Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Jaona 13


DJS, Jaona 13:8–10. Ampitahao amin’ny Jaona 13:8–10

Nosasan’i Jesoa ny tongotr’ireo Apôstôly mba hanatanterahana ny lalàn’ny Jiosy.

8 Hoy i Petera taminy: Tsy tokony hanasa ny tongotro Ianao. Namaly azy i Jesoa hoe: Raha tsy sasako ianao dia tsy miara-manana anjara amiko.

9 Hoy i Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany àry fa ny tanako sy ny lohako koa.

10 Hoy i Jesoa taminy: Izay efa nanasa ny tanany sy ny lohany dia tsy tokony hanasa afa-tsy ny tongony, fa efa madio ny tenany manontolo; ary efa madio ianareo, nefa tsy ianareo rehetra. Ankehitriny dia izany no fomban’ny Jiosy araka ny lalàny; koa i Jesoa dia nanao izany mba hahatanteraka ny lalàna.