Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103


Fizarana 103

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 24 febroary 1834. Ity fanambarana ity dia azo taorian’ny fahatongavan’i Parley P. Pratt sy i Lyman Wight, izay avy any Missouri ary tonga tao Kirtland, Ohio, mba hikaon-doha miaraka amin’ny Mpaminany momba ny fanampiana sy ny fampodiana ireo Olomasina amin’ny taniny, ao amin’ny Fivondronan’i Jackson.

1–4, Nahoana no navelan’ny Tompo henjehina ireo Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson; 5–10, Handresy ny Olomasina raha mitandrina ny didy; 11–20, Ho tonga amin-kery ny fanavotana an’i Ziona, ary ny Tompo no handeha eo anoloan’ny vahoakany; 21–28, Hivondrona ao i Ziona ny Olomasina, ary ireo izay mahafoy ny ainy dia hahazo izany indray; 29–40, Voantso ireo rahalahy samihafa mba hanangana ny Tobin’i Ziona sy handeha any Ziona; ampanantenaina fandresena izy ireo raha mahatoky.

1 Lazaiko aminareo marina tokoa ry sakaizako, indro, homeko anareo ny fanambarana sy ny didy mba hahafantaranareo ny afomba hatao hanatontosana ny andraikitrareo momba ny famonjena sy ny bfanavotana ny rahalahinareo izay efa nahahaka ao an-tanin’i Ziona;

2 Rehefa anoroahina sy nokapohin’ny tanan’ny fahavaloko izay eo aminy no haidiko ny fisafoako tsisy fetra amin’ny fotoako.

3 Fa efa niaretako izy ireo hatrizao mba hahazoany amameno ny fatran’ny helony, mba hahatonga ny kapoakany ho feno;

4 Ary mba ho azo afaizina amin’ny famaizana mivaivay sy maharary ary mandritra ny fotoana fohy ireo izay mampitondra ny tenany ny anarako, noho izy ireo tsy bnihaino tanteraka ny fitsipika sy ny didy izay nomeko azy ireo.

5 Nefa lazaiko aminareo marina tokoa fa efa navoakako ny didim-pitondrana izay ho efan’ny vahoakako, raha toa izy hatramin’izao ora izao ka mihaino ny atorohevitra izay homeko Izaho Tompo Andriamaniny azy.

6 Indro hanomboka handresy ny fahavaloko izy hatramin’izao ora izao, satria Izaho no efa nandidy izany.

7 Ary amin’ny afiezahana hitandrina ny teny rehetra izay hoteneniko Izaho Tompo Andriamaniny aminy, dia tsy hitsahatra na oviana na oviana ny handresy izy ambara-pahatongan’ireo bfanjakana eo amin’izao tontolo izao ho eo ambanin’ny tongotro ary ny tany dhomena ny eolomasina izay fhizaka izany mandrakizay mandrakizay.

8 Nefa raha toa ka tsy amitandrina ny didiko izy ary tsy miezaka ny hitandrina ny teniko rehetra, dia handresy azy ny fanjakana eo amin’izao tontolo izao.

9 Fa napetraka ho afahazavana ho an’izao tontolo izao izy ary ho mpamonjy ny olona;

10 Ary raha toa ka tsy mpamonjy ny olona izy dia tahaka ny asira izay tonga matsatso, koa tsy tsara na amin’inona na amin’inona intsony izy fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ny olona.

11 Nefa lazaiko aminareo marina tokoa, efa notapahiko fa ireo rahalahinareo izay efa nahahaka dia hiverina amin’ny atany lovany ary hanarina ireo toerana rava ao Ziona.

12 Fa aorian’ny afahoriana be, araka izay efa nolazaiko anareo tany aloha, dia avy ny fitahiana.

13 Indro, izao no fitahiana izay efa nampanantenaiko aorian’ny fahorianareo sy ny fahorian’ny rahalahinareo—ny fanavotana anareo sy ny fanavotana ny rahalahinareo, dia ny fampodiana azy eo an-tanin’i Ziona, mba haorina ka tsy haongana intsony.

14 Kanefa raha mandoto ny lovany izy dia haongana; fa tsy hitsitsy azy Aho raha mandoto ny lovany izy.

15 Indro, lazaiko aminareo fa tsy maintsy ilaina ho tonga amin- kery ny fanavotana an’i Ziona;

16 Ka hatsangako ho an’ny oloko ny lehilahy iray izay hitarika azy tahaka ny nitarihan’i aMosesy ny zanak’i Isiraely.

17 Fa ianareo no zanak’i Isiraely sy avy amin’ny ataranak’i Abrahama, ary tsy maintsy ilaina ny hitarihina anareo amin-kery sy amin’ny sandry mihinjitra hiala amin’ny fatorana.

18 Ary tahaka ny nitarihina ny razanareo tany am-piandohana, dia ho tahaka izany koa ny fanavotana an’i Ziona.

19 Koa aoka tsy ho ketraka ny fonareo, satria Izaho tsy milaza aminareo toy izay nolazaiko tamin’ny razanareo hoe: Ny aanjeliko no handeha hiakatra eo alohanareo fa tsy ny btenako.

20 Fa hoy Aho aminareo: Ny aanjeliko no handeha hiakatra eo alohanareo, mbamin’ny tenako koa, ary amin’ny fotoana dia bhizaka ny tany tsara ianareo.

21 Lazaiko aminareo marina dia marina, fa i Joseph Smith zanany mpanompoko no ilay alehilahy izay ohariko amin’ilay mpanompo izay nitenenan’ny Tompon’ny btanimboaloboka ao amin’ny fanoharana izay nomeko anareo.

22 Koa aoka i Joseph Smith zanany mpanompoko hilaza amin’ny atanjaky ny tranoko, ny zatovolahiko sy ny lehilahy vory taona hoe—Miaraha ianareo ka mivondrona eo an-tanin’i Ziona, eo amin’ny tany izay novidiko tamim-bola izay efa natokana ho Ahy.

23 Ary aoka ny fiangonana rehetra handefa lehilahy hendry miaraka amin’ny volany ary ahividy tany araka izay nandidiako azy ireo.

24 Ary raha tamy mamatravatra aminareo ny fahavaloko mba handroaka anareo hiala amin’ny atany tsarako izay efa natokako ho tanin’i Ziona, dia ny taninareo ihany, aorian’ireo tenivavolombelona izay efa nentinareo teo anoloako hiampangana azy, dia hozoninareo izy;

25 Ary na zovy na zovy no ozoninareo dia hozoniko, ary hovalianareo amin’ny fahavaloko Aho.

26 Ary homba anareo ny tenako, amin’ny afamaliana Ahy amin’ny fahavaloko hatrany amin’ny zafiafy sy ny zafindohaliko ireo izay mankahala Ahy.

27 Aoka tsy hisy olona hatahotra ny hamoy ny ainy noho ny Amiko; fa na zovy na zovy no amamoy ny ainy noho ny Amiko dia hahita izany indray.

28 Ary na zovy na zovy no tsy vonona ny hamoy ny ainy noho ny Amiko dia tsy mpianatro.

29 Ny sitrapoko dia ny hanandratan’i aSidney Rigdon mpanompoko ny feony any amin’ireo fiangonana amin’ny tany atsinanana, ho fanomanana ireo fiangonana hitandrina ny didy izay nomeko azy momba ny famerenana indray sy ny fanavotana an’i Ziona.

30 Ny sitrapoko dia ny tsy hiverenan’i aParley P. Pratt mpanompoko sy i Lyman Wight mpanompoko any amin’ny tanin’ny rahalahiny raha tsy efa nahazo namana mba handeha hiakatra any an- tanin’i Ziona, manao andiany folo, na andiany roapolo, na andiany dimampolo, na andiany zato, mandra-pahazoany ny isa dimanjato btanjaky ny tranoko.

31 Indro izany no sitrako; mangataha dia handray ianareo; nefa atsy manao ny sitrapoko mandrakariva ny olona.

32 Koa raha tsy mety mahazo dimanjato ianareo, dia mitadiava fatratra fa angamba mba mety hahazo telonjato ianareo.

33 Ary raha tsy mety mahazo telonjato ianareo, dia mitadiava fatratra fa angamba mba mety mahazo zato ianareo.

34 Nefa lazaiko aminareo marina tokoa, didy no omeko anareo tsy handehananareo miakatra any an- tanin’i Ziona raha tsy azonareo ny zato tanjaky ny tranoko handeha hiara-hiakatra aminareo any an-tanin’i Ziona.

35 Koa, araka izay nolazaiko taminareo, mangataha dia handray ianareo; mivavaha amin- kafanam-po fa angamba mety handeha hiaraka aminareo i Joseph Smith zanany mpanompoko ka hiahy eo afovoan’ny vahoakako ary hanangana ny fanjakako eo amin’ny tany avoatokana sy hampiorina ny zanak’i Ziona araka ny lalàna sy ny didy izay efa nisy sy izay homena ho anareo.

36 Ny fandresena sy ny voninahitra rehetra dia ho tanteraka aminareo amin’ny alalan’ny afahazotoanareo, ny fahatokianareo ary ny bvavaka amin’ny finoana.

37 Aoka i Parley P. Pratt mpanompoko handeha hiaraka amin’i Joseph Smith zanako mpanompoko.

38 Aoka i Lyman Wight mpanompoko handeha hiaraka amin’i Sidney Rigdon mpanompoko.

39 Aoka i Hyrum Smith mpanompoko handeha hiaraka amin’i Frederick G. Williams mpanompoko.

40 Aoka i Orson Hyde mpanompoko handeha hiaraka amin’i Orson Pratt mpanompoko na aiza na aiza hanoroan’i Joseph Smith zanany mpanompoko azy ireo haleha, mba hahatonga ny fahatontosan’ireo didy izay efa nomeko anareo, ary avelao ny sisa ho eo an-tanako. Izany tokoa. Amena.