Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Eksodosy 34


DJS, Eksodosy 34:1–2, 14. Ampitahao amin’ny Eksodosy 34:1–2, 14; F&F 84:21–26

Nanoratra lalàna indray teo amin’ireo vato fisaka izay nomanin’i Mosesy Andriamanitra, saingy nesoriny tsy ho eo amin’ny zanak’i Isiraely ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo ôrdônansiny. Nomeny ny lalàn’ny didy ara-nofo izy ireo ho solon’izany.

1 Ary hoy ny Tompo tamin’i Mosesy: Manaova ianao vato fisaka roa hafa tahaka ilay voalohany, dia hosoratako eo amin’ireo koa ny tenin’ny lalàna, araka ny nanoratana izany teo amin’ny vato fisaka voalohany izay novakivakinao; saingy tsy ho araka ny voalohany izany, fa hoesoriko hiala avy eo afovoany ny fisoronana; koa ny lamiko masina mbamin’ny ôrdônansiny dia tsy handeha eo anoloan’izy ireo; fa tsy handeha eo afovoany ny fisiako fandrao hofongorako izy ireo.

2 Fa homeko azy ireo toy ny tamin’ny voalohany ny lalàna, saingy izany dia ho araka ny lalàn’ny didy ara-nofo; fa efa nianiana tao amin’ny fisafoahako Aho, fa izy ireo dia tsy hiditra eo anatrehako, ao amin’ny fitsaharako amin’ny andron’ny fivahinianany. Koa ataovy araka izay efa nandidiako anao, ary mivonòna amin’ny maraina, ary miakara eo an-tendrombohitr’i Sinay amin’ny maraina, ka ento eo Amiko ny tenanao, eo an-tampon’ny tendrombohitra.

Jehovah dia anarana anankiray izay nahafantaran’ny olon’ny Testamenta Taloha an’i Jesoa Kristy Tompo.

14 Fa tsy hidera Andriamanitra hafa ianao; fa ny Tompo izay i Jehovah no anarany dia Andriamanitra saro-piaro.