Fanampiana amin’ny fandalinana
Fahazavana, Fahazavan’i Kristy


Fahazavana, Fahazavan’i Kristy

Herin’ Andriamanitra, hery fitarihana mivoaka avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy ary manome aina sy fahazavana ho an’ny zava-drehetra. Izy no lalàna izay ifehezana ny zava-drehetra. Any an-danitra sy ety an-tany (F&F 88:6–13). Izy koa no manampy ny olona hahatakatra ireo fahamarinan’ny filazantsara sy manampy amin’ny fametrahana ny olona eo amin’ny lalan’ny filazantsara izay mitondra ho amin’ny famonjena (Jao. 3:19–21; 12:46; Almà 26:15; 32:35; F&F 93:28–29, 31–32, 40, 42).

Ny fahazavan’i Kristy dia tsy tokony hafangaro amin’ny Fanahy Masina. Tsy olona ny fahazavan’i Kristy fa fitaomana avy amin’ Andriamanitra ary manomana ny olona handray ny Fanahy Masina. Fitaomana ho amin’ny tsara eo amin’ny fiainan’ny olon-drehetra izy (Jao. 1:9; F&F 84:46–47).

Iray amin’ny fisehoan’ny fahazavan’i Kristy ny feon’ny fieritreretana, izay manampy ny olona hanavaka ny tsara amin’ny ratsy (Môrô. 7:16). Mihamaranitra miaraka amin’ny fianarana ny filazantsara ny feon’ny fieritreretan’ny olona (Môrô. 7:12–19). Ny olona izay mihaino ny fahazavan’i Kristy dia voatarika mankany amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (F&F 84:46–48).