Fanampiana amin’ny fandalinana
3. Ny Faritr’i New York, Pennsylvania, ary Ohio any Etazonia


3. Ny Faritr’i New York, Pennsylvania, ary Ohio any Etazonia

Sary
Sarintanin’ny tantaran’ny Fiangonana 3

Ava.

Toronto

Farihy Ontario

Rochester

Farihy Huron

Lakandrano Erie

Palmyra

Mendon

Buffalo

Fayette

Manchester

South Bainbridge

Perrysburg

Freedom

Farihy Finger

Colesville

New York

Tranon’i Joseph Knight rainy

Farihy Erie

Kanada

Tranon’i Joseph Smith zanany

Etazonia

Thompson

Renirano Susquehanna

Harmony

Cleveland

Kirtland

Pennsylvania

Ohio

Amherst

Orange

Hiram

Kilaometatra

0 50 100 150 200

A B D E F G H I

1 2 3 4

1

2

3

4

5

6

7

8

9

10

  1. South Bainbridge Tao no nivady i Joseph Smith zanany sy i Emma Hale ny 18 janoary 1827 (jereo JS—T 1:57).

  2. Colesville Tao an-tranon’i Joseph Knight rainy, tao an-tanànan’i Colesville, no natsangana ny sampana voalohany tao amin’ny Fiangonana tamin’ny taona 1830.

  3. Tranon’i Joseph Smith zanany tao Harmony Tao no namitana ny ankamaroan’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Teo amin’ny moron’ny Renirano Susquehanna no namerenana indray ny fisoronana ny taona 1829 (jereo F&F 13; 128:20; JS—T 1:71–72).

  4. Fayette Tao no nahitan’ireo Vavolombelona Telo ny anjely Môrônia sy ny takelaka volamena (F&F 17). Vita tao tamin’ny volana jona 1829 ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Naorina tao ny Fiangonana ny 6 aprily 1830 (jereo F&F 20–21).

  5. Mendon Isan’ny toerana voalohany nonenan’i Brigham Young sy i Heber C. Kimball.

  6. Kirtland Nijanona tao ireo misiônera avy any Kirtland izay nirahina hankany amin’ny Lamànita tamin’ny taona 1830, ka nanao batisa an’i Sidney Rigdon sy ireo hafa tao amin’ny faritr’i Kirtland. Foiben’ny Fiangonana izany ny taona 1831 ka hatramin’ny taona 1838. Naorina tao Kirtland ny tempoly voalohany amin’izao fotoampitantanana izao ary notokanana ny 27 martsa 1836 (jereo F&F 109).

  7. Lakandrano Erie Ireo sampana telon’ny Fiangonana tao New York (Colesville, Fayette, sy Manchester) dia nifindra tao Kirtland, Ohio, nandalo ny Lakandrano Erie sy ny Farihy Erie, ny volana aprily sy mey 1831.

  8. Hiram Nonina tao i Joseph sy i Emma nanomboka ny volana septambra 1831 ka hatramin’ny volana septambra 1832. Niasa ny Baiboly, dikan-tenin’i Joseph Smith (DJS) i Joseph sy i Sidney Rigdon. Noraisina tao ireto fanambarana ireto: F&F 1, 65–71; 73; 76–77; 79–81; 99; 133.

  9. Amherst Notohanana ho Filohan’ny Fisoronana Avo i Joseph Smith ny 25 janoary 1832 (jereo F&F 75).

  10. Toronto Fonenan’i John Taylor, Filoha fahatelon’ny Fiangonana sy i Mary Fielding Smith, vadin’i Hyrum Smith.