Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, 1 Samoela 16


DJS, 1 Samoela 16:14–16, 23. Ampitahao amin’ny 1 Samoela 16:14–16, 23; toy izany koa ny fanovana natao tamin’ny 1 Samoela 18:10 sy 19:9

Ny fanahy ratsy izay tonga tamin’i Saoly dia tsy avy amin’ny Tompo.

14 Fa niala tamin’i Saoly ny Fanahin’ny Tompo, ary ny fanahy ratsy izay tsy avy amin’ny Tompo no nanelohelo azy.

15 Ary hoy ireo mpanompon’i Saoly taminy: Indro ankehitriny, ny fanahy ratsy izay tsy avy amin’ Andriamanitra no manelohelo anao.

16 Aoka ny tomponay ankehitriny handidy ny mpanomponao izay eto anoloanao mba hitady olona havanana amin’ny fitendrena harpa; ary ny zavatra hitranga rehefa manelohelo anao ny fanahy ratsy izay tsy avy amin’ Andriamanitra, dia hitendry amin’ny tanany izy, dia ho tsara ianao.

23 Ary ny zava-nitranga nony mby teo amin’i Saoly ilay fanahy ratsy izay tsy avy amin’ Andriamanitra dia nandray harpa i Davida ary nitendry tamin’ny tanany; dia velombelona i Saoly sady nihatsara, ary niala taminy ilay fanahy ratsy.