Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77


Fizarana 77

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao Hiram, Ohio tany amin’ny volana martsa 1832 tany. Izao no lazain’ny tantaran’i Joseph Smith, “Misy ifandraisany amin’ny fandikana ny Soratra Masina izao fanazavana noraisiko manaraka izao, izay momba ny Fanambaran’i Masindahy Jaona.”

1–4, Ny fananan’ny biby fanahy sy ny honenany ao amin’ny fahasambarana mandrakizay; 5–7, Efa 7000 taona ny taom-piainan’ity tany ity; 8–10, Famerenan’ireo anjely samihafa indray ny filazantsara sy ny fanompoana eto an-tany; 11, Ny fanisiana tombo-kase an’ireo 144000; 12–14, Ho avy i Kristy any amin’ny fiandohan’ny arivo taona fahafito; 15, Hatsangana ireo mpaminany roa ho an’ny firenena Jiosy.

1 F. Inona ilay ranomasina fitaratra voalazan’i Jaona ao amin’ny toko faha-4 ary andininy faha-6 ao amin’ny Apôkalipsy?V. Io ny tany amin’ny toetrany ny nohamasinina, tsy mety maty ary mandrakizay.

2 F. Inona no tian-kolazaina amin’ireo biby efatra voalazan’io toko io ihany?V. Ireo dia fanehoana an-tsary nampiasain’i Jaona Mpanambara mba hilazalazana ny lanitra, ny paradisan’ Andriamanitra, ny fahasambaran’ny olona sy ny an’ny biby ary ny an’ny zava-mandady sy ny an’ny voro-manidin’ny habakabaka; izay zavatra ara-panahy dia sarin’izay ara-nofo; ary izay ara-nofo dia sarin’izay ara-panahy; ny fanahin’ny olona dia araka ny sarin’izany olona izany, tahaka izany koa ny fanahin’ny biby sy ny an’ny zava-boary hafa rehetra izay noharian’ Andriamanitra.

3 F. Moa va ireo biby efatra maneho fotsiny ny sarin’ny biby tsirairay, sa moa izy ireo maneho sokajy na antoko?V. Izy ireo dia maneho fotsiny ny sarin’ny biby tsirairay efatra izay naseho an’i Jaona, mba haneho ny voninahitry ny sokajin’ny manan’aina ao amin’ny lamina voalahatra na ny sehatry ny fahariana azy, ao amin’ny fankafizany ny hasambarana mandrakizay.

4 F. Inona no tian-kolazaina amin’ny maso sy ny elatra izay nananan’ireo biby?V. Ny masony dia enti-maneho ny fahazavana sy ny fahalalana, izany hoe, feno fahalalana izy ireo; ary ny elany dia enti-maneho ny hery hihetsehana, hanaovana, etsetra.

5 F. Inona no tian-kolazaina amin’ny loholona efatra amby roapolo voalazan’i Jaona?V. Tokony ho fantatsika fa ireo loholona izay hitan’i Jaona ireo dia loholona izay efa nahatoky tamin’ny asa fanompoana ary nodimandry; izay anisan’ny fiangonana fito ary tao am-paradisan’ Andriamanitra tamin’izay.

6 F. Inona no tian-kolazaina momba ilay boky izay hitan’i Jaona voafehy tamin’ny tombon-kase fito ny vohony?V. Tokony ho fantatsika fa izany dia mirakitra ny sitrapo, ny mistery ary ny asan’ Andriamanitra voambara; ny zavatra miafina momba ny fitantanany ity tany ity nandritra ny fito arivo taona naharetany, na fotoam-pisiany.

7 F. Inona no tian-kolazaina amin’ny tombon-kase fito izay namehezana azy?V. Tokony ho fantatsika fa ny tombon-kase voalohany dia mirakitra ny zavatry ny arivo taona voalohany, fa ny faharoa dia ny arivo taona faharoa, ary dia toy izany hatrany mandra-pahatonga any amin’ny fahafito.

8 F. Inona no tian-kolazaina amin’ireo anjely efatra voalaza ao amin’ny toko faha-7 ary andininy voalohany ao amin’ny Apôkalipsy?V. Tokony ho fantatsika fa ireo no anjely efatra nirahina avy tamin’ Andriamanitra, izay omen-kery amin’ny vazan-tany efatra, mba hamonjy na hahavery aina; ireny no ireo izay manana ny filazantsara maharitra mandrakizay hotoriana amin’ny firenena, ny foko, ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra; sady manan-kery handrindrina ny lanitra, hampifamehy ho amin’ny fiainana na hanipy any amin’ny faritry ny haizina.

9 F. Inona no tian-kolazaina amin’ny hoe nisy anjely niakatra avy any atsinanana, ao amin’ny Apôkalipsy toko faha-7 ny andininy faha-2?V. Tokony ho fantatsika fa ny anjely niakatra avy any atsinanana dia izy ilay omena ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra velona amin’ny fokon’i Isiraely roa ambin’ny folo; koa niantso ny anjely efatra izay nanana ny filazantsara maharitra mandrakizay izy, nanao hoe: Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo mandra-panisinay tombo-kase ny mpanompon’ Andriamanitsika eo amin’ny handriny. Ary raha mety mandray ianareo dia izy no Elià izay ho avy mba hanangona miaraka ny firenen’i Isiraely sy hamerina indray ny zava-drehetra.

10 F. Inona no fotoana hahatanteraka ny zavatra voalaza ao amin’ity toko ity?V. Ireo dia ho tanteraka amin’ny arivo taona fahenina na amin’ny fanokafana ny tombo-kase fahenina.

11 F. Inona no tian-kolazaina amin’ny fanisiana tombo-kase ny efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy avy amin’ny firenen’i Isiraely rehetra—roa arivo sy iray alina isaky ny firenena tsirairay?V. Tokony ho fantatsika fa ireo izay voaisy tombo-kase dia mpisorona avo, natokana ho amin’ny lamina masin’ Andriamanitra, mba hitantana ny filazantsara maharitra mandrakizay; satria ireo no ireo izay natokana avy tamin’ny firenena, ny foko, ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra, tamin’ny alalan’ny anjely izay omen-kery amin’ny firenena eto an-tany, mba hitondra izay rehetra te hanatona, ho ao amin’ny fiangonan’ny Lahimatoa.

12 F. Inona no tian-kolazaina amin’ny hoe fanenon’ny trompetra voalaza ao amin’ny toko faha-8 ao amin’ny Apôkalipsy?V. Tokony ho fantatsika fa tahaka ny nanaovan’ Andriamanitra izao tontolo izao tao anatin’ny enina andro, ary tamin’ny andro fahafito dia namita ny asany Izy ary nanamasina izany, ary namorona koa ny olona avy tamin’ny vovo-tany, dia tahaka izany koa, amin’ny fiandohan’ny arivo taona fahafito no hanamasinan’ny Tompo Andriamanitra ny tany ary hamaranany ny famonjena ny olona sy hitsarany ny zava-drehetra ary hanavotany ny zava-drehetra afa-tsy ireo izay tsy napetrany ho eo amin’ny heriny, rehefa avy nasiany tombo-kase ny zava-drehetra, ho fiafaran’ny zava-drehetra; ary ny fanenon’ny trompetran’ireo anjely fito dia fanomanana sy famaranana ny asany, amin’ny fiandohan’ny arivo taona fahafito—fanomanana ny lalana mialoha ny fotoana hiaviany.

13 F. Rahoviana no ho tanteraka ireo zavatra izay voasoratra ao amin’ny toko faha-9, ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsy?V. Ireo dia ho tanteraka aorian’ny fanokafana ny tombo-kase fahafito, mialoha ny fiavian’i Kristy.

14 F. Inona no tian-kolazaina momba ilay boky kely izay nohanin’i Jaona, araka ny voalaza ao amin’ny toko faha-10 ao amin’ny Apôkalipsy?V. Tokony ho fantatsika fa asa anirahana sady ôrdônansy ho azy ny fanangonana ny firenen’i Isiraely; indro, izy no Elià izay tsy maintsy ho avy araka ny voasoratra ary hamerina indray ny zava-drehetra.

15 F. Inona no tian-kolazaina amin’ny hoe vavolombelona roa, ao amin’ny toko fahiraika ambin’ny folon’ny Apôkalipsy?V. Izy ireo dia mpaminany roa izay hatsangana ho an’ny firenena Jiosy amin’ny andro farany, amin’ny fotoan’ny famerenana ho amin’ny laoniny, ary haminany ho an’ny Jiosy rehefa voangona izy ireo sady avy nanorina ny tanànan’i Jerosalema eo amin’ny tanin’ny razany.