Fakam-panahy Jereo koa Devoly; Maharitra; Safidy Fizahana ny fahaizan’ny olona iray misafidy ny tsara amin’ny ratsy; fitarihana hanota sy hanaraka an’i Satana fa tsy Andriamanitra. Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy fa manafaha anay amin’ny ratsy, Mat. 6:13 (3 Ne. 13:12). Tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo Andriamanitra, 1 Kor. 10:13. Nalaina fanahy toa antsika i Kristy, Heb. 4:14–15. Sambatra ny olona izay maharitra ny fakam-panahy, Jak. 1:12–14. Ny fakam-panahy alefan’ny fahavalo dia tsy afa-mandresy ireo izay mihaino ny tenin’ny Tompo, 1 Ne. 15:24 (Hel. 5:12). Tsy ho afaka nanao araka ny safidiny ny olombelona raha tsy efa notaomin’itsy voalohany na ity faharoa, 2 Ne. 2:11–16. Miambena sy mivavaha lalandava mba tsy hahazoana maka fanahy anareo mihoatra noho izay azonareo zakaina, Almà 13:28. Ampianaro izy hanohitra ny fakam-panahy rehetra avy amin’ny devoly amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, Almà 37:33. Mivavaha mandrakariva ianareo, fandrao dia halain’ny devoly fanahy, 3 Ne. 18:15, 18 (F&F 20:33; 31:12; 61:39). Tandremo ny fireharehana, fandrao hiditra ao amin’ny fakam-panahy ianao, F&F 23:1. Tonga ho eo ambany fifehezan’ny sitrapon’ny devoly i Adama, satria nilefitra tamin’ny fakam-panahy, F&F 29:39–40. Niatrika ireo karazana fakam-panahy rehetra aho, JS—T 1:28.