2010–2019
Mpanara-dia an’i Kristy
Aprily 2011


Mpanara-dia an’i Kristy

Ny mpanara-dia an’i Kristy dia mandrafitra ny fiainany araka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ary mandeha amin’ny hazavana.

Tamin’ny volana Ôktôbra lasa teo, dia niaraka tamin’ny Loholona sy Rahavavy Neil L. Andersen mivady izahay mivady tamin’ny fangadiana ny fototry ny tempoly vaovaon’i Córdoba, Argentine. Toy ny mahazatra, dia nisy valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety taorian’ilay lanonana. Mpanao gazety iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana, no nanao fanamarihana hoe hitany ny fomba tena tsara hitondran’ny lehilahy ireo vadiny. Avy eo izy dia nametraka fanontaniana izay tsy nampoizina: “Tena marina ve izany sa foronin’ny eritreritra fotsiny?” Azoko antoka fa nahita sy nahatsapa zavatra miavaka teo amin’ireo mpikambana izy. Mety tsikariny angamba ny fanirian’ny mpikambana ao amintsika hanara-dia an’i Kristy. Manana faniriana toy izany ny mpikambana manerana an’izao tontolo izao. Miaraka amin’izany koa, dia an-tapitrisany ireo izay tsy mpikamban’ny Fiangonana manana faniriana ihany koa ny hanara-dia Azy.

Vao tsy ela akory izahay mivady no talanjona tamin’ireo olona hitanay tany Ghana sy Nigeria. Ny ankamaroany dia tsy mpikamban’ny fiangonana. Faly izahay nahita ny fanirian’izy ireo hanara-dia an’i Kristy izay asehon’izy ireo amin’ny resaka ataony any an-tranon’izy ireo, eny ambony fiarakodian’izy ireo, eny amin’ny tambohon’izy ireo ary eny amin’ny takela-pametahana dokam-barotra. Mbola tsy fiangonana Kristiana maro dia maro nifanakaiky toy izany izahay hatrizay.

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia andraikitsika ny manasa olona an-tapitrisany tahaka ireo olona ireo mba hanatona sy hijery ny zavatra azon’nyfiangonantsika hampiana amin’ireo zavatra tsara izay efa ananan’izy ireo. Ny olona rehetra avy amin’izay mety ho kaontinanta misy na avy amin’izay mety ho toetrandro misy na avy amin’izay mety ho kolotsaina misy dia afaka mahafantatra ho an’ny tenany manokana fa ny Mpaminany Joseph Smith dia nahita ny Ray sy ny Zanaka tao anatin’ny fahitana iray. Afaka mahafantatra izy ireo fa nisy iraka avy any an-danitra namerina tamin’ny laoniny ny fisoronana ary ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Hoy ny tenin’i Enôka hoe: “Fahamarinana no[naidina] avy any an-danitra; ary ny marina no [nalefa] avy eto an-tany mba ho vavolombelona manambara [ilay] Lahitoka[n’ny Ray].”1

Nampanantena ny Mpamonjy hoe: “Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”2 Ny mpanara-dia an’i Kristy dia mandrafitra ny fiainany araka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ary mandeha amin’ny hazavana. Misy toetra roa afaka manampy antsika hahafantatra hoe hatraiza ny fanarahantsika Azy. Voalohany ny mpanara-dia an’i Kristy dia olona be fitiavana. Faharoa ny mpanara-dia an’i Kristy dia manao fanekempihavanana sy mitandrina izany.

Ilay toetra voalohany hoe be fitiavana angamba no zavatra iray tsikaritr’ilay mpanao gazety tany Córdoba teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Manara-dia an’i Kristy isika satria tia Azy. Rehefa manara-dia amim-pitiavana ny Mpanavotra isika, dia manaraka ny ohatra nasehony. Tamin’ny alalan’ny fitiavana no nankatoavan’ny Mpamonjy ny sitrapon’ny Ray na inona na inona toe-javatra nitranga. Ny Mpamonjy antsika dia nankatò na dia nidika aza izany hoe ho fijaliana lehibe ara-nofo sy ara-pihetsehampo; na dia nidika aza izany hoe ho karavasiana sy ho esoesoina; na dia nidika aza izany fa hampijaly Azy ireo fahavalony ary handao Azy ireo namany. Ilay sorompanavotana, izay niavaka tao anatin’ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy, no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra nisy hatramin’izay“Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika.”3

Tahaka ny nanarahan’i Kristy ny Ray na inona na inona toe-javatra nitranga no mba tokony hanarahantsika koa ny Zanany. Raha manao izany isika dia tsy mampaninona izay karazana fanenjehana, na fijaliana, na fanaintainana na “tsilo amin’ny nofo”4 izay mianjady amintsika. Tsy irery isika. Hanampy antsika i Kristy. Ilay famindram-pony feno fitiavana no hanome tanjaka antsika na inona na inona toe-javatra hitranga.5

Ny atao hoe manara-dia an’i Kristy dia mety midika hoe mandao zavatra tiana maro toy ny nataon’i Rota, ilay Moabita. Amin’ny maha olona vao niova fo azy sy noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy an’i Naomy, dia nafoiny daholo ny zavatra rehetra mba hiainany ilay finoany. 6

Ny atao hoe manara-dia an’i Kristy koa dia mety midika hoe manohitra ny fitsapana sy fakam-panahy. I Josefa tao anatin’ny fahatanorany dia namidy ho andevo. Nesorina taminy ny zava-drehetra tiany. Taty aoriana dia nalaina fanahy izy handika ny fahadiovam-pitondrantena. Nahatohitra ilay fakam-panahy izy ary nilaza hoe: “Koa hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?”7 Mahery bebe kokoa noho izay mety ho fitsapana na fakam-panahy ny fitiavany an’Andriamanitra.

Ankehitriny dia manana Rota sy Josefa maoderina isika manerana an’izao tontolo izao. Tamin’ny fotoana nandraisan-dRahalahy Jimmy Olvera avy any Guayaquil, Equateur ny antsony handeha hanao asa fitoriana dia nianjadian’ny olana lehibe ny fianakaviany. Rehefa tonga ny andro handehanany dia nolazaina izy fa raha mivoaka ny varavarana dia tsy hanana fianakaviana intsony. Nivoaka ny varavarana tao anatin’ny fo torotoro izy. Rehefa tany am-panaovana asa fitoriana izy dia nangataka azy ny reniny mba hijanona ela kokoa any amin’ny saha satria nahazo fitahiana maro tokoa izy ireo. Ankehitriny Rahalahy Olvera dia patriariky ny tsatòka.

Tena marina fa ny tena fitiavana an’i Kristy dia manome ilay hery takiana hanarahana Azy. Ny Tompo mihitsy no efa nampiseho izany rehefa nanontany an’i Petera in-telo izy hoe: “Tia Ahy va ianao?”. Rehefa nohamafisin’i Petera tsara indray fa tia ny Tompo izy, dia nambaran’ny Tompo taminy ny mikasika ireo fasahiranana ho avy. Dia tonga ilay antso hoe: “Manaraha Ahy.” Ilay fanontanian’ny Mpamonjy tamin’i Petera dia azo apetraka amintsika ihany koa “Tia ahy va ianao?” arahin’ilay antso hanao asa hoe: “Manaraha Ahy.”8

Ny fitiavana dia hery mitarika goavana ao am-pontsika ao anatin’ny ezaka ataontsika mba hankatò. Ny fitiavana ny Mpamonjy antsika dia mamporisika antsika hitandrina ny Didiny. Ny fitiavana ny reny na ny ray na ny vady dia afaka mamporisika antsika koa hankatò ny fitsipiky ny filazantsara. Ny fomba hitondrantsika ny hafa dia taratry ny hoe hatraiza ny fanarahantsika ny Mpamonjy antsika eo amin’ny fifankatiavantsika.9 Maneho ny fitiavantsika Azy isika rehefa tsy mitsahatra manampy ny hafa, rehefa “marin-toetra tanteraka sy mijoro am-pahamarinana amin’ny zava-drehetra,”10 ary rehefa manao fanekempihavanana sy mitandrina izany.

Ny toetra faharoa izay ananan’ny mpanara-dia an’i Kristy dia ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana toy ny nataony. Nanazava i Môrônia hoe: “ ny fandatsahana ny ran’ i Kristy, [dia] ao amin’ ny fanekempihavanan’ ny Ray ho famelana ny fahotanareo, mba hahatonga anareo ho masina, tsy misy pentina.”11

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa na dia talohan’ny namoronana ny tany aza, dia efa nisy fanekempihavanana natao tany an-danitra.12 Ireo mpaminany sy patriarika fahiny dia nanao fanekempihavanana.

Ny Mpamonjy mihitsy no nanome ohatra. Natao batisa Izy mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra, nataon’ny olona iray izay nanana ny fahefana manao izany. Tamin’ny alalan’ny batisa ny Mpamonjy dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny Ray fa hitandrina ny didin’ny Ray rehetra.13 Toy ny tamin’ny andro fahiny, dia manara-dia an’i Kristy koa isika ary manao fanekempihavanana amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Ny fanaovana fanekempihavanana dia zavatra iray izay azon’ireo olona tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonantsika an-tapitrisany maro hanampiana an’ireo zavatra tena tsara izay efa ananan’izy ireo. Ny fanaovana fanekempihavanana dia fanehoana fitiavana. Izany dia fomba iray hilazana Aminy hoe: “Eny, hanaraka Anao Aho saria tia Anao.”

Ny fanekempihavanana dia ahitana fampanantenana, “indrindra ny fiainana mandrakizay.” 14Hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoantsika raha mahatsiaro ny fanekempihavanantsika isika.15Tsy maintsy atao sy tandrovana tsara izy ireo mba handraisana ny fampanantenana entiny. Ny fitiavana ny Mpamonjy sy ny fahatsiarovana ny fanekempihavanana nataontsika dia hanampy antsika hitandrina azy ireo. Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia fomba iray hahatsiarovana izany fanekempihavanana izany.16 Ny fomba iray hafa dia ny fandehanana matetika any amin’ny tempoly. Tsaroako nisy mpivady vao herotrerony izay tany Amerika Atsimo izay nikasa ny hisaraka satria tsy nifanaraka. Nanoro hevitra azy ireo ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana mba handeha any amin’ny tempoly ary hihaino tsara ireo teny sy fampanantenana ao amin’ireo fanekempihavanana natao tao. Nanao izany izy ireo ary avotra ny fanambadiany. Ny hery entin’ny fanekempihavanana dia lehibe kokoa noho ny fitsapana izay atrehintsika na mety atrehintsika.

Ho anareo mpikambana izay malaina ao amin’ny filazantsara, dia mba miverena. Meteza hahatsapa ny fitahiana avy amin’ny fahatsiarovana sy fanavaozana ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo sy ny fandehanana any amin’ny tempoly. Ny fanaovana izany dia fanehoam-pitiavana sy fanehoana fahavononana ho mpanara-dia marin’i Kristy. Hahamendrika anareo handray ireo fitahiana rehetra nampanantenaina izany.

Ho anareo izay tsy mbola mpikamban’ny Fiangonana, manasa anareo aho hampihatra ny finoanareo, hibebaka, ary hanao izay hahamendrika anareo handray ny fanekempihavanan’ny batisa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Rehefa manao izany ianareo dia maneho ny fitiavanareo ny Rainareo any an-danitra sy ny fahavononanareo hanara-dia an’i Kristy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ho faly isika tsirairay avy rehefa manaraka ny fampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa miezaka ny manaraka Azy isika, dia ho tonga amintsika ny fitahian’ny lanitra. Fantatro fa ho tanteraka ny fampanantenany rehefa manao fanekempihavanana sy mitandrina izany isika, ary ho lasa mpanara-dia marin’i Kristy isika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavany lehibe ho antsika tsirairay avy aho, ary manao izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

  1. Mosesy 7:62.

  2. Jaona 8:12

  3. Isaia 53: 5.

  4. 2 Korintiana 12:7

  5. Jereo ny 1 Nefia 1:20.

  6. Jereo ny Rota 1:16.

  7. Jereo ny Genesisy 39:7–9.

  8. Jereo ny Jaona 21:15.

  9. Jereo ny Jaona 13:35.

  10. Almà 27:27.

  11. Môrônia 10:33.

  12. Jereo Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 42; jereo koa Spencer W. Kimball, “Be Ye Therefore Perfect” (devotional address, Salt Lake Institute of Religion, Jan. 10, 1975): “Nanaovoady isika, voady ;asina, tany an-danitra talohan’ny nahatongavantsika teto amin’ity fiainana an-tany ity. … Nanao fanekempihavanana isika. Nanao izany isika talohan’ny naneketsika ny toerantsika eto oan-tany.”

  13. Jereo ny 2 Nefia 31:5-7.

  14. Abrahama 2:11 Jereo koa John A. Widtsoe, “Temple Worship” (lecture, Assembly Hall, Salt Lake City, Oct. 12, 1920), 10: “The covenant gives life to truth; and makes possible the blessings that reward all those who use knowledge properly.”

  15. Jereo ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 90:24

  16. Jereo ohatra, 3 Nefia 18:7–11.