Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Romana 3


DJS, Romana 3:5–8. Ampitahao amin’ny Romana 3:5–8

Nampianatra i Paoly fa ny olona iray dia tsy afaka hanao ratsy ka hoe mba hiavian’ny soa.

5 Fa raha toa isika ka mitoetra ao amin’ny tsy fahamarinantsika ary mampiseho ny fahamarinan’ Andriamanitra, ahoana no asahiantsika milaza hoe: Tsy marina angaha Andriamanitra izay mandatsaka ny fahatezerany? (Miteny amin’ny maha-olona matahotra an’ Andriamanitra aho,)

6 Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’ Andriamanitra ahoana no fitsarana an’izao tontolo izao?

7 Fa raha ny fahamarinan’ Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ny laingako, (araka ny fandraisan’ny Jiosy azy,) ho voninahiny; nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray? Ary tsy voaray? Satria endrikendrehina izahay;

8 Ary ny sasany dia manamafy fa nilaza (izay marina ilay fanamelohana,) izahay hoe: Ary nahoana no tsy hanao ratsy hiavian’ny soa isika? Nefa diso izany.