Fanampiana amin’ny fandalinana
Famantarana


Famantarana

Zava-mitranga na zavatra iainana izay heverin’ny olona ho fanamarinana na porofon’ny zavatra iray. Matetika ny famantarana dia fampisehoana mahagaga avy amin’ Andriamanitra. Manana fahefana haneho famantarana koa i Satana ao anatin’ny fepetra sasantsasany. Tokony hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny olomasina fa tsy tokony hikatsaka famantarana hanomezana fahafaham-po ny fahalianana na hanohanana ny finoana. Mifanohitra amin’izany, ny Tompo dia hanome famantarana ho an’ireo izay mino araka izay hitany fa tsara (F&F 58:64).