2010–2019
Ireo Fitahiana Sarobidy Indrindra avy amin’ny Tompo
Aprily 2011


Ireo Fitahiana Sarobidy Indrindra avy amin’ny Tompo

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mandoa amim-pahatokiana ny fahafolonkarena isika, dia hanokatra ny varavaran’ny lanitra ny Tompo ary handrotsaka amintsika ireo fitahiana sarobidy indrindra avy any Aminy.

Feno fankasitrahana aho noho ireo razambe nandala ny fahamarinana izay nampianatra ireo zanany ny filazantsara tao an-tokantrano talohan’ny tena nisian’ny takarivan’ny mpianakavy tamin’ny fomba ôfisialy. Ireo ray aman-drenibeko avy any amin’ny reniko dia i Ida Jesperson sy i John A. Whetten. Nonina tao amin’ny tanàna kely iray tao Colonia Juarez, Chihuahua, Mexique izy ireo. Ireo zanaky ry Whetten dia nampianarina araka ny fitsipika, ary tamin’ny alalan’ny fijerena ny ohatr’ireo ray aman-dreniny.

Ny taona 1920 sy ireo taona vitsivitsy nanaraka izany dia tena fotoan-tsarotra tany Mexique. Vao nitsahatra mihitsy ny hetsi-panafahana tamin’izay. Kely ny vola nifamezivezy tamin’izany ary ny ankamaroan’izany dia vola madinika. Matetika ny olona dia manao ny fandraharahany ara-barotra amin’ny alalan’ny fifanakalozana entana sy asa.

Indray andro tany amin’ny fiafaran’ny fahavaratra, i Dadabe John dia tonga tao an-trano rehefa avy nahavita fanakalozana ka nahazoana tao anatin’ny fifanarahana vola madinika 100 pesos. Nomeny an’i Ida izany niaraka tamin’ny torolalana fa ho vola handoavana ny saram-pianaran’ireo ankizy amin’ny taona manaraka izany.

Feno fankasitrahana tamin’ilay vola i Ida, kanefa nampahatsiahy an’i John izy fa tsy mbola nandoa fahafolonkarena izy ireo nandritra ny fahavaratra iray manontolo. Tsy nanana fidiram-bola izy ireo, saingy nampahatsiahivin’i Ida azy fa ireo biby fiompy dia nanome, hena sy atody ary ronono. Ny sahan’izy ireo dia nanome vokatra be dia be, ary nanao takalo zavatra hafa koa izy ireo izay tsy nampiasana vola. Nanolotra soso-kevitra i Ida ny hanomezan’izy ireo any amin’ny eveka ilay vola mba hanefana ny fahafolonkarenan’izy ireo.

Somary diso fanantenana i John satria noheveriny fa tena fanampiana lehibe ho an’ny fianaran’ny ankizy ilay vola, kanefa dia nanaiky soa aman-tsara izy fa tokony handoa ny fahafolonkarenany izy ireo. Nentiny tany amin’ny biraon’ny fahafolonkarena ilay kitapo mavesatra ary nomeny ny eveka ilay vola.

Fotoana fohy taty aoriana, dia naheno izy fa hisy mpandraharaha mpanankarena avy any Etazonia ho avy, izany Ingahy Hord izany, izay ho tonga ny herinandro ho avy miaraka amin’ny lehilahy maro mba hanokana andro vitsivitsy hihazana any an-tendrombohitra ary hanjonoana.

Nihaona tamin’ireo andiana lehilahy ireo i Dadabe John tany amin’ny toeram-piantsoan’ny fiaran-dalamby izay tsy lavitra an’i Colonia Juárez. Izy dia nanana andian-tsoavaly efa voafolaka ho taingenana sy biby maro hafa ilaina izay vonona hitondra ny entana sy ireo fitaovana filasiana eny an-tendrombohitra. Ny herinandro nanaraka an’io dia lany nitarihana ireo lehilahy ireo sy nikarakarana ny toeram-pilasiana sy ireo biby.

Tany amin’ny faran’ilay herinandro dia niverina teny amin’ny toeram-piantsonan’ny fiaran-dalamby handray ny lamasinina hiverina any Etazonia ireo lehilahy ireo. Nandray ny karamany noho ny asany i John tamin’io andro io ary nomena vola peso madinika tamin’ny kitapo mba hanefana ireo fandaniana hafa. Rehefa avy nomena ny volan’i John sy ireo lehilahy dia naverin’i John tany amin’Ingahy Hord ny famerim-bola, izay taitra satria efa tsy nieritreritra hoe hisy ambim-bola intsony. Nanontany an’i John izy mba hahazoana antoka hoe voaloa daholo ny vola rehetra. Namaly i John fa ny fandaniana rehetra tamin’ny dia dia efa voaloa avokoa ary ireo no ambim-bola.

Nisiotsioka ny fiaran-dalamby. Nihodina handeha hiditra Ingahy Hord, dia nitodika indray ary nanipy ilay kitapo mavesatra nisy vola madinika tany amin’i John indray. “Iny, ento any an-trano iny ho an’ireo zanakao lahy,” hoy izy. Nosamborin’i John ilay kitapo ary dia nitodi-doha nankany Colonia Juarez izy.

Tamin’io hariva io raha nivorivory ny fianakaviana taorian’ny sakafo hariva mba hihaino ny tantaran’ny dia natao, dia tsaroan’i John ilay kitapo ary nentiny niditra dia napetrany teo ambony latabatra. Nilaza i John fa tsy fantany ny totalim-bola tao anatin’ilay kitapo, noho izany, mba hifalifaliana dia nazera teo ambonin’ny latabatra izay tao anatin’ilay kitapo. Betsaka ihany ilay izy, ary rehefa voaisa ireo vola dia feno 100 pesos tsara izany. Mazava ho azy fa noraisina ho tena fitahiana lehibe ny nanapahan’Ingahy Hord hevitra hanao izany dia izany. Nahazo karama tsara i John sy ireo zanany, saingy ilay 100 pesos ambiny dia fampahatsiahivana fa nitovy tamin’izay ny vola natao fahafolonkarena ny herinandro talohan’io. Ho an’ny olona sasany, dia mety ho fifandrifian-javatra mahaliana izany, fa ho an’ny fianakaviana Whetten kosa dia mazava be fa lesona avy amin’ny Tompo izany, fa Izy dia mahatsiaro ny fampanantenana nataony tamin’ireo mandoa amim-pahatokiana ny fahafolonkarenany.

Fony aho mbola ankizy dia tena tiako izany tantara izany satria miresaka momba ny filasiana mitaingin-tsoavaly tany an-tendrombohitra mba hihaza sy hanjono. Ary tiako izany satria mampianatra fa rehefa mankatò ny didin’Andriamanitra isika dia voatahy. Misy zavatra maro azontsika sintonina momba ny fahafolonkarena avy amin’ity tantara ity.

Voalohany, ho tsikaritrao fa ny fandoavana ny fahafolonkarena teto amin’ity tranga iray ity dia tsy mifanaraka amin’ny vola miditra. Ny fianakaviana Whettens dia nanapa-kevitra fa ny vola niditra tamin’izy ireo voalohany dia hatao fahafolonkarena satria nahavelona azy ireo tsara ireo biby fiompy sy voankazo ary ny vokatra teny an-tsaha. Mazava ho azy fanahatsapa ho nanan-trosa tamin’ny Tompo izy ireo noho ireofitahiana azony.

Izany dia fampahatsiahivana antsika ny tian’ny Tompo holazaina rehefa nanontany Izy hoe: “Handroba an’ Andriamanitra va ny olona? Kanefa efa nandroba Ahy ianareo.” Hanontany ny olona hoe, “: Tamin’ inona no efa nandrobanay Anao?” ary dia hamaly mafy ny Tompo hoe: “tamin’ny fahafolonkarena sy ny fanatitra” (Malakia 3:8). Eny ry rahalahy sy rahavavy, manan-trosa amin’ny Tompo isika rehetra toy ny nahatsapan’i John sy i Ida Whetten izany indray fahavaratra am-polon-taonany lasa izay. Aoka isika mba tsy ho voaheloka ho mpandromba an-Andriamanitra. Aoka isika ho marin-toetra ka handoa ny trosantsika amin’ny Tompo. Ny hany hangatahiny dia 10 isan-jato. Ny fandoavana tanteraka ny trosantsika amin’ny Tompo dia manampy antsika ho marin-toetra amin’ny mpiara-belona amintsika.

Ny zavatra manaraka izay tsikaritro amin’io tantara io dia ny fandoavan’ny ray aman-drenibeko ny fahafolonkarena na dia teo aza ny fahantran’ny fianakaviana teo amin’ny lafiny ara-bola. Fantatr’izy ireo ny didin’ny Tompo, ary nanaraka izay voalazan’ny soratra masina izy ireo (jereo ny 1 Nefia 19:23–24) ary nankatò ny lalàna. Izay no andrasan’ny Tompo amin’ny vahoakany rehetra. Izy dia miandry antsika handoa ny fahafolonkarena, tsy avy amin’ny amby ampy ananantsika, na avy amin’ny “sisa tavela” ao amin’ny teti-bolan’ny fianakaviana, fa toy ny nandidiany izany fahiny hoe avy amin’ny karamantsika raha vao mandray izany isika, na kely na betsaka izany. Ny Tompo dia nandidy hoe: “aza manemotra ny andro hanateranao ny ….. voaloham-bokatra” (Eksôdôsy 22:29). Araka ny traikefako manokana, ny fomba azo antoka indrindra handoavana ny fahafolonkarena amim-pahatokiana dia ny mandoa izany haingana dia haingana raha vao mandray karama aho. Raha ny tena marina dia izay irery ihany no hany fomba mety.

Nianatra avy amin’ny ray aman-drenibeko Whetten isika fa ny fahafolonkarena dia tsy resa-bola mihitsy; fa resaka finoana—finoana ny Tompo. Nampanantena fitahiana izy rehefa mankatò ny didiny isika. Mazava be fa i John sy Ida Whetten dia nampiseho finoana lehibe tamin’ny fandoavana ny fahafolonkarenany. Ndeha asehontsika ny finoantsika ny Tompo amin’ny alalan’ny fandoavana ny fahafolonkarena. Aloavy aloha izany, ary aloavy amim-pahatokiana. Ampianaro handoa fahafolonkarena ireo zanantsika amin’ny alalan’ny vola omena azy na izay vola miditra hafa ary dia ento miaraka amintsika manao dinidiniky ny fahafolonkarena izy ireo mba ho fantatr’izy ireo ny ohatra asehontsika sy ny fitiavantsika ny Tompo.

Mety hisy fandikana diso an’ity tantaran’ny ray aman-drenibeko ity. Mety hisy olona hieritreritra fa rehefa mandoa fahafolonkarena amin’ny vola isika, dia hitahy antsika amin’ny vola foana koa ny Tompo. Nanana eritreritra an’izany aho fony mbola ankizy. Kanefa dia nianatra aho nanomboka tamin’izay fa tsy voatery ho toy izany foana. Ny Tompo dia nampanantena fitahiana ho an’ireo izay mandoa ny fahafolonkarenany. Nampanantena izy fa “hovohana ny varavaran’ny lanitra, ka hampidinana … fitahiana manana amby ampy” (Malakia 3:10). Mijoro ho vavolombelonaaho fa tanterahiny ny fampanantenany, ary raha mandoa amim-pahatokiana ny fahafolonkarena isikadia hanana ireo izay ilaina eo amin’ny fiainana, fa tsy mampanantena harembe izy. Ny vola sy ny petra-bola any amin’ny banky dia tsy mba ilay fitahiana sarobidy indrindra avy Aminy. Omeny fahendrena isikamba hitantanantsika ireo fitahiana ara-nofo azontsika izay voafetra, fahendrena izay mamela antsika hiaina tsaratsara kokoa miaraka amin’ny 90 isan-jaton’ny karamantsikanoho ny miaraka amin’ny 100 isan-jato. Noho izany ireo mpandoa fahafolonkarena mahatoky dia mahatakatra ny tanjon’ny fitsinjovana ny vodiandro merika ary miezaka ny hizaka tena bebe kokoa.

Lasa nahatakatra aho fa ny fitahiana sarobidy indrindra avy amin’ny Tompo dia ara-panahy, ary matetika izy ireny dia misy ifandraisany amin’ny fianakaviana, sy ny namana, ary ny filazantsara. Matetika Izy no manome fitahiana avy amin’ny alalan’ny fahatsapana manokana ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fitarihany, indrindra indrindra eo amin’ny fanambadiana sy ny lafiny ara-pianakaviana toy ny fitaizana ny zanaka. Izany fahatsapana ara-panahy izany dia afaka hanampy antsika hahazo ireo fitahian’ny firindrana sy fiadanana ao an-tokantrano. Ny Filoha James E. Faust dia nanoro hevitra fa ny fandoavana ny fahafolonkarena dia antoka tsara indrindra hisorohana ny fisaraham-panambadiana(jereo James E. Faust, “Enriching Your Marriage,” Liahona Apr. 2007, 5).

Ny fandoavana ny fahafolonkarena dia manampy antsika hampivelatra fo mahay manetry tena, ary fo feno fankasitrahana izay mitarika antsika “hiaiky … ny tanany amin’ny zava-drehetra” (F&F 59:21). Ny fandoavana ny fahafolonkarena dia mamporisika antsika hanana fo malala-tanana sy mamela heloka, ary fo miantra feno fitiavana madion’i Kristy. Lasa manana faniriana ny hanompo sy hitahy ny hafa isika miaraka amin’ny fo feno fankatoavana ny sitrapon’ny Tompo. Ireo mpandoa tsy tapaka ny fahafolonkarena feno dia mahita fa lasa matanjaka ny finoan’izy ireo ny Tompo Jesoa Kristy ary mahazo fijoroana ho vavolombelona mafy orina sy raiki-tapisaka momba ny filazantsarany sy ny Fiangonany. Tsy misy amin’ireo fitahiana ireo no misy ifandraisany amin’ny ara-bola na ny ara-nofo, kanefa azo antoka fa ireo no fitahiana sarobidy indrindra avy amin’ny Tompo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mandoa amim-pahatokiana ny fahafolonkarena isika, dia hanokatra ny varavaran’ny lanitra ny Tompo ary handrotsaka amintsika ireo fitahiana sarobidy indrindra avy any Aminy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.