Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62


Fizarana 62

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany teo amoron’ny Renirano Missouri, tao Chariton, Missouri, ny 13 aogositra 1831. Tamin’io andro io dia nifanena tamin’ny loholona maro izay teny an-dalana ho any Ziona ny Mpaminany sy ny mpiara-dia taminy izay nandeha avy any Independence ho any Kirtland ka nahazo ity fanambarana ity taorian’ny fifampiarahabana feno fifaliana.

1–3, Voarakitra any an-danitra ny tenivavolombelona; 4–9, Ny loholona dia tokony handeha sy hitory araka ny fandanjalanjana ary araka ny fitarihan’ny Fanahy.

1 Indro, ary mihainoa, ô ianareo Ry loholon’ny fiangonako, hoy ny Tompo Andriamanitrareo, dia i Jesoa Kristy, mpisolovavanareo izay mahalala ny fahalemen’ny olona ary ny fomba hamonjena ireo izay alaim-panahy.

2 Ary marina tokoa fa ny masoko dia eo amin’ireo izay tsy mbola niakatra any an-tanin’i Ziona; koa tsy mbola tontosa ny asa fitorianareo.

3 Na dia eo aza izany, dia sambatra ianareo fa ny tenivavolombelona izay efa nambaranareo dia voasoratra any an-danitra mba hojeren’ireo anjely; ary mifaly aminareo ireo, ary voavela ny fahotanareo.

4 Ary ankehitriny, tohizo ny dianareo. Miangòna ianareo ao an-tanin’i Ziona; dia manaova fivoriana ary miaraha mifaly ka manolora fanati-pisaorana ho an’ny Avo Indrindra.

5 Ary amin’izay dia mahazo miverina ianareo mba ho vavolombelona manambara, eny, na miaraka daholo, na tsiroaroa, araka izay heverinareo ho tsara, tsy ahoako; aoka ho mahatoky fotsiny ihany, dia ambarao vaovao mahafaly ny mponin’ny tany na ny any anivon’ireo fiangonan’ny olon-dratsy.

6 Indro, Izaho Tompo no efa nahatafaray anareo mba hahatanteraka ny fampanantenana, fa ny mahatoky eo anivonareo dia hotsimbinina ary hiara-paly ao an-tanin’i Missouri. Izaho Tompo no nampanantena ny mahatoky ary tsy mahay mandainga.

7 Raha misy aminareo maniry ny hitaingin-tsoavaly na ramole na sarety, Izaho Tompo dia vonona hanome azy izany fitahiana izany, raha raisiny avy amin’ny tanan’ny Tompo izany, amin’ny fo feno fisaorana noho ny zava-drehetra.

8 Adidinareo ny manao ireo zavatra ireo araka ny fandanjalanjana sy ny fitarihan’ny Fanahy.

9 Indro, anareo ny fanjakana. Ary indro, ary jereo, Izaho momba ny mahatoky mandrakariva. Izany tokoa. Amena.