Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mitia, mizara, manasa
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2022


Mitia, mizara, manasa

Rehefa mitia sy mizara ary manasa isika, dia mandray anjara amin’ilay asa lehibe sy be voninahitra izay manomana ny tany ho amin’ny fiverenan’ny Mesiany.

Alaivo sary an-tsaina miaraka amiko, vetivety, ny hoe mitsangana eo amina tendrombohitra iray any Galilia, ka manatri-maso ny fahagagana sy ny voninahitry ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty eo am-pamangiana an’ireo mpianany. Tena mahatalanjona tokoa ny misaintsaina ny fahenoana manokana an’ireto teny ireto, izay nozarainy tamin’izy ireo, ilay famporisihany manetriketrika manao hoe: “koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.”1 Azo antoka fa ireo teny ireo dia hanome hery sy hanentana ny fanahy ary hanohina antsika tsirairay avy, tahaka ny nataon’izany tamin’ireo Apôstôliny. Tena nanokana ny androm-piainany ho amin’izany tokoa izy ireo.

Mahaliana fa tsy ireo Apôstôly ihany no nandray am-po ny tenin’i Jesoa. Ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany, nanomboka tamin’ny vao haingana indrindra ka hatramin’ireo efa tena za-draharaha, dia nandray anjara tamin’ilay iraka lehibe nampanaovin’ny Mpamonjy, ka nizara ny vaovao mahafalin’ny filazantsara tamin’ireo izay sendra azy sy fantany. Hanampy amin’ny fanitarana mihoam-pampana ilay Fiangonana vao naorina ny faharesen-dahatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona amin’i Jesoa Kristy.2

Isika koa, amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika, dia asaina hanaraka ny asa nanirahany amin’izao andro izao, toy ny hoe teo amin’ilay tendrombohitra tany Galilia isika tamin’ny fotoana izay nanambarany izany voalohany. Nanomboka indray izany tamin’ny 1830, rehefa nanokana an’i Samoela rahalahiny ho misiônera voalohany tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy i Joseph Smith.3 Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia misiônera maherin’ny 1,5 tapitrisa no nandeha nanerana an’izao tontolo izao nampianatra ny firenena rehetra sy nanao batisa ireo izay nandray ny vaovao mahafaly momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

Izany no fotopampianarantsika. Ny faniriantsika lalina.

Manomboka amin’ny zanatsika madinika ka hatramin’ny zokiny indrindra amintsika, dia maniry ny fotoana ahafahantsika mihaino ny antson’ny Mpamonjy sy hizara ny filazantsara amin’ireo firenen’izao tontolo izao isika. Azoko antoka fa nahatsapa fanamby nitondra hery nitovy tamin’izany avy tamin’ny mpaminanintsika ianareo ry zatovolahy sy zatovovavy omaly rehefa nanasa anareo izy mba hiomana amin’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno tahaka ny nataon’ny Mpamonjy tamin’ireo Apôstôliny.

Toy ny mpihazakazaka eo amin’ny toerana fiaingana, dia miandry amim-piandrandrana ny fanasana amin’ny fomba ôfisialy isika, izay miaraka amin’ny sonian’ny mpaminany, famantarana ny fanombohan’ilay hazakazaka! Mendrika sy manainga fanahy izany faniriana izany kanefa ndeha eritreretintsika ihany ity fanontaniana ity: nahoana no tsy manomboka izao daholo isika rehetra?

Mety hanontany ianao hoe: “Ahoana no ahafahako ho misiônera raha tsy misy kara-pamantarana?” Na miteny anakam-po isika hoe: “Ny misiônera amin’ny fotoana feno dia natokana hanao io asa io. Te hanampy aho, fa angamba any aoriana any rehefa milamindamina kokoa ny fiainana.”

Ry rahalahy sy anabavy, tsotra kokoa noho izany ilay izy! Soa ihany fa ilay iraka lehibe nampanaovin’ny Mpamonjy dia azo tanterahina amin’ny alalan’ireo fitsipika tsotra sy mora takatry ny saina izay nampianarina antsika tsirairay hatramin’ny fahazazana: mitia, mizara ary manasa.

Mitia

Ny zavatra voalohany azontsika atao dia ny mitia tahaka ny nitiavan’i Kristy.

Hontsa ny fontsika noho ny fijalian’ny olombelona sy ny fihenjanana hitantsika eran-tany mandritra izao fotoan-tsarotra izao. Na izany aza, dia afaka mahazo fitaomam-panahy ihany koa isika avy amin’ny firotsahan’ny fangorahana sy ny toetra tia manasoa sy manampy ny hafa izay nasehon’ny olona any amina toerana maro samihafa amin’ny alalan’ny ezaka ataon’izy ireo hanatona ireo izay voailikilika—ireo nafindra toerana hiala ny tranony, tafasaraka tamin’ny fianakaviany, na niaina endrika alahelo sy famoizam-po hafa.

Vao haingana ireo loharanom-baovao no nanao tatitra fa nisy andiana renim-pianakaviana tany Pôlônina, noho ny fiahiahiana ireo fianakaviana mamoy fo izay mitsoaka, dia namela kalesy nilahatra tsara sy feno zavatra teo amin’ny lampihazon’ny fiantsonan-dalamby, vonona sy miandry ireo reny sy zaza mpitsoa-ponenana izay hila izany eo amin’ny sisin-tany fiampitana rehefa hivoaka ny fiaran-dalamby izy ireo. Azo antoka fa mitsiky ny Raintsika any An-danitra amin’ny asa fiantrana tsy misy fitiavan-tena toy ireny, satria rehefa mifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay isika dia “mahatanteraka ny lalàn’i Kristy.”4

Isaky ny maneho fitiavana tahaka ny an’i Kristy amin’ny namantsika isika dia mitory ny filazantsara—na dia tsy miloaka teny iray akory aza.

Ny fitiavana ny hafa no fanehoana am-bava an’ilay didy lehibe faharoa hoe tia ny namantsika;5 izany dia mampiseho ny dingan’ny fanadiovan’ny Fanahy Masina miasa ao anatin’ny fanahintsika. Amin’ny fanehoana ny fitiavan’i Kristy ny hafa, dia mety hahatonga an’ireo izay mahita ny asa tsara ataontsika “hankalaza ny Rain[tsika] Izay any an-danitra” isika.6

Manao izany tsy amin’ny fanantenana tambiny isika.

Ny fanantenanay, mazava ho azy, dia ny haneken’izy ireo ny fitiavanay, na dia tsy voafehinay aza ny mety ho fihetsik’izy ireo.

Ny ataontsika sy ny maha-isika antsika no azo antoka fa voafehintsika.

Amin’ny alalan’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ho an’ny hafa, dia mitory amim-pandresendahatra ny toetra be voninahitra sy manova fiainan’ny filazantsaran’i Kristy isika, ary mandray anjara fatratra amin’ny fanatanterahana ny iraka lehibe nanirahany.

Mizara

Ny zavatra faharoa azontsika atao dia ny mizara.

Nandritra ireo volana voalohan’ny valanaretina COVID-19, ny Rahalahy Wisan avy any Tailandy dia nahatsapa ho voatarika hizara ny fahatsapany ny zavatra nianarany tamin’ny fandalinany ny Bokin’i Môrmôna tao amin’ny kaontiny ao amin’ny tamba-jotran-tserasera. Tao amin’ny iray amin’ireo lahatsoratra naeliny manokana dia nizara ny tantaran’ny misiônera roa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy, dia i Amioleka sy i Almà.

Na dia efa tafaorina tsara tamin’ny finoany ara-pivavahana aza i Winai rahalahiny, dia tohina tamin’ilay lahatsoratra ary namaly, nanontany tampoka hoe: “Afaka mahazo an’io boky io amin’ny teny Thai ve aho?”

Nokarakarain’i Wisan tamim-pahendrena ny hanateran’ireo rahavavy misiônera roa izay nanomboka nampianatra ny rahalahiny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna.

Nandray anjara tamin’ny lesona virtoaly i Wisan izay nizarany ny fahatsapany momba ny Bokin’i Môrmôna. Nianatra nivavaka sy nianatra tamin’ny toe-tsaina mitady ny fahamarinana i Winai, ka nanaiky sy nandray ny fahamarinana. Tao anatin’ny volana vitsivitsy, dia natao batisa i Winai!

Hoy i Wisan taty aoriana hoe: “Manana andraikitra ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra isika, ary tsy maintsy vonona mandrakariva ho Azy isika mba hanao ny asany amin’ny fombany amin’ny alalantsika.” Tonga ny fahagagana ho an’ny fianakavian’izy ireo satria nizara tsotra izao ny filazantsara tamin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy fotsiny i Wisan.

Mizara zavatra amin’ny hafa isika rehetra. Manao izany matetika isika. Mizara izay sarimihetsika sy sakafo tiantsika isika, zavatra mahatsikaiky hitantsika, toerana tsidihantsika, zavakanto ankafizintsika, teny nindramina manentana ny fanahintsika.

Ahoana no ahafahantsika manampy tsotra izao ao amin’ny lisitr’ireo zavatra efa zaraintsika ny zavatra izay tiantsika momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nanazava hoe: “Raha misy olona manontany anareo momba ny faran’ny herinandronao dia aza mihambahamba miresaka momba ny zavatra niainanao tany am-piangonana. Tantarao ny amin’ireo zaza madinika izay mijoro eo anoloan’ny daholobe ka mihira amin’ny fo ny amin’ny fiezahan’izy ireo ho toa an’i Jesoa. Resaho ny amin’ny ireo andian-jatovo izay mandany fotoana manampy ireo be antitra any amin’ny trano fikakarakarana ny be antitra mba hanambatra ny tantaram-piainan’izy ireo.”7

Ny fizarana dia tsy hoe “mivarotra” ny filazantsara. Tsy mila manoratra toriteny ianao na manitsy ny fiheveran-dison’ny olona iray.

Raha ny mikasika ny asa fitoriana, Andriamanitra dia tsy mila anao mba ho zandariny; na izany aza, dia mangataka anao Izy mba ho mpizarany.

Amin’ny alalan’ny fizarana ireo traikefa tsara ananantsika ao amin’ny filazantsara amin’ny hafa dia mandray anjara amin’ny fanatanterahana ilay iraka lehiben’ny Mpamonjy isika.

Manasa

Ny zavatra fahatelo azontsika atao dia ny manasa.

Rahavavy Mayra dia mpikambana vao niova fo avy any Ekoatera. Nitombo be avy hatrany ny fifaliany tao amin’ny filazantsara taorian’ny batisany rehefa nanasa namana sy olona akaiky ny fony manodidina azy tamin’ny alalan’ireo kaontiny ao amin’ny tamba-jotran-tserasera izy. Maro tamin’ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviany sy namany izay nahita ny zavatra naeliny no namaly tamin’ny fanontaniana. Nifandray tamin’izy ireo i Mayra, ary matetika no nanasa azy ireo ho any an-tranony mba hihaona amin’ireo misiônera.

Ny ray aman-drenin’i Mayra, ireo mpiray tampo aminy, ny nenitoany, roa tamin’ireo zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreniny, ary namany maromaro no natao batisa satria nanasa azy ireo tamin-kerimpo izy mba “ho avy ka hahita,” “ho avy ka hanampy,” ary “ho avy ka hiombona.” Tamin’ny alalan’ireo fanasany tamin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy dia olona 20 mahery no nanaiky ny fanasany hatao batisa ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Nitranga izany satria nanasa ny hafa fotsiny ny Rahavavy Mayra mba hiaina ilay fifaliana tsapany tamin’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana azy.

Sary
Ny rahavavy Mayra sy ireo izay nasainy hahatsapa ny fifaliana ao amin’ny filazantsara

Misy fanasana an-jatony azontsika atolotra ny hafa. Afaka manasa ny hafa isika mba “ho avy ka hahita” ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ny fiaraha-mientan’ny paroasy, ny horonan-tsary an-jotra izay manazava ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny “ho avy ka hahita” dia mety ho fanasana hamaky ny Bokin’i Môrmôna na hitsidika tempoly vaovao mandritra ny varavarana misokatra alohan’ny fanokanana izany. Indraindray, ny fanasana dia zavatra ataontsika ao anatintsika—fanasana ho an’ny tenantsika, manome antsika fahatsapana sy fahitana ireo fahafahana azo araraotina manodidina antsika, mba mba handraisantsika andraikitra eo anatrehan’izany.

Amin’izao vanim-potoana nomerika misy antsika izao, matetika ny mpikambana no mizara hafatra amin’ny alalan’ny tamba-jotran-tserasera. Misy an-jatony, raha tsy an’arivony, ireo zavatra manandratra ny fanahy izay mety ho hitanao fa mendrika hozaraina. izany votoatin-javatra izany dia manolotra fanasana mba “ho avy ka hahita,” “ho avy ka hanampy,” ary “ho avy ka hiombona.”

Rehefa manasa ny hafa hianatra kokoa momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia mandray anjara amin’ny antson’ny Mpamonjy mba hirotsaka amin’ilay asa nanirahany.

Famaranana

Ry rahalahy sy anabavy malalako, niresaka zavatra tsotra telo isika anio—zavatra mora—izay azon’ny olon-drehetra atao. Zavatra azonareo atao! Angamba ianareo efa manao an’ireo—na dia tsy tsapanareo tanteraka aza hoe manao izany ianareo!

Manasa anareo aho hisaintsaina ireo fomba ahafahanareo mitia sy mizara ary manasa. Rehefa manao izany ianareo dia hahatsapa fifaliana noho ny fahafantaranareo fa mihaino ny tenin’ny Mpamonjy malalantsika ianareo.

Tsy fandaharan’asa vaovao akory ny anentanako anareo. Efa nandre ireo fitsipika ireo ianao taloha. Tsy izany no “zavatra lehibe manaraka” izay asain’ny Fiangonana hataonao. Ireo zavatra telo ireo dia fanitarana fotsiny ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.

Tsy ilana kara-pamantarana na taratasy mirakitra ny antso izany.

Tsy ilana antso ôfisialy izany.

Rehefa lasa voajanahary ao anatintsika sy ny fomba fiainantsika ireo zavatra telo ireo, dia ho lasa fanehoana fitiavana mandeha ho azy sy tena marina ary tsy an-tery izy ireo.

Toy ireo mpianatr’i Kristy izay niara-nivory mba hianatra avy Aminy tany Galilia 2.000 taona lasa izay, dia afaka manaiky ny iraka avy amin’ny Mpamonjy koa isika ary mandeha mitory ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao.

Rehefa mitia sy mizara ary manasa isika, dia mandray anjara amin’ilay asa lehibe sy be voninahitra izay manomana ny tany ho amin’ny fiverenan’ny Mesiany.

Ny mba hahafahantsika mihaino ny antson’ny Mpamonjy sy hiezaka ny handray anjara amin’ilay iraka lehibe nampanaoviny no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena

Fanamarihana

  1. Matio 28:19.

  2. Inona no antony nampitombo ny Fiangonana tany am-boalohany? Nilaza an’izao manaraka izao ny mpahay tantara iray: “Ny fifandraisana manokana tamin’ny mpino hafa no zavatra voalohany nahatonga ny fanadihadiana lalina momba ilay finoana. … Ny miaina sy miara-miasa amin’ireo izay nanaraka an’i Jesoa, ny manatri-maso ny fitondran-tenan’izy ireo akaiky, ary ny mihaino rehefa niresaka momba ny filazantsara teo anivon’ny asa fanaony andavanandro izy ireo no fiatrehana ireo porofon’ny fiainana niova. Araka izany, ny hery misinton’ny finoana Kristiana dia tsy maintsy matetika tsy dia misy idirany loatra amin’ny fanambarana ampahibemaso ataon’ireo solontenany misongadina indrindra fa amin’ny fijoroana ho vavolombelona mangina ataon’ireo mpitsaoka tsotra an’i Jesoa izay mijoro ho vavolombelona momba ny maha-azo antoka ny fanoloran-tenany amin’ny tsy fivadihany sy ny fahatokiany, ary ny fandraisany ny hafa” (Ivor J. Davidson, The Birth of the Church: From Jesus to Constantine, A.D. 30–3122004], 108–9).

  3. Jereo ny Lucy Mack Smith, History, 1845, pejy 169, josephsmithpapers.org.

  4. Galatiana 6:2.

  5. Jereo ny Matio 22: 39.

  6. Matio 5:16.

  7. Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona,, mey 2019, 17.