Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanekempihavanan’i Abrahama


Fanekempihavanan’i Abrahama

Nandray ny filazantsara i Abrahama ary natokana ho amin’ny fisoronana avo (F&F 84:14; Abr. 2:11), sady niditra tao amin’ny fanambadiana selestialy izy, izay ny fanekempihavanan’ny fisandratana (F&F 131:1–4; 132:19, 29). Azon’i Abrahama ny fampanantenana fa ireo fitahiana rehetra avy amin’ireo fanekempihavanana ireo dia hatolotra ho an’ny taranany eto an-tany (F&F 132:29–31; Abr. 2:6–11). Ireo fanekempihavanana sy fampanantenana ireo miaraka no atao hoe fanekempihavanan’i Abrahama. Ny famerenana indray io fanekempihavanana io no Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny amin’ny andro farany, fa amin’ny alalan’izany no itahiana ny firenena rehetra eran-tany (Gal. 3:8–9, 29; F&F 110:12; 124:58; Abr. 2:10–11).