Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mafy orina ao anatin’ny tafio-drivotra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2022


Mafy orina ao anatin’ny tafio-drivotra

Rehefa tonga ireo tafio-drivotry ny fiainana, dia afaka ny ho mafy orina ianao satria mijoro eo amin’ny vatolampin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy ianao.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, fitahiana ho antsika androany ny nihaino ireo mpanompon’ Andriamanitra notaomim-panahy izay nanome torohevitra sy fampaherezana. Fantatsika tsirairay avy, na aiza na aiza misy antsika, fa miaina ao anatin’ny andro izay mihamahory hatrany isika. Mivavaka aho mba hahafahako manampy anareo ho mafy orina ao anatin’ny tafio-drivotra atrehintsika, miaraka amin’ny fo tony.1

Ny toerana hanombohana azy dia amin’ny fahatsiarovana fa zanaka malalan’ Andriamanitra isika tsirairay ary manana mpanompo mahazo fitaomam-panahy Izy. Efa nahita mialoha ny fotoana izay iainantsika ireo mpanompon’ Andriamanitra ireo. Nanoratra tamin’i Timoty i Paoly Apôstôly hoe: “Fa aoka ho fantatrao izao, fa any am-parany any dia hisy andro mahory.”2

Mahafantatra ny fahamarinan’izany izay olona manana maso mahita ireo famantarana ny fotoana sy sofina mandre ny tenin’ireo mpaminany. Tonga eo amintsika avy amin’ny herin’ny ratsy ireo zavatra faran’izay mampidi-doza. Tsy mitsaha-mitombo ireo hery ireo. Ary noho izany dia ho lasa sarotra kokoa, tsy mora mihitsy, ny manaja ireo fanekempihavanana izay tsy maintsy ataontsika sy tandremantsika mba hiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ho antsika izay miahiahy momba ny tenantsika sy ireo olona tiantsika, dia misy fanantenana ao anatin’ilay fampanantenana nataon’ Andriamanitra mikasika ny toeram-pialofana iray ao anatin’ireo tafio-drivotra ho avy.

Ity misy famariparitana izany toerana izany. Efa naverimberin’ireo mpaminany velona nofariparitana izany. Ohatra, araka ny voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nilaza tamin’ireo zanany ny fomba hampatanjahana ny tenan’izy ireo mba hijoro ho mafy orina eo anatrehan’ireo tafiotra miandry azy ireo ny ray be fitiavana sy notamim-panahy iray: “Ary ankehitriny, ry zanako tsarovy, tsarovy fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo-maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipikany ao amin’ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy.”3

Ilay fahoriana sy loza tsisy farany noresahiny dia ireo voka-dratsin’ny fahotana raha toa ka tsy hibebahantsika tanteraka izy ireo. Ireo tafiotra mihamahery dia ireo fakam-panahin’i Satana sy ireo fanafihana tsy mitsaha-mitombo ataony. Tsy mbola nanan-danja mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao ny tokony hahatakarana ny fomba hiorenana eo amin’izany fototra azo antoka izany. Ho ahy dia tsy misy toerana tsara kokoa hijerena izany noho ny ao amin’ny lahateny farany nataon’i Benjamina Mpanjaka, izay voarakitra koa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Azontsika ampiharina amin’izao androntsika izao ireo teny mifono faminaniana nambaran’i Benjamina Mpanjaka. Fantany avy tamin’ny zavatra niainany manokana ny horohoro ateraky ny ady. Niaro ny vahoakany tao anatin’ny ady izy ary niantehitra tamin’ny herin’ Andriamanitra. Hitany mazava tsara ireo hery lehibe izaitsizy an’i Losifera mba hakana fanahy sy hanaovana izay handresena sy hanakiviana ny zanak’ Andriamanitra.

Nanasa antsika sy ny vahoakany izy mba hiorina eo amin’ilay hany vatolampy misy fiarovana azo antoka, dia ny Mpamonjy izany. Nataony mazava tsara fa afaka misafidy ny tsara na ny ratsy isika ary tsy afaka ny hisoroka ireo vokatra aterak’izay safidy nataontsika isika. Niresaka tamin’ny fomba mivantana sy mahitsy izy satria fantany ny karazana fahoriana hianjady amin’ireo izay mety tsy haheno na tsy hanaraka ny fampitandremany.

Toy izao no fomba namariparitany ireo vokatra entin’ny safidintsika raha hanaraka ny bitsiky ny Fanahy isika na raha hanaraka ireo hafatra feno faharatsiana avy amin’i Satana izay ny haka fanahy sy hamotika antsika no fikasany:

“Fa indro, misy loza efa voatonona ho an’izay mifidy ny hankatò izany fanahy izany; satria raha mifidy ny hankatò azy izy sy mitoetra ary maty ao amin’ny fahotany, dia misotro fanamelohana ho an’ny fanahiny ihany izy; fa mandray ny famaizana maharitra mandrakizay ho karamany izy, rehefa nandika ny lalàn’ Andriamanitra mifanohitra amin’ny fahalalany ihany. …

“Noho izany raha tsy mibebaka izany olona izany, ary mitoetra sy maty fahavalon’ Andriamanitra, ny fitakian’ny fahamarinan’ Andriamanitra dia ny hamohazana ny fanahiny tsy mety maty ho amin’ny fahatsapana mivaivay tokoa ny helony ihany izay mahatonga azy hitakemotra hiala ny fanatrehana ny Tompo sy mameno ny tratrany amin’ny heloka sy ny fanaintainana ary ny fitaintainana izay toy ny afo tsy mety maty, izay misondrotra mandrakizay mandrakizay ny lelafony.”

Notohizan’i Benjamina Mpanjaka izany hoe, “Ry lahiantitra rehetra ô, ary koa ianareo tovolahy sy ianareo ankizy madinika izay mety mahatakatra ny teniko, satria efa niteny taminareo tamim-pahatsorana tokoa aho mba hahazoanareo mahatakatra, mivavaka aho mba hifohazanareo ho amin’ny fahatsiarovana ny toerana mahatsiravina misy ireo izay efa lavo noho ny fandikan-dalàna.”4

Ho ahy, ny herin’io fanairana mba hibebaka io dia mandrafitra sary iray ao an-tsaiko izay maneho ilay fotoana iray azo antoka fa hijoroantsika sy ianao eo anatrehan’ny Mpamonjy aorian’ity fiainana ity. Maniry amin’ny fontsika iray manontolo isika mba tsy hiala an-daharana fa hitraka kosa hijery Azy, hahita Azy hitsiky sy haheno Azy hiteny hoe: “Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky: … midira.”5

Nataon’i Benjamina Mpanjaka mazava tsara ny fomba ahafahantsika manana fanantenana handre ireo teny ireo raha toa isika ka mahita ilay lalana hanovana ny toetrantsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy eto amin’ity fiainana ity. Izay no hany fomba ahafahantsika miorina eo amin’ilay fototra azo antoka ary noho izany dia hitoetra ho mafy orina mandritra ny tafiotry ny fakam-panahy sy ny fisedrana ho avy. Nofariparitan’i Benjamina Mpanjaka tamin’ny alalan’ny fampiasana fanoharana kanto izay nanohina ny foko izany fanovana ny toetrantsika izany. Nampiasain’ireo mpaminany tao anatin’ny an’arivorivo taona izany ary nampiasain’ny Tompo Izy tenany mihitsy. Ity ilay izy: tsy maintsy tonga tahaka ny ankizy madinika isika—ankizy madinika.

Tsy ho mora ny hanaiky izany ho an’ny sasany. Te hatanjaka ny ankamaroantsika. Mety heverintsika ho toy ny malemy ny fahatongavana ho tahaka ny ankizy madinika. Ny ankamaroan’ny ray aman-dreny dia miandrandra ilay andro izay tsy hanaovan’ny zanany sain-jaza intsony. Saingy i Benjamina Mpanjaka, izay nahatakatra tahaka ny olombelona rehetra ny dikan’ny hoe olona manana tanjaka sy herim-po, dia nanazava tsara fa ny hoe tonga tahaka ny ankizy dia tsy midika hoe manao sain-jaza. Izany dia midika hoe tonga tahaka ny Mpamonjy, izay nangataka tanjaka tao anatin’ny vavaka tamin’ny Rainy mba hahafahany manao ny sitrapony sy manonitra ny fahotan’ny zanaky ny Rainy rehetra ary dia nanao izany avy eo. Tsy maintsy ovaina tahaka ny an’ny ankizy ny toetrantsika mba hahazoana ny tanjaka tsy maintsy ilaintsika hitoerana ho mafy orina sy hananana fahatoniana mandritra ireo andro mahory.

Ity ary ilay famaritana mampientam-po nataon’i Benjamina Mpanjaka mikasika ny fomba hahatongavan’izany fiovana izany: “Fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra, ary efa toy izany hatramin’ny fahalavoan’i Adama ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha-olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo, ary tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina azy, dia tahaka ny zaza manoa an-drainy.”6

Mandray izany fiovana izany isika rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy manavao azy ireo. Mitondra ilay herin’ny Sorompanavotan’i Kristy izany mba hampisy fanovana ao am-pontsika. Afaka mahatsapa izany isika isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo, na manatanteraka ôrdônansy ho an’ireo razambe, na mijoro ho vavolombelona amin’ny maha-vavolombelon’ny Mpamonjy, na maneho fiahiana olona sahirana amin’ny maha-mpianatr’i Kristy.

Ao anatin’ireo zavatra iainana ireo, rehefa mandeha ny fotoana dia ho tonga tahaka ny ankizy madinika isika noho ilay fahafahantsika mitia sy mankatò. Lasa mijoro eo amin’ny fototra azo antoka isika. Mitondra antsika any amin’ny fibebahana sy ny fitandremana ny didiny ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Mankatò isika, ary dia mahazo hery hanoherana fakam-panahy sy mahazo ny Fanahy Masina ho namana araka ny nampanantenaina.

Miova ho lasa tahaka ny an’ny ankizy ny toetrantsika, izay mankatò sy be fitiavana kokoa. Izany fiovana izany dia hanome fahafahana antsika hahazo ireo fanomezam-pahasoavana izay tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Hampahery sy hitarika ary hampatanjaka antsika ny fananana ny Fanahy ho namana.

Lasa nahafantatra ny sasantsasany tamin’ny zavatra tian’i Benjamina Mpanjaka holazaina aho rehefa niteny izy fa afaka ny ho tonga tahaka ny ankizy madinika isika eo anatrehan’ Andriamanitra. Nianatra avy amin’ireo zavatra maro niainako aho fa ny Fanahy Masina dia matetika miresaka amin’ny feo tony izay tena mora heno rehefa malefaka sy manoa ny fon’olona iray, tahaka ny an’ny ankizy madinika. Raha ny marina, ny vavaka mahomby dia ilay manao hoe “Izay irinao no iriko. Lazao amiko fotsiny hoe inona izany. Dia hataoko izany.”

Rehefa tonga ireo tafio-drivotry ny fiainana, dia afaka ny ho mafy orina ianao satria mijoro eo amin’ny vatolampin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy ianao. Izany finoana izany dia hitondra anao amin’ny fibebahana isan’andro sy ny fitandremana tsy tapaka ny fanekempihavanana. Dia hahatsiaro Azy mandrakariva ianao. Ary hahatsapa ho mafy orina sy feno fanantenana ianao ao anatin’ireo tafio-drivotry ny fankahalana sy ny faharatsiana.

Ankoatra izany, dia hahita ny tenanao hanosika olona hafa ho tafakatra soa aman-tsara eo amin’ilay vatolampy miaraka aminao ianao. Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia mitondra amin’ny fananana fanantenana lehibe kokoa foana sy fahatsapana fiantrana ho an’ny hafa, dia ilay tena fitiavan’i Kristy.

Mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba manetriketrika aho fa nanolotra anao ilay fanasana hoe “Mankanesa aty Amiko” i Jesoa Kristy Tompo.7 Manasa anao Izy ao anatin’ny fitiavana anao sy ny fitiavana ireo olona tianao mba hanatona Azy hahazoana fiadanana eto amin’ity fiainana ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy. Fantany tsara ireo tafiotra ho atrehinao mandritra ny fotoam-pisedrana anao izay isan’ny mandrafitra ny drafitry ny fahasambarana.

Miangavy anao aho mba hanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy. Ekeo tahaka ny ankizy malemy fanahy sy feno fitiavana ny fanampiany. Ataovy ary hajao ireo fanekempihavanana atolony ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Hampatanjaka anao izy ireo. Fantatry ny Mpamonjy ireo tafiotra sy ireo toeram-pialofana eny amin’ny lalana mitondra any Aminy sy ny Ray any An-danitra. Fantany ny lalana. Izy no Lalana. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.