty ny andro.

58 Ary homena ho azy ny tany ho lova; ary hihamaro sy hihamahery ireo, ary ny zanany dia hitombo tsy manam-pahotana ho amin’ny famonjena.

59 Fa ny Tompo no ho eo afoavoany, ary ny voninahiny no ho eo aminy, ary Izy no ho mpanjakany sy mpanome lalàna azy.

60 Ary ankehitriny indro, lazaiko aminareo, tsy homena anareo ny hahafantatra misimisy kokoa momba io toko io raha tsy efa voadika ny Testamenta Vaovao ary ao aminy no hampahafantarina ireo zavatra rehetra ireo;

61 Koa omeko anareo ny hahazoanareo mandika izany ankehitriny, mba hahazoanareo miomana ho amin’ny zavatra ho avy;

62 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa zava-dehibe no miandry anareo;

63 Mandre ady any amin’ny firenen-kafa ianareo; nefa indro, lazaiko aminareo, akaiky izany, eo am-baravaranareo aza, ary ao anatin’ny taona vitsivitsy dia handre ady eo amin’ny taninareo ihany ianareo.

64 Koa izao Tompo dia efa niteny, miangòna ianareo avy amin’ny tany atsinanana, miaraha mivory ianareo loholon’ny fiangonako; mandehana mankamin’ny tany andrefana, antsoy ny mponina hibebaka, ary raha mibebaka izy, dia aoreno ho Ahy ny fiangonana.

65 Ary amin’ny fo iray sy amin’ny saina iray no anangony ny harenareo mba hahazoanareo mividy lova izay hotendrena ho anareo rahatrizay.

66 Ary hatao hoe Jerosalema Vaovao izany, tanin’ny fandriampahalemana, tanàna fialofana, toerana azo antoka ho an’ny Olomasin’ Andriamanitra Avo Indrindra;

67 Ary ny voninahitry ny Tompo dia ho ao, ary ny fihorohoroana amin’ny Tompo dia ho ao koa, hany ka tsy ho avy ao ny olon-dratsy ary hantsoina hoe Ziona izany.

68 Ary izao no hitranga eo anivon’ny olon-dratsy, fa ny olona tsirairay izay tsy handray ny sabany hanoherana ny namany dia tsy maintsy mandositra mankany Ziona mba handry fahalemana.

69 Ary any no hiangonan’ny olona avy amin’ny firenena tsirairay ambanin’ny lanitra; ary izany no hany vahoaka tsy mba hiady.

70 Ary izao no holazaina any anivon’ny olon-dratsy: Aoka isika tsy handeha hiakatra hiady amin’ny Ziona fa mahatahotra ny mponina ao Ziona; koa tsy mahatohitra isika.

71 Ary izao no hitranga fa ny olo-marina dia hangonina avy any anivon’ny firenen-drehetra ary ho tonga ao Ziona, mihira ny hiran’ny fifaliana maharitra mandrakizay.

72 Ary ankehitriny lazaiko aminareo, tano ireo zavatra ireo tsy hiely eo amin’izao tontolo izao ambara-pahitako ny ilana izany, mba hahazoanareo manantontosa ity asa ity eo imason’ny olona sy eo imason’ny fahavalonareo mba tsy hahafantarany ny asanareo ambara-pahatontosanareo ny zavatra izay nandidiako anareo;

73 Ka rehefa ho fantany izany, dia ny mba hahazoany mihevitra ireo zavatra ireo.

74 Fa rehefa hitranga ny Tompo, dia ho mahatahotra aminy Izy, ary ho azon’ny tahotra izy ireo ka hijoro eny lavitra sy hangovitra.

75 Ary hatahotra ny firenen-drehetra noho ny fihorohoroana amin’ny Tompo sy ny tanjaky ny heriny. Izany tokoa. Amena.