Ny soratra masina
Abrahama 5


Toko 5

Novitain’ireo Andriamanitra ny drafiny momba ny fahariana ny zava-drehetra—Notanterahany ny Fahariana araka ny drafiny—Nomen’i Adama anarana ny voary manana aina rehetra.

1 Ary toy izany no hamintantsika ny lanitra sy ny tany mbamin’ireo mponiny eo aminy avy.

2 Ary nifampiresaka ireo Andriamanitra hoe: Amin’ny afotoana fahafito, dia hofaranantsika ny asantsika izay efa notapahintsika; ary hitsahatra amin’ny asantsika rehetra izay efa notapahintsika Isika amin’ny fotoana fahafito.

3 Ary ireo Andriamanitra dia namarana tamin’ny fotoana fahafito, satria tamin’ny fotoana fahafito Izy ireo no tokony ahitsahatra amin’ny asany rehetra izay notapahin’izy ireo (Ireo Andriamanitra) teo anivon’izy ireo mba hatao; ary bnanamasina izany. Ary dia toy izany no fanapahan-keviny tamin’ny fotoana izay nanapahany teo anivony mba hamoronana ny lanitra sy ny tany.

4 Dia nidina ireo Andriamanitra ary nametraka ireo dingana teo amin’ny famoronana ny lanitra sy ny tany ireo, fony izy ireo noforonina tamin’ny andro izay namoronan’ireo Andriamanitra ny tany sy ny lanitra,

5 Araka izay rehetra efa nolazainy momba ny zavamaniry rehetra eny an-tsaha atalohan’ny nisiany teto an-tany, ary ny ahitra rehetra eny an-tsaha talohan’ny naniriany; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin’ny tany ireo Andriamanitra fony Izy ireo nanapaka ny hanao azy ireny ary tsy mbola namorona ny olona mba hiasa ny tany.

6 Fa ny zavona niakatra avy tamin’ny tany ka nandena ny tany manontolo.

7 Ary ireo aAndriamanitra dia namorona ny olona avy amin’ny bvovo-tany, ka naka ny dfanahiny (izany hoe, ny fanahin’ny olona) ary nametraka izany tao aminy; ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony, ka tonga efanahy velona izy.

8 Ary nanao saha tao aEdena, tao atsinanana, ireo Andriamanitra, ary tao Izy ireo no nampitoetra an-dralehilahy ka napetrak’Izy ireo tao amin’ny vatany izay efa nataon’izy ireo ny fanahiny.

9 Ary teo amin’ny tany no nampanirian’ireo Andriamanitra ny hazo rehetra izay mahafinaritra ny maso sy tsara ho fihinana; ny ahazon’aina koa dia teo afovoan’ny saha, mbamin’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

10 Nisy renirano iray nivoaka avy tao Edena, mba hanondraka ny saha, ary hatreo izany dia nizara ka tonga lohany efatra.

11 Ary nalain’ireo Andriamanitra ralehilahy ka napetrany tao amin’ny Saha Edena mba hiasa sy hitandrina azy.

12 Ary ireo Andriamanitra dia nandidy an-dralehilahy, nanao hoe: Ny hazo rehetra eto amin’ny saha dia azonao ihinanana malalaka,

13 Fa ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia tsy hihinananao; fa amin’ny fotoana izay ihinananao azy, dia ho faty marina tokoa ianao. Ankehitriny izaho Abrahama dia nahita fa izany dia araka ny afotoan’ny Tompo, izay araka ny fotoan’i bKôlôba; fa tsy mbola notendren’ireo Andriamanitra ho an’i Adama ny fanisana ny fotoany.

14 Ary hoy ireo Andriamanitra: Aoka isika hanao mpanampy sahaza ho an-dralehilahy, fa tsy tsara raha irery rahalehilahy, koa hanaovantsika mpanampy sahaza ho azy izy.

15 Ary nataon’ireo Andriamanitra renoky ny torimaso lalina i aAdama; dia natory izy, ary naka ny anankiray tamin’ny taolan-tehezany Izy ireo ka nanakombona ny nofo teo amboniny;

16 Ary avy amin’ny taolan-tehezana izay nalain’ireo Andriamanitra tamin-dralehilahy no namoronany avehivavy iray ka nentiny teo amin-dralehilahy.

17 Ary hoy i Adama: Ity dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko; ankehitriny dia hatao hoe Vehivavy izy satria nalaina avy tamin’ny lehilahy;

18 Koa ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka ahikambana amin’ny vadiny; ary ho bnofo iray ihany izy ireo.

19 Ary samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy menatra.

20 Ary avy amin’ny tany no namoronan’ireo Andriamanitra ny biby rehetra eo amin’ny saha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka, ary nentin’izy ireo teo amin’i Adama ireny hahitana izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny voary manana aina tsirairay dia izay no anarany.

21 Dia nomen’i Adama anarana avokoa ny biby fiompy, ny voron’ny habakabaka mbamin’ny bibidia rehetra eny an-tsaha; ary ho an’i Adama, dia hita ny mpanampy sahaza ho azy.