Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2022


Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana

Manana andraikitra masina isika ny hizara ny hery sy ny fiadanan’i Jesoa Kristy amin’izay rehetra hihaino.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, tongasoa eto amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany! Efa nandrasako hatry ny ela tamim-piomanana lehibe ity andro ity. Mivavaka ho anareo isan’andro aho. Nivavaka ihany koa aho mba ho fotoana hanovozana hery vaovao ho an’ny fanahy ho an’ny tsirairay avy aminareo ity fihaonambe ity.

Hatramin’ny fihaonambe farany dia mitohy ireo fahasarotana eto amin’izao tontolo izao. Mbola miantraika amin’ny fiainantsika ilay valanaretina maneran-tany. Ary izao koa izao tontolo izao dia taitra tanteraka noho ny ady izay mitondra fampihorohoroana amin’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy manan-tsiny an-tapitrisany.

Efa hitan’ireo mpaminany mialoha ny androntsika izay isian’ny ady sy filazana ady, fa ho ao anaty korontana ny tany manontolo.1 Amin’ny maha-mpana-radia an’i Jesoa Kristy antsika dia miangavy an’ireo mpitarik’ireo firenena ireo isika mba hitady vahaolana izay mivoy ny fandriampahalemana manoloana ny tsy fifankahazoan’izy ireo. Miantso ny vahoaka rehetra izahay na aiza na aiza hivavaka ho an’ireo sahirana rehetra, hanao izay vitany hanampiana ny ory, ary hikatsaka ny fanampian’ny Tompo mba hamaranana ny disadisa mandrava toy izany.

Ry rahalahy sy anabavy, tsy mbola nilaina mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manohitra ny zavatra rehetra ijoroan’ny Mpamonjy sy izay nampianariny ny disadisa sy ny fifandirana ary ny ady. Tiako ny Mpamonjy Jesoa Kristy ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny filazantsarany no hany vahaolana maharitra mba hisian’ny fandriampahalemana. Ny filazantsarany dia filazantsaran’ny fiadanana.2

Ny filazantsarany no hany vahaolana rehefa raiki-tahotra ny maro eto amin’izao tontolo izao.3 Izany dia manantitrantitra ny lanjan’ny toromariky ny Tompo tamin’ireo mpianany mba “[handeha] any amin’izao tontolo izao rehetra … ka hitory ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra.”4 Manana andraikitra masina isika ny hizara ny hery sy ny fiadanan’i Jesoa Kristy amin’izay rehetra hihaino sy hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany.

Ny olona tsirairay izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia nampanantena ny hikarakara ny hafa ary hanompo an’ireo izay sahirana. Afaka maneho finoana an’ Andriamanitra isika ary ho vonona mandrakariva ny hamaly ireo rehetra izay manontany momba “ny fanantenana ao anatin[tsika].”5 Manana anjara asa ny tsirairay avy amintsika amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Androany aho dia mamerina manamafy amin-kery fa ny Tompo dia nangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana. Ho an’ny zatovolahy Olomasin’ny Andro Farany dia andraikitry ny fisoronana ny fandehanana mitory amin’ny fotoana feno. Ianareo ry zatovolahy dia natokana ho amin’izao fotoana izao izay hitrangan’ny fanangonana an’i Isiraely. Rehefa mandeha manao asa fitoriana ianareo dia misahana anjara asa manan-danja amin’io tranga tsy manam-paharoa io.

Ho anareo vehivavy tanora sy rahavavy afaka manao izany, fahafahana lehibe koa ny asa fitoriana saingy tsy voatery handeha ianareo. Tianay ireo rahavavy misiônera ary raisinay amin’ny fo manontolo izy ireo. Mahatalanjona ny anjara biriky entinareo amin’ity asa ity. Mivavaha mba hahafantarana raha tian’ny Tompo ny handehananao hanao asa fitoriana, ary ny Fanahy Masina dia hamaly ao am-ponao sy ao an-tsainao.

Ry tanora namako malala isany, tena ilain’ny Tompo ny tsirairay avy aminareo. Tsy nalefan’ny Tompo raha tsy amin’izao fotoana izao ianareo mba hanampianareo amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ny fanapahan-kevitrareo ny hanao asa fitoriana, na misiônera mpanao asa fitoriana na mpanao asa fanompoana, dia hitahy anareo sy ny hafa. Raisinay an-tanan-droa ihany koa ireo mpivady zokiolona mba hanompo rehefa mamela izany ny toe-javatra iainan’izy ireo. Tsy misy mahasolo tsotra izao ny ezaka ataon’izy ireo.

Ny misiônera rehetra dia mampianatra sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy. Ny haizina ara-panahy eto amin’izao tontolo izao dia mahatonga ny fahazavan’i Kristy ho vao mainka ilaina kokoa mihoatra noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra. Ny olona rehetra dia mendrika ny hanana fahafahana ny hahafantatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Ny olona rehetra dia mendrika ny hahafantatra hoe aiza no ahafahany mahita fanantenana sy fiadanana izay “mihoatra noho ny fahalalana rehetra.”6

Enga anie ity fihaonambe ity ho fotoan’ny fiadanana sy fivokisana ara-panahy ho anareo. Enga anie ianareo hikatsaka sy handray fanambarana ho an’ny tena manokana mandritra ireo fivoriana. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.