Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5


Fizarana 5

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Harmony, Pennsylvania ny volana martsa 1829 noho ny fangatahan’i Martin Harris.

1–10, Handray ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’i Joseph Smith ity taranaka ity; 11–18, Hanambara ny amin’ny Bokin’i Môrmôna ny vavolombelona telo; 19–20, Ho voamarina toy ny tamin’ny fotoana tany aloha ny tenin’ny Tompo; 21–35, Afaka mibebaka i Martin Harris ary ho tonga anankiray amin’ireo vavolombelona.

1 Indro lazaiko aminao, fa satria efa naniry vavolombelona avy Amiko i Martin Harris mpanompoko, fa ianao Joseph Smith zanany mpanompoko dia efa nahazo ireo takelaka izay efa nijoroanao ho vavolombelona sy efa naha-vavolombelona nanambara anao fa efa noraisinao Tamiko ireo;

2 Dia ankehitriny indro, izao no holazainao azy—Izy Ilay niteny taminao dia nilaza taminao hoe: Izaho Tompo no Andriamanitra, ary efa nanome anao ireto zavatra ireto Aho, ry Joseph Smith zanany mpanompoko, ka efa nandidy anao ny hijoroanao ho vavolombelona ny amin’ireto zavatra ireto;

3 Ary efa nataoko izay hanaovanao fanekempihavanana Tamiko, fa tsy hampiseho azy ireo ianao raha tsy amin’ireo olona izay nandidiako anao ireo; ary tsy manan-kery aminy ianao raha tsy Izaho no manome anao izany.

4 Ary anananao ny fanomezam-pahasoavana handika ny takelaka; ary izany no fanomezam-pahasoavana voalohany nomeko anao; ary efa nodidiako ny tsy hikatsahanao ny hanan-jo amin’ny fanomezam-pahasoavana hafa raha tsy efa tontosa ny tanjoko amin’izany; satria tsy homeko anao ny fanomezam-pahasoavana hafa raha tsy efa vita izany.

5 Lazaiko aminao marina tokoa, fa loza no hanjo ny mponin’ny tany raha tsy te hihaino ny teniko izy;

6 Fa hatokana ianao any aoriana ary handeha sy hanambara ny teniko amin’ny zanak’olombelona.

7 Indro, raha tsy te hino ny teniko izy, dia tsy hino anao izy ry Joseph mpanompoko, raha toa aza ka ho azo natao ny hanehoanao aminy ireto zavatra rehetra izay efa nankiniko taminao ireto.

8 O, ity taranaka tsy mpino sy mafy hatoka ity—mirehitra aminy ny fahatezerako.

9 Indro, lazaiko aminao marina tokoa, efa notehiriziko ireo zavatra izay efa nankiniko taminao ireo ry Joseph mpanompoko, noho ny fikasana hendry ao Amiko, ary hampahafantarina ny taranaka ho avy izany;

10 Fa ity taranaka ity dia hahazo ny teniko amin’ny alalanao;

11 Ary ho fanampin’ny tenivavolombelonao, ny tenivavolombelon’ny telo amin’ireo mpanompoko izay hantsoiko sy hatokako, izay hanehoako ireto zavatra ireto, ary dia handeha izy ireo miaraka amin’ny teniko izay omena amin’ny alalanao.

12 Eny, ho fantany marina tokoa fa marina ireto zavatra ireto, fa avy any an-danitra no hanambarako izany aminy.

13 Homeko hery izy ireo mba hahazoany mijery sy mibanjina ireto zavatra ireto araka izao endriny izao;

14 Ary tsy misy olon-kafa homeko ity hery ity handraisana io tenivavolombelona io eo anivon’ity taranaka ity, amin’izao fiandohan’ny fitsanganana sy fivoahan’ny fiangonako avy ao an-tany foana izao—mangoratsaka toy ny volana sy mamirapiratra toy ny masoandro ary mahatahotra toy ny antokon-tafika mitondra faneva.

15 Ary halefako ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona telo ny amin’ny teniko.

16 Ary indro, na zovy na zovy no mino ny teniko, dia izy no hovangiako amin’ny fanehoana ny fanahiko; ary haterako izy, dia amin’ny rano sy ny Fanahy—

17 Ary tsy maintsy miandry kely aloha ianao satria tsy mbola voatokana

18 Ary hivoaka koa ny tenivavolombelony ho fanamelohana ity taranaka ity, raha manamafy ny fony amin’izany izy;

19 Fa hivoaka eo anivon’ny mponin’ny tany ny antambo mahafadiranovana ary hitohy ombieny ombieny ny fampidinana izany, raha tsy mibebaka izy, ambara-pahatongan’ny tany ho foana, ary ny mponina ao aminy ho levona sy ho fongotra tanteraka amin’ny famirapiratan’ny fiaviako.

20 Indro, lazaiko anao ireto zavatra ireto, tahaka ny nilazako tamin’ny olona koa ny amin’ny fandravana an’i Jerosalema; ary ho voamarina ny teniko amin’izao fotoana izao toy ny efa naha voamarina azy hatrizao.

21 Ary ankehitriny, mandidy anao Aho, ry Joseph mpanompoko, hibebaka sy handeha araka ny hitsiny kokoa eo anoloako ary tsy hilefitra intsony amin’ny fandresen-dahatry ny olona;

22 Ary mba ho hentitra ianao amin’ny fitandremana ny didy izay efa nandidiako anao; ary raha ataonao izany, dia indro omeko anao ny fiainana mandrakizay, na dia hovonoina aza ianao.

23 Ary ankehitriny teneniko indray aminao, ry Joseph mpanompoko, ny momba ilay lehilahy izay maniry vavolombelona—

24 Indro, lazaiko aminy, manandra-tena izy ary tsy ampy fanetrentena eo anoloako; fa raha miankohoka eo anoloako izy ary manetry tena amin’ny faherezana mivavaka sy ny finoana mahery, amin’ny fahitsian’ny fony, dia hotoviko aminy ny fahitana ny zavatra izay iriany ho hita.

25 Ary avy eo dia hilaza amin’ny olon’ity taranaka ity izy hoe: Indro, efa hitako ireo zavatra izay efa nasehon’ny Tompo an’i Joseph Smith zanany, ary fantatro marina tokoa fa marina ireo, satria efa hitako ireo, fa efa naseho ahy ireo tamin’ny herin’ Andriamanitra fa tsy tamin’ny an’ny olona.

26 Ary Izaho Tompo dia mandidy azy, Martin Harris mpanompoko, mba tsy hilazany amin’izy ireo intsony ny momba ireto zavatra ireto afa-tsy ny hilazany hoe: Efa hitako ireo, ary efa naseho ahy ireo tamin’ny herin’ Andriamanitra; ary ireo teny ireo no holazainy.

27 Nefa raha laviny izany, dia horavany ny fanekempihavanana izay efa nifanekeny taloha Tamiko, ary indro, voaheloka izy.

28 Ary ankehitriny, raha tsy manetry tena izy ary miaiky Amiko ny zavatra izay efa nataony izay diso, ary mifanaiky Amiko fa hotandremany ny didiko ary hampihariny ny finoana Ahy, dia indro, lazaiko azy fa tsy hanana fahitana toy izany izy, satria tsy hotoviko aminy ny fahitana ny zavatra izay efa noteneniko.

29 Ary raha izany no mitranga, dia mandidy anao Aho, ry Joseph mpanompoko, hilaza aminy mba tsy hanaovany na inona na inona intsony, na hanelingelenany Ahy intsony momba ity zavatra ity.

30 Ary raha izany no mitranga, dia indro, lazaiko aminao ry Joseph, rehefa avy mandika takila misimisy kokoa ianao dia hijanona mandritra ny fotoana fohy, ambara-piteniko aminao indray; avy eo dia mahazo mandika indray ianao.

31 Ary raha tsy manao izany ianao, dia indro, tsy hanana fanomezam-pahasoavana intsony ianao ary hoesoriko hiala ny zavatra izay efa nankiniko taminao.

32 Ary ankehitriny, satria efa tsinjoko ny fijokoana mba hamongorana anao, eny, efa tsinjoko fa raha tsy manetry tena i Martin Harris mpanompoko ka tsy mandray ny vavolombelona avy Amiko, dia ho lavo ao amin’ny fandikan-dalàna izy;

33 Ary misy maro izay mijoko mba hamongotra anao tsy ho eto ambonin’ny tany; ary noho izao antony izao, mba hahalava ny andronao no efa nanomezako ireto didy ireto.

34 Eny, noho izany antony izany no efa nilazako hoe: Mijanòna ary mamitsaha ambara-pandidiako anao, dia homeko ireo fitaovana izay hahazoanao manatontosa ny zavatra izay efa nandidiako anao ianao.

35 Ary raha mahatoky amin’ny fitandremana ny didiko ianao dia hasandratra amin’ny andro farany. Amena.