Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Isaia 42


DJS, Isaia 42:19–23. Ampitahao amin’ny Isaia 42:19–22

Haniraka ny mpanompony hampianatra ireo izay nisafidy ny tsy hijery na hihaino ny fahamarinana ny Tompo; hatao tonga fanaperana ireo izay mihaino sy mankatò.

19 Fa hirahiko ny mpanompoko ho any aminareo izay jamba; eny, ny iraka, hampahiratra ny mason’ny jamba sy hampahalady ny sofin’ny marenina;

20 Dia hatao tonga fanaperana izy raha mihaino ilay iraka, ilay mpanompon’ny Tompo, na dia eo aza ny fahajambany.

21 Ianao dia vahoaka mahita zavatra maro saingy tsy mitandrina; manokatra ny sofinao mba handre saingy tsy mandre.

22 Tsy mankasitraka ny olona toy izany ny Tompo, saingy noho ny amin’ny fahamarinany, dia hanalehibe ny lalàna Izy ary hahatonga izany ho mendri-kaja.

23 Ianao dia vahoaka norobaina sy nobaboina; ny fahavalonao, izy rehetra, dia efa namandrika anao tao an-davaka, ary efa nafeniny tao an-tranomaizina ianao; fa efa nataony ho haza ianao ka tsy misy manafaka; ho babo ka tsy misy miteny hoe: Ampodio.