Fanampiana amin’ny fandalinana
5. Ny Faritr’i Missouri, Illinois, ary Iowa any Etazonia


5. Ny Faritr’i Missouri, Illinois, ary Iowa any Etazonia

Sary
Sarintanin’ny tantaran’ny Fiangonana 5

Ava.

Winter Quarters

Council Bluffs (Kanesville)

Tendrombohitra Pisgah

Iowa

Renirano Platte

Nauvoo

Garden Grove

Ramus

Montrose

Faritanin’ny Indiàna

Renirano Missouri

Renirano Grand

Carthage

Renirano Chariton

Springfield

Quincy

Adama-ondia-Amàna

Renirano Mississippi

Illinois

Gallatin

Shoal Creek

Fitotoambarin’i Hawn

Renirano Fishing

Far West

DeWitt

Missouri

Liberty

Richmond

McIlwaine’s Bend

Fort Leavenworth

Independence

Renirano Missouri

St. Louis

Fivondronan’i Jackson

Kilaometatra

0 50 100 150 200

A B D E F G H I

1 2 3 4

1

2

3

4

5

6

7

8

9

  1. Independence Nambara ho ny ivon-toeran’i Ziona (jereo F&F 57:3). Natokana tao ny 3 aogositra 1831 ny toerana iray ho an’ny tempoly. Noroahina avy tao Jackson County ny Olomasina tamin’ny taona 1833.

  2. Renirano Fishing Nandeha avy any Kirtland, Ohio, nankany Missouri i Joseph Smith sy ny Tobin’i Ziona tamin’ny taona 1834 mba hamerina ireo Olomasin’ny Fivondronan’i Jackson tamin’ny taniny. Teo amin’ny moron’io renirano io no nanambarana ny F&F 105.

  3. Far West Io no fiorenam-ponenana Môrmôna lehibe indrindra tao Missouri. Natokana tao amin’io toerana io ny toerana iray ho an’ny tempoly (jereo F&F 115). Tao tamin’ny 8 jolay 1838 no nandraisain’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifilolo ny antso avy amin’ny Tompo hanao asa fitoriana any amin’ireo nosy Anglisy (jereo F&F 118).

  4. Adama-ondia-Amàna Ny Tompo dia nanambara io toerana ao Missouri ambony io ho ny toerana izay hisian’ny fivoriana lehibe rehefa avy i Jesoa Kristy hihaona amin’i Adama sy ireo taranany marina (jereo F&F 78:15; 107:53–57; 116).

  5. Fonjan’i Liberty Nogadraina tsy ara-drariny tao i Joseph Smith sy ireo hafa ny volana desambra 1838 ka hatramin’ny volana aprily 1839. Niantso ny Tompo mba hahazo fitarihana i Joseph tao anatin’ireo fotoan-tsarotra nolalovan’ny Fiangonana, ary nahazo ny F&F 121–123.

  6. Nauvoo Io toerana miorina eo amin’ny Renirano Mississippi io no toerana nivorian’ny Olomasina ny taona 1839 ka hatramin’ny taona 1846. Naorina tao ny tempoly, ary natomboka ireo ôrdônansy toy ny batisa ho an’ny maty, ny fanafiana masina, ary ny famehezana ny mpivady. Tao no nananganana ny Fikambanana Ifanampiana ny taona 1842. Isan’ny fanambarana noraisina tao ny F&F 124–129.

  7. Carthage Tao no namonoana ho maritiora ny Mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny ny 27 jona 1844 (jereo F&F 135).

  8. Winter Quarters Toerana lehibe indrindra nipetrahan’ny Olomasina nandritra ny fotoana fohy (1846–1848) raha teny an-dalana ho any amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Natsangana ny tobin’i Isiraely ho an’ny dia miankandrefana (jereo F&F 136).

  9. Council Bluffs (Kanesville) Notohanana tao ny Fiadidiana Voalohany ny 27 desambra 1847, ary i Brigham Young no Filoha.