Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76


Fizarana 76

Fahitana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Sidney Rigdon tao Hiram, Ohio, ny 16 febroary 1832. Ho sasin-tenin’ny fitantarana ity fahitana ity dia izao no voalazan’ny tantaran’i Joseph Smith: “Rehefa niverina avy tany amin’ny fihaonamben’i Amherst aho dia nanohy ny fandikana ny Soratra Masina. Niharihary tamin’ireo fanambarana efa voaray fa lafiny manan-danja maro momba ny famonjena ny olona no efa nesorina tao amin’ny Baiboly na very talohan’ny nanangonana azy. Miharihary ho azy avy amin’ireo fahamarinana izay tavela, fa raha mamaly ny tsirairay araka ny asa vita tao amin’ny vatana Andriamanitra, ny teny hoe ‘Lanitra,’ izay noheverina ho fonenana mandrakizay ho an’ny Olomasina, dia tsy maintsy ahitana fanjakana mihoatra ny anankiray. Araka izany … raha teo am-pandikana ny Filazantsaran’i Jaona izaho sy ny Loholona Rigdon dia nahita izao fahitana manaraka izao.” Teo am-pandikana ny Jaona 5:29 ny Mpaminany tamin’ny fotoana nanomezana ity fahitana ity.

1–4, Ny Tompo no Andriamanitra; 5–10, Hambara amin’ny mahatoky rehetra ireo misterin’ny fanjakana; 11–17, Hitsangana ny rehetra amin’ny fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina amin’ny maty; 18–24, Ny mponin’ireo tontolo maro dia zanakalahy sy zanakavavy nateraka ho an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy; 25–29, Lavo ny anjelin’ Andriamanitra iray ary nanjary devoly; 30–49, Miaritra ny fanamelohana mandrakizay ireo zanaky ny fahaverezana; mahazo ambaratongam-pamonjena ny hafa rehetra; 50–70, Filazalazana ny voninahitra sy ny valisoan’ireo olona tafasandratra ao amin’ny fanjakana selestialy; 71–80, Filazalazana ny amin’ireo izay handova ny fanjakana terestrialy; 81–113, Fanazavana ny toetr’ireo izay ao amin’ny voninahitra telestialy, terestrialy ary selestialy; 114–119, Mety hahita sy hahatakatra ireo misterin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny olo-mahatoky amin’ny herin’ny Fanahy Masina.

1 Mandrenesa ianareo, ô ry lanitra, ary mampandria sofina, ô ry tany, ary mifalia ianareo ry mponina eo aminy fa ny Tompo no Andriamanitra, ary ankoatra Azy dia tsy misy Mpamonjy.

2 Lehibe ny fahendreny, mahatalanjona ny lalany ary ny fivelaran’ny ataony dia tsy misy mahafantatra.

3 Tsy mivaona ny tanjony, sady tsy misy izay afaka misakana ny tanany.

4 Mandrakizay mandrakizay dia tsy miova Izy, ary tsy mifarana na oviana na oviana ny taonany.

5 Fa izao no lazain’ny Tompo—Izaho Tompo dia mamindra fo sy miantra ireo izay matahotra Ahy ary finaritra ny hankalaza ireo izay manompo Ahy amin’ny rariny sy amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany.

6 Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny.

7 Ary amin’ireo no hambarako ny mistery rehetra, eny, ny mistery miafina rehetra momba ny fanjakako hatramin’ny andro fahiny sy ho an’ny taona ho avy, hampahafantariko azy ireo ny safidin’ny sitrapoko momba ny zava-drehetra mikasika ny fanjakako.

8 Eny, ireo zava-mahatalanjon’ny mandrakizay dia ho fantatr’izy ireo ary ny zavatra ho avy dia hasehoko azy ireo, dia ny zavatr’ireo taranaka maro.

9 Ary ho lehibe ny fahendreny ary ny fahatakarany hahatratra ny lanitra; ary eo anoloany ny fahendren’ny hendry dia ho foana ary ny fahatakaran’ny manam-pahalalana dia hanjary ho tsinontsinona.

10 Fa amin’ny Fanahiko no hanazavako azy ireo ary amin’ny heriko no hampahafantarako azy ireo ny tsiambaratelon’ny sitrapoko—eny, dia ireo zavatra izay tsy mbola hitan’ny maso, na ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona.

11 Izahay Joseph Smith zanany sy Sidney Rigdon dia notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andro fahenina ambin’ny folon’ny volana febroary, tamin’ny taonan’ny Tompo roa amby telopolo sy valonjato sy arivo—

12 Noho ny herin’ny Fanahy dia nosokafana ny masonay ary nohazavaina ny fahatakaranay mba hahita sy hahatakatra ny zavatra momba an’ Andriamanitra—

13 Dia ireo zavatra izay hatrany am-piandohana, talohan’ny nisian’izao tontolo izao, izay voatendrin’ny Ray tamin’ny alalan’ny zanany Lahitokana izay tao an-tratran’ny Ray hatrany am-piandohana;

14 Izay momba Azy no anaovanay fanambaràna; ary ny fanambaràna izay ataonay dia ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia ny Zanaka izay hitanay, ary Taminy no niresahanay tao amin’ny fahitana avy any an-danitra.

15 Fa raha mbola nanao ny asa fandikan-teny izahay, izay efa notendren’ny Tompo ho anay dia tonga teo amin’ny andininy fahasivy amby roapolon’ny Jaona toko fahadimy, izay nomena anay araka izao manaraka izao—

16 Izay miresaka ny amin’ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty, momba ireo izay handre ny feon’ny Zanak’Olona:

17 Ary hivoaka ireo izay efa nanao ny tsara, amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty; sy ireo izay efa nanao ny ratsy, amin’ny fitsanganan’ny tsy marina amin’ny maty.

18 Ankehitriny izany dia nahatonga anay hitalanjona, satria nomen’ny Fanahy anay izany.

19 Ary raha mbola nisaintsaina ireo zavatra ireo izahay, dia nikasika ny mason’ny fahatakaranay ny Tompo ary nosokafana ireo, ary ny voninahitry ny Tompo namirapiratra nanodidina.

20 Ary tazanay ny voninahitry ny Zanaka eo an-tanana ankavanan’ny Ray ary nandray avy tamin’ny fahafenoany izahay;

21 Ary nahita ireo anjely masina sy ireo izay nohamasinina eo anoloan’ny seza fiandrianany, nidera an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry izay midera Azy mandrakizay mandrakizay.

22 Ary ankehitriny, aorian’ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny tenivavolombelona, ny farany amin’ny rehetra, izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy!

23 Fa hitanay Izy, eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra; ary renay ny feo manambara fa Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray—

24 Fa tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no ary sy nahariana ireo tontolo, ary ny mponina eo aminy dia ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra.

25 Ary nahita izao koa izahay, ary vavolombelona manambara, fa ny anjelin’ Andriamanitra iray izay nanana fahefana teo anatrehan’ Andriamanitra, izay nikomy tamin’ny Zanaka Lahitokana izay tian’ny Ray ary tao an-tratran’ny Ray, dia nazera avy teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny Zanaka,

26 Ary natao hoe Fahaverezana izy fa nitomany azy ny lanitra—Izy no Losifera, zanaky ny maraina.

27 Ary nahita izahay, ary indro, lavo izy! lavo, dia ilay zanaky ny maraina!

28 Ary raha mbola notsindrian’ny Fanahy izahay, dia nandidy anay ny Tompo hanoratanay ilay fahitana; fa nahatazana an’i Satana izahay, ilay menarana ela, dia ny devoly izay nikomy tamin’ Andriamanitra ary nikatsaka ny haka ny fanjakan’ Andriamanitsika sy i Kristiny—

29 Koa miady amin’ny olomasin’ Andriamanitra izy ary manemitra azy manodidina.

30 Ary hitanay ny fahitana ny fijalian’ireo izay niadiany ary resiny, fa tonga toy izao taminy ny feon’ny Tompo:

31 Toy izao no lazain’ny Tompo momba ireo rehetra izay mahafantatra ny heriko sy efa natao mpandray anjara tamin’izany, saingy namela ny tenany ho resin’ny herin’ny devoly ka handà ny fahamarinana ary hiantsy ny heriko—

32 Izy ireo no ireo izay zanaky ny fahaverezana, izay lazaiko fa tsaratsara kokoa ho azy ireo ny tsy ho nateraka na oviana na oviana;

33 Fa izy ireo no fanaky ny fisafoahana voaozona hiaritra ny fisafoahan’ Andriamanitra miaraka amin’ny devoly sy ny anjeliny ao amin’ny mandrakizay;

34 Ny amin’izy ireo no efa nilazako fa tsy misy famelana na eo amin’izao tontolo izao na any amin’ny tontolo ho avy—

35 Satria efa nandà ny Fanahy Masina izy ireo rehefa avy nandray izany ary efa nandà ny Zanaka Lahitokan’ny Ray sady efa nanombo Azy ary namela Azy halam-baraka mibaribary.

36 Ireny no ireo izay handeha ho any amin’ny farihy afo sy solifara miaraka amin’ny devoly sy ny anjeliny—

37 Ary ireo no hany hananan’ny fahafatesana faharoa hery;

38 Eny marina tokoa, ireo no hany tsy ho voavotra amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Tompo, aorian’ny fiaretana ny fisafoahany.

39 Fa ny sisa rehetra dia hoentina hivoaka amin’ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty, amin’ny alalan’ny fandresena sy ny voninahitry ny Zanakondry izay voavono, izay tao an-tratran’ny Ray talohan’ny nanaovana ireo tontolo.

40 Ary izao no filazantsara, ny vaovao mahafaly izay nambaran’ny feo avy any an-danitra taminy—

41 Fa tonga teo amin’izao tontolo izao Izy, dia i Jesoa, mba hohomboana ho an’izao tontolo izao sy hitondra ny fahotan’izao tontolo izao, ary mba hanamasina izao tontolo izao sy hanadio izany amin’ny tsy fahamarinana rehetra;

42 Mba ho amin’ny alalany no hahazoana mamonjy ny rehetra izay efa napetraky ny Ray ho eo ambany heriny sy efa nohariany;

43 Izy izay mankalaza ny Ray sy mamonjy ny asan’ny tanany rehetra afa-tsy ireo zanaky ny fahaverezana izay mandà ny Zanaka taorian’ny efa nanambaran’ny Ray Azy.

44 Koa mamonjy ny rehetra Izy afa-tsy ireo—ireo dia handeha ho any amin’ny famaizana maharitra mandrakizay izay famaizana tsisy fiafarana, izay famaizana mandrakizay, ka hiara-hanjaka amin’ny devoly sy ny anjeliny any amin’ny mandrakizay any amin’izay tsy mahafaty ny kankany ary tsy voavono ny afo, izany no fijaliany—

45 Ary na ny fiafarany, na ny toerany, na ny fijaliany dia tsy misy olona mahafantatra;

46 Sady tsy nambara izany, no tsy ambara ary tsy hambara amin’olona afa-tsy amin’ireo izay atao mpandray anjara amin’izany;

47 Kanefa Izaho Tompo dia mampiseho izany amin’ny maro amin’ny alalan’ny fahitana saingy manakatona izany avy hatrany indray;

48 Koa ny fiafarany, ny sakany, ny haavony, ny halaliny ary ny fahoriany dia tsy azony sady tsy misy olona mahazo izany afa-tsy ireo izay voatendry ho amin’izany fanamelohana izany.

49 Ary renay ny feo, nanao hoe: Soraty ny fahitana fa indro izao no fiafaran’ny fahitana momba ny fijalian’ireo izay olon-dratsy.

50 Ary ankoatra izany, dia vavolombelona manambara izahay—satria nahita sy nandre izahay, ary izao no tenivavolombelon’ny filazantsaran’i Kristy momba ireo izay hivoaka amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty—

51 Izy ireo no ireo izay nandray ny tenivavolombelon’i Jesoa sy nino ny anarany ary natao batisa araka ny fomban’ny fandevenana Azy, rehefa nalevina tao anaty rano tamin’ny anarany, ary izany dia araka ny didy izay efa nomeny—

52 Mba ho amin’ny fitandremana ny didiny no hahazoana manasa sy manadio azy ireo amin’ny fahotany rehetra, ka handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ilay atokana sy fehezina ho amin’izany hery izany;

53 Ary izay mandresy amin’ny finoana sy fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana izay alatsaky ny Ray amin’ireo rehetra izay mahitsy sy marina.

54 Dia izy ireo no ireo izay fiangonan’ny Lahimatoa.

55 Izy ireo no ireo izay eo an-tanany no efa nanomezan’ny Ray ny zava-drehetra.

56 Izy ireo no ireo izay mpisorona sy mpanjaka, izay efa nandray avy amin’ny fahafenoany sy avy amin’ny voninahiny;

57 Ary mpisoron’ny Avo Indrindra, araka ny lamin’i Melkizedeka, izay araka ny lamin’i Enoka, izay araka ny lamin’ny Zanaka Lahitokana.

58 Koa, toy izay voasoratra, dia andriamanitra izy ireo, dia zanakalahin’ Andriamanitra

59 Koa ny zava-drehetra dia azy ireo, na fiainana, na fahafatesana, na ireo zavatra ankehitriny, na ireo zavatra ho avy, ny rehetra dia azy ireo ary izy ireo dia an’i Kristy ary i Kristy dia an’ Andriamanitra.

60 Ary handresy ny zava-drehetra izy ireo.

61 Koa aoka tsy hisy olona hanao olona ho reharehany, fa aoka kosa izy hanao an’ Andriamanitra ho reharehany, izay hampanaiky ny fahavalo rehetra ho eo ambanin’ny tongony.

62 Ireny no hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra sy i Kristiny mandrakizay mandrakizay.

63 Ireny no ireo izay hoentiny hiaraka Aminy, rehefa ho avy eny amin’ny rahona Izy mba hanjaka amin’ny olony ety an-tany.

64 Ireny no ireo izay hanana anjara amin’ny fitsanganana voalohany amin’ny maty.

65 Ireny no ireo izay hivoaka amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty.

66 Ireny no ireo izay efa mby eo an-tendrombohitr’i Ziona sy ao an-tanànan’ilay Andriamanitra velona, ilay toeran-danitra, ny masina indrindra amin’ny rehetra.

67 Ireny no ireo izay efa lasa naman’ireo anjely tsy omby alinalina, ao amin’ny fihaonambe sy ny fiangonan’i Enoka, ary ny an’ny Lahimatoa.

68 Ireny no ireo izay voasoratra any an-danitra ny anarany, izay Andriamanitra sy i Kristy no mpitsaran’ny rehetra.

69 Ireny no ireo izay olona marina natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao, izay nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany ihany.

70 Ireny no ireo izay selestialy ny vatany, izay ny an’ny masoandro ny voninahiny, dia ny voninahitr’ Andriamanitra, ny avo indrindra amin’ny rehetra, voninahitra izay voasoratra fa toy ny masoandron’ny habakabaka ny karazany.

71 Ary ankoatra izany, dia nahita ny tontolo terestrialy izahay, ary indro ka jereo, ireo no ireo izay anisan’ny terestrialy, ka ny voninahiny dia samy hafa amin’ny an’ny fiangonan’ny Lahimatoa izay efa nandray ny fahafenoan’ny Ray, dia tahaka ny an’ny volana izay samy hafa amin’ny an’ny masoandro eny amin’ny habakabaka.

72 Indro, ireo no ireo izay maty tsy nisy lalàna;

73 Ary koa ireo izay fanahin’ny olona notanana an-tranomaizina, izay novangian’ny Zanaka, ka nitoriany ny filazantsara mba ho azo tsaraina araka ny olona ao amin’ny nofo izy ireo;

74 Izay tsy nandray ny tenivavolombelon’i Jesoa tao amin’ny nofo, saingy nandray izany taty aoriana.

75 Ireo no ireo izay olom-banona teto an-tany, izay nohajambain’ny famitahan’ny olona.

76 Ireo no ireo izay mandray amin’ny voninahiny saingy tsy mandray amin’ny fahafenoany.

77 Ireo no ireo izay mandray amin’ny maha-eo ny Zanaka, saingy tsy mandray amin’ny fahafenoan’ny Ray.

78 Koa vatana terestrialy ireo fa tsy vatana selestialy, ary hafa ny voninahiny, tahaka ny maha-hafa ny volana amin’ny masoandro.

79 Ireo no ireo izay tsy maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa; koa tsy mahazo ny satroboninahitry ny fanjakan’ Andriamanitsika ireo.

80 Ary ankehitriny dia izany no fiafaran’ny fahitana izay hitanay momba ny terestrialy izay nandidian’ny Tompo anay hosoratana, raha mbola notsindrian’ny Fanahy izahay.

81 Ary ankoatra izany dia nahita ny voninahitry ny telestialy izahay, dia voninahitra izay ambany, dia tahaka ny maha-hafa ny voninahitr’ireo kintana amin’ny voninahitry ny volana eny amin’ny habakabaka.

82 Ireo no ireo izay tsy nandray ny filazantsaran’i Kristy sy ny tenivavolombelon’i Jesoa.

83 Ireo no ireo izay tsy nandà ny Fanahy Masina.

84 Ireo no ireo izay atsipy any amin’ny helo.

85 Ireo no ireo izay tsy havotana amin’ny devoly mandra-pahatongan’ny fitsanganana amin’ny maty farany, mandra-pahavitan’ny Tompo, dia i Kristy ilay Zanakondry ny asany.

86 Ireo no ireo izay tsy mandray ny amin’ny fahafenoany any amin’ny tontolon’ny mandrakizay, fa mandray ny amin’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fanompoan’ny terestrialy;

87 Ary ny terestrialy amin’ny alalan’ny fanompoan’ny selestialy.

88 Ary ny telestialy koa dia mandray izany amin’ny alalan’ny fanompoan’ny anjely izay voatendry hiahy azy ireo, na izay voatendry ho fanahy mpiahy azy ireo; fa izy ireo dia ho mpandova ny famonjena.

89 Ary dia toy izany no nahitanay, tao amin’ny fahitana avy any an-danitra, ny voninahitry ny telestialy izay manoatra noho ny fahatakaran’ny saina rehetra;

90 Ary tsy misy olona mahafantatra izany afa-tsy izay nanambaran’ Andriamanitra izany.

91 Ary dia toy izany no nahitanay ny voninahitry ny terestrialy izay manoatra noho ny voninahitry ny telestialy amin’ny zava-drehetra, dia amin’ny voninahitra sy amin-kery ary amin’ny tanjaka sy amin’ny fanapahana.

92 Ary dia toy izany no nahitanay ny voninahitry ny selestialy izay manoatra noho ny zava-drehetra—izay anjakan’ Andriamanitra, dia ny Ray, eo amin’ny seza fiandrianany mandrakizay mandrakizay;

93 Eo anoloan’ny seza fiandrianany izay iankohofan’ny zava-drehetra amin’ny fanajana feno fanetrentena, ary anomezany voninahitra Azy mandrakizay mandrakizay.

94 Ireo izay mitoetra eo anatrehany no fiangonan’ny Lahimatoa; ary mahita izy ireo tahaka ny ahitana azy ireo, ary mahafantatra izy ireo tahaka ny ahafantarana azy ireo rehefa nandray tamin’ny fahafenoany sy tamin’ny fahasoavany;

95 Ary ataony mitovy izy ireo amin-kery sy amin’ny tanjaka ary amin’ny fanapahana.

96 Ary iray ny voninahitry ny selestialy dia tahaka ny maha-iray ny voninahitry ny masoandro.

97 Ary iray ny voninahitry ny terestrialy, tahaka ny maha-iray ny voninahitry ny volana.

98 Ary iray ny voninahitry ny telestialy, tahaka ny maha-iray ny voninahitry ny kintana; fa tahaka ny kintana anankiray hafa voninahitra noho ny kintana anankiray, dia hafa voninahitra ny anankiray noho ny anankiray ao amin’ny tontolo telestialy;

99 Fa ireny no ireo izay an’i Paoly sy an’i Apôlôsy ary an’i Kefasy.

100 Ireny no ireo izay milaza fa izy ireo dia an’ny anankiray ary ny sasany dia an’ny iray hafa—ny sasany an’i Kristy ary ny sasany an’i Jaona, ary ny sasany an’i Mosesy, ary ny sasany an’i Elià, ary ny sasany an’i Esaia, ary ny sasany an’i Isaia, ary ny sasany an’i Enoka;

101 Nefa tsy noraisiny ny filazantsara, na ny tenivavolombelon’i Jesoa, na ireo mpaminany, na ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay.

102 Farany indrindra, dia ireny no ireo izay tsy hiara-hangonina amin’ny olomasina mba hakarina ho ao amin’ny fiangonan’ny Lahimatoa ary horaisina eny amin’ny habakabaka.

103 Ireny no ireo izay mpandainga sy mpanompo sampy sy mpanitsakitsa-bady sy mpijangajanga ary izay rehetra tia sy manao lainga.

104 Ireny no ireo izay miaritra ny fisafoahan’ Andriamanitra ety an-tany.

105 Ireny no ireo izay miaritra ny famalian’ny afo mandrakizay.

106 Ireny no ireo izay atsipy any amin’ny helo sy miaritra ny fisafoahan’ Andriamanitra Tsitoha ambara-pahatongan’ny fotoam-pahafenoana, rehefa avy mampanaiky ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony i Kristy ary nanatanteraka ny asany;

107 Rehefa hanolotra ny fanjakana Izy ary hanome ny Ray izany, tsisy pentina, hanao hoe: Efa nandresy Aho ary efa nanosihosy irery ny famiazam-boaloboka, dia ny famiazam-boaloboky ny firehetan’ny fisafoahan’ Andriamanitra Tsitoha.

108 Amin’izay dia hosatrohina ny satroboninahitry ny voninahiny Izy ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny heriny mba hanjaka mandrakizay mandrakizay.

109 Nefa indro, ka jereo, nahita ny voninahitry ny mponin’ny tontolo telestialy izahay, fa izy ireo dia tsy omby alinalina tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaky ny lanitra na tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina;

110 Ary nandre ny feon’ny Tompo nanao hoe: Ireo rehetra ireo dia hampilefitra ny lohaliny, ary ny lela rehetra dia hanaiky ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay mandrakizay;

111 Fa izy ireo dia hotsaraina araka ny asany, ary ny olona tsirairay dia handray araka ny asany avy, ny fanapahany ao amin’ireo fitoerana izay efa voaomana;

112 Ary ho mpanompon’ny Avo Indrindra izy ireo; saingy any amin’izay itoeran’ Andriamanitra sy i Kristy dia tsy azony aleha, tontolo tsisy fiafarana.

113 Izay no fiafaran’ny fahitana izay hitanay, izay nandidiana anay hosoratana raha mbola notsindrian’ny Fanahy izahay.

114 Saingy lehibe sy mahatalanjona ny asan’ny Tompo, mbamin’ireo misterin’ny fanjakany izay nasehony anay, izay manoatra noho ny fahatakarana rehetra amin’ny voninahitra sy amin’ny hery ary amin’ny fanapahana;

115 Izay nandidiany anay tsy hosoratana raha mbola notsindrian’ny Fanahy izahay, ary tsy azon’ny olona tenenina;

116 Sady tsy vitan’ny olona ny mampahafantatra azy ireny, satria izy ireny dia tsy natao ho hita sy hotakarina afa-tsy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izay atolotr’ Andriamanitra ho an’ireo izay tia Azy ary manadio ny tenany eo anoloany;

117 Izay omeny izany tombontsoa hahita sy hahafantatra ho an’ny tenan’izy ireo izany;

118 Mba ho amin’ny alalan’ny hery sy ny fanehoana ny Fanahy, raha mbola ao amin’ny nofo izy ireo, no hahatantesan’izy ireo ny fanatrehana Azy ao amin’ny tontolon’ny voninahitra.

119 Ary ho an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry anie ny voninahitra, ny laza ary ny fanapahana mandrakizay mandrakizay. Amena.