Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46


Fizarana 46

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio, ny 8 martsa 1831. Tamin’izany fotoana vao niandohan’ny Fiangonana izany, dia tsy mbola voavolavola ny fomba iraisana hitondrana ireo fivoriam-piangonana. Saingy ny fahazarana tsy mampiditra amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy amin’ireo fivoriana hafa an’ny Fiangonana afa-tsy ny mpikambana sy ireo naman’ny Fiangonana tena mafana fo dia efa nanjary fanao raikitra. Ity fanambarana ity dia maneho ny sitrapon’ny Tompo momba ny fitondrana sy ny fitarihana ireo fivoriana ary ny torolalany mikasika ny fikatsahana sy ny famantarana ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy.

1–2, Ny loholona no tokony hitondra ny fivoriana araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina; 3–6, Ireo tena mpikatsaka ny fahamarinana dia tsy tokony horoahana hiala amin’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo; 7–12, Angataho amin’ Andriamanitra ary katsaho ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy; 13–26, Omena ny fitanisana ny sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo; 27–33, Nomem-pahefana hamantatra ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny mpitondra ny Fiangonana.

1 Mihainoa, ô ianareo vahoakan’ny fiangonako; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa ireto zavatra ireto dia notenenina ho tombontsoanareo sy ho fianaranareo.

2 Nefa na dia eo aza ireo zavatra izay efa voasoratra, dia efa nomena mandrakariva ny loholon’ny fiangonako hatrany am-piandohana, ary ho toy izany hatrany, ny hitantana ny fivoriana rehetra araka ny hitondrana sy hitarihan’ny Fanahy Masina azy.

3 Kanefa dia didina ianareo tsy handroaka na oviana na oviana ny olona hiala amin’ny fivorianareo ampahibemaso izay atao eo anoloan’izao tontolo izao.

4 Didina koa ianareo tsy handroaka ny olona izay isan’ny fiangonana, handao ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo; kanefa raha nisy nandika lalàna, dia aoka izy tsy handray raha tsy efa namitram-pihavanana.

5 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo fa tsy horoahinareo hiala ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo izay olona mikatsaka fatratra ny fanjakana—Miteny izany Aho momba ireo izay tsy isan’ny fiangonana.

6 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo, momban’ny fivorianareo fandraisana ho mpikambana, fa raha misy olona izay tsy isan’ny fiangonana ka mikatsaka fatratra ny fanjakana, dia tsy horoahinareo hiala izy.

7 Fa didina ianareo amin’ny zavatra rehetra mba hangataka amin’ Andriamanitra izay manome malalaka; ary mba tiako ny hanaovanareo izay rehetra ambaran’ny Fanahy anareo amin’ny fahamasinan’ny fo tanteraka, ka handeha araka ny hitsiny eo anoloako sady hieritreritra ny tanjon’ny famonjena anareo, hanao ny zavatra rehetra amin’ny vavaka sy ny fankasitrahana, mba tsy hangolen’ny fanahy ratsy na ny fotopampianaran’ireo devoly na ny didin’olombelona fitahiana ianareo; fa ny sasany dia avy amin’ny olombelona ary ireo hafa avy amin’ny devoly.

8 Koa mitandrema fandrao voafitaka ianareo; ary mba tsy hahavoafitaka anareo, dia katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra ka tsarovy mandrakariva ny antony anomezana azy ireny;

9 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, omena ireny ho tombontsoan’ireo izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko rehetra, ary izay mikatsaka ny hanao izany; mba hahazo tombontsoa ny rehetra izay mikatsaka na izay mangataka Amiko, izay mangataka, nefa tsy famantarana mba hahazoany manarana amin’ny filan-dratsiny.

10 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, mba tiako ny hahatsiarovanareo mandrakariva ary ny hitananareo mandrakariva ao an-tsainareo ny momba ireo fanomezam-pahasoavana ireo, izay omena ny fiangonana.

11 Fa ny tsirairay dia tsy manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra tsirairay omena azy; fa misy maro ireo fanomezam-pahasoavana, ary ny olona tsirairay dia omen’ny Fanahin’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana iray.

12 Ny sasany dia omena iray, ary ny hafa dia omena iray hafa mba hahazo tombontsoa amin’izany ny rehetra.

13 Ireo sasany dia omen’ny Fanahy Masina ny hahafantatra fa i Jesoa Kristy no zanak’ Andriamanitra, fa nohomboana Izy noho ny fahotan’izao tontolo izao.

14 Ny hafa dia omena hino ny tenin’izy ireo, mba hahazoany koa manana ny fiainana mandrakizay raha mitoetra ho mahatoky izy.

15 Ary ankoatra izany, dia omen’ny Fanahy Masina ny sasany ny hahafantatra ny maha-samihafa ny asa fanompoana araka izay hankasitrahan’ny Tompo iray ihany, araka izay sitrapon’ny Tompo, izay mampifanaraka ny famindram-pony araka ny toe-piainan’ny zanak’ombelona.

16 Ary ankoatra izany, dia omen’ny Fanahy Masina ny sasany ny hahafantatra ny maha-samihafa ny asa, raha toa ka avy amin’ Andriamanitra izany, mba ho azo omena ny olona tsirairay ny fampisehoana ny Fanahy mahasoa.

17 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo marina tokoa, ny sasany dia omen’ny Fanahin’ Andriamanitra teny fahendrena.

18 Ny iray hafa dia omena ny tenin’ny fahalalana, mba ho azo anarina ny rehetra ho hendry sy hanam-pahalalana.

19 Ary ankoatra izany, dia omena ny sasany ny hanam-pinoana ny ho sitrana;

20 Ary omena ny hafa ny hanam-pinoana hanasitrana.

21 Ary ankoatra izany, dia omena ny sasany ny hahavita fahagagana;

22 Ary ny hafa dia omena haminany;

23 Ary ho an’ny hafa ny hamantatra ireo fanahy.

24 Ary ankoatra izany, dia omena ny sasany ny hiteny amin’ny fiteny hafa;

25 Ary ho an’ny iray hafa ny handika ireo fiteny.

26 Ary avy amin’ Andriamanitra ireo fanomezam-pahasoavana rehetra ireo, ho tombontsoan’ny zanak’ Andriamanitra.

27 Ary omena ny evekan’ny fiangonana sy ireo izay hatokan’ Andriamanitra sy hatokana hiandry ny fiangonana ary ho loholon’ny fiangonana ny hamantatra ireo fanomezam-pahasoavana rehetra ireo, fandrao hisy hihambo any anivonareo kanefa tsy avy amin’ Andriamanitra akory.

28 Ary izao no hitranga fa izay mangataka ao amin’ny Fanahy dia handray ao amin’ny Fanahy;

29 Ka ho azo omena ny sasany ny hanana ireo fanomezam-pahasoavana rehetra ireo, mba hisy filoha, mba hahazoan’ny mpikambana tsirairay tombontsoa amin’izany.

30 Izay mangataka ao amin’ny Fanahy dia mangataka araka ny sitrapon’ Andriamanitra; koa izany dia to araka izay angatahiny.

31 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo, na inona na inona ataonareo ao amin’ny Fanahy, dia tsy maintsy atao amin’ny anaran’i Kristy ny zavatra rehetra;

32 Ary tsy maintsy manolotra fisaorana an’ Andriamanitra ao amin’ny Fanahy ianareo noho ny fitahiana rehetra itahiana anareo.

33 Ary tsy maintsy mampihatra hatsaran-toetra sy fahamasinana lalandava eo anoloako ianareo. Izany tokoa. Amena.