Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Nefa tsy noraharahainay izy ireo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2022


Nefa tsy noraharahainay izy ireo

(1 Nefia 8:33)

Ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ataontsika dia mampitodika antsika amin’ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy Tompo sy manampy antsika hahatsiaro izany mandrakariva, eo am-pivoarantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Na i Susan vadiko, na ireo zanakay lahy telo sy ny vadin’izy ireo avy, na ireo zafikelinay rehetra, ary na ny Loholona Quentin L. Cook, izay mpiara-mipetraka amiko ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy saika efa ho 15 taona izao, dia samy tsy hisalasala hanamarina fa tsy dia mahay mihira aho. Saingy na dia tsy manan-talenta amin’ny resaka hira aza aho dia tiako ny mihira ireo hira momba ny Famerenana amin’ny laoniny ao amin’ny fihirana. Manampy ahy hianatra fitsipiky ny filazantsara manan-danja ary manaitra ny fanahiko ny fampitambarana ny tonon-kira nentanim-panahy sy ny feon-kira manetriketrika.

Hira iray ao amin’ny fihirana izay nitahy ny fiainako tamin’ny fomba niavaka ny “Ndao handroso hatrany.” Vao tsy ela aho no nandinika sy nianatra andian-teny iray manokana ao amin’ny fiverenan-kiran’io hira iray ao amin’ny fihirana io. “Tsy ahoantsika izay fanenjehana, fa ny Tompo irery no ho toavina.”1

Tsy ahoantsika.

Rehefa mihira ny “Ndao handroso hatrany” aho dia matetika mieritreritra an’ireo vahoaka tao amin’ny fahitan’i Lehia mibosesika mandroso eo amin’ny lalana mitondra mankamin’ilay hazon’aina, izay tsy hoe “nihazona”2 fotsiny fa “nihazona mafy [tsy tapaka] ny anja-by mandra-pahatongany sy nandohalihany ary nihinanany tamin’ny voan’ny hazo.”3 Nanoritsoritra valalabemandry i Lehia, tao amin’ilay trano nijoalajoala sy nalalaka, izay nanondro “azy sy ireo nihinana tamin’ny voan’ny hazo …, tamin’ny rantsantanana mamingavinga.”4 Miavaka sy mendrika ho tsaroana ny nasetriny an’ireo fandrabirabiana sy ompa: “Nefa tsy noraharahainay izy ireo.”5

Mivavaka aho mba hitahy sy hanazava ny saintsika tsirairay ny Fanahy Masina eo am-piarahantsika mandinika ny fomba ahafahantsika hatanjaka amin’ny “tsy firaharahaina” ireo fitaoman-dratsy sy feo mandrabirabin’ilay tontolo ankehitriny izay onenantsika.

Tsy hiraharaha

Ilay teny hoe miraharaha dia midika hoe mahatsikaritra na mifantoka amin’ny olona na zavatra iray. Araka izany ny tonon’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Ndao handroso hatrany” dia mitaona antsika hinia handray fanapahan-kevitra ny tsy hifantoka amin’ “izay fanenjehana.” Ary i Lehia sy ny vahoaka niaraka taminy izay nihinana tamin’ny voan’ilay hazo dia maneho ohatra mahery vaika amin’ny tsy firaharahaina ireo fandrabirabiana sy famingavingana izay tonga matetika tokoa avy any amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka.

Ny fotopampianaran’i Kristy izay voasoratra “tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra velona … teo amin’izay vato fisaka nofo[n’ny fontsika]”6 dia mampitombo ny fahafahantsika “tsy hiraharaha” ireo zava-mahasarika sy fandrabirabiana ary fanelingelenana maro eo amin’ny tontolo lavo misy antsika. Ohatra, ny finoana mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ao Aminy dia mampatanjaka antsika amin’ny tanjaka ara-panahy. Ny finoana ny Mpanavotra dia fitsipika iray mitaky asa sy hery. Rehefa manao zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika ao amin’ny filazantsarany isika dia mahazo ny fahaizana ara-panahy ahafahana mibosesika mandroso manavatsava ireo olana eo amin’ny fiainana an-tany ka mifantoka amin’ireo fifaliana izay atalotry ny Mpamonjy antsika. Marina tokoa, “tsy hatahotra [isika] raha manao ny marina, fa ny Tompo eo akaiky sy manarina.”7

Fifandraisana manokana amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana

Ny fidirana amin’ny fanekempihavanana masina sy ny fandraisana amim-pahamendrehana ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia mahatonga antsika ho iray zioga sy hifamatotra amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Ray any An-danitra.8 Midika tsotra izao izany fa mahatoky ny Mpamonjy isika ho Mpisolovava9 sy Mpanalalana 10 antsika ary miantehitra amin’ny fahamendrehany sy ny famindram-pony ary ny fahasoavany11 mandritra ny dia eo amin’ny fiainana. Rehefa tsy miovaova isika amin’ny fanatonana an’i Kristy ary miara-miasa Aminy, dia mandray ireo fitahiana manadio sy manasitrana ary mampatanjaka avy amin’ny Sorompanavotany tsy misy fetra sy mandrakizay.12

Ny fiainana ireo fanolorantena amin’ny fanekempihavanana sy ny fitiavana azy ireo dia miteraka fifandraisana amin’ny Tompo izay tena an’ny tena manokana ary feno hery ara-panahy. Rehefa hajaintsika ireo fepetran’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina, dia voatarika tsikelikely hanakaiky Azy isika13 ary miaina ny fiantraikan’ny maha-Andriamanitra Azy sy ny fisiany marina eo amin’ny fiainantsika. Avy eo i Jesoa dia lasa mihoatra lavitra noho ilay mpilalao fototra ao amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina; ny ohatra asehony sy ireo fampianarany dia miantraika amin’ny faniriantsika sy ny eritreritsika ary ny fihetsitsika rehetra.

Raha ny marina dia tsy manana fahaizana aho hanoritsoritana araka ny tokony ho izy hoe inona marina ilay fifandraisana araka ny fanekempihavanana eo amintsika sy ilay Zanak’ Andriamanitra nitsangana tamin’ny maty sy velona, sy ny herin’io fifandraisana io. Saingy mijoro ho vavolombelona aho fa ny fifandraisantsika Aminy sy amin’ny Ray any An-danitra dia tena misy ary loharano faratampon’ny fahatokiana sy fiadanana, sy fifaliana ary hery ara-panahy izay ahafahantsika “[tsy h]atahotra [na mandrabiraby aza ny] fahavalo.”14 Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy manao fanekempihavanana sy mpitandrina fanekempihavanana antsika dia afaka ny ho voatahy isika ho “[sahy fa ny] Tompo eo akaikin[tsika]”15 ary tsy hiraharaha ireo fitaoman-dratsy sy ny fandrabirabian’izao tontolo izao.

Rehefa mitsidika ireo mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany aho dia matetika mametraka amin’izy ireo ity fanontaniana ity: inona no manampy anareo “tsy hiraharaha” ny fitaoman’izao tontolo izao sy ny fandrabirabiana ary famingavingana ataony? Tena ahafantaran-javatra ny valin-tenin’izy ireo.

Ireo mpikambana matanjaka dia matetika manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fanasana ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina tena misy lanjany sy ny vavaka feno hafanam-po ary fiomanana sahaza mba handraisana anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Voalaza matetika koa ny fanohanana ara-panahy asehon’ireo olona mahatoky ao amin’ny fianakaviana sy ireo namana atokisana, ireo lesona manan-danja nianarana tamin’ny alalan’ny fanompoana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny, ary ny fahaizana mamantatra ny maha-zava-poana an’izay mety ho avy ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka.

Tsikaritro tao amin’ny valin-tenin’ireo mpikambana ireo ny lamina iray manokana izay tena manan-danja. Voalohany indrindra aloha, ireo mpianatra ireo dia manana fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana sy ny anjara toeran’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra sy Mpamonjintsika Azy. Ary faharoa, ny fahalalan’izy ireo sy ny faharesen’izy ireo lahatra ara-panahy dia an’ny tenan’izy ireo manokana ary voafaritra mazava, fa tsy ankapobeny fotsiny na tsy azo tsapain-tanana. Mihaino an’ireo olona feno fanolorantena ireo aho miresaka fanekempihavanana mitondra hery handresena ny fanoherana sy ny fifandraisan’izy ireo amin’ilay Tompo velona manohana azy ireo, na amin’ny fotoana milamina na amin’ny fotoan-tsarotra. Ho an’ireo olona ireo dia tena Mpamonjin’ny tena manokana tokoa i Jesoa Kristy.

Sary
Kompà

Ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsara dia toy ny kompà eo amin’ny fiainantsika. Ny kompà dia fitaovana iray ampiasaina hanondroana ny vazan-tany avaratra sy atsimo sy andrefana ary atsinanana hahitana ny lalan-kaleha sy ny toerana misy anao. Mitovy amin’izany koa, ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ataontsika dia mampitodika antsika amin’ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy Tompo sy manampy antsika hahatsiaro izany mandrakariva, eo am-pivoarantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Sary
Ny Christus

Ny tondro zotra ho antsika rehetra eto amin’ny fiainana an-tany dia ny manatona an’i Kristy sy ny ho tonga tanteraka ao Aminy.16 Ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina dia manampy antsika hifantoka hatrany amin’ny Mpamonjy ary hiezaka, omban’ny fahasoavany,17 hitovy kokoa Aminy. Azo antoka tokoa fa hisy “hery tsy hita [maso] … [h]anampy ahy [sy anao] ho masina.”18

Mihazona mafy ilay anja-by

Ny fifandraisantsika araka ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy no fantsona ahafahantsika mandray ny fahaizana sy ny tanjaka ahafahana “tsy miraharaha.” Ary mihamafy io fifamatorana io rehefa mihazona mafy tsy tapaka an’ilay anja-by isika. Saingy araka ny nanontanian’ny rahalahin’i Nefia: “Inona no hevitr’ilay anja-by izay hitan’ny raintsika … ?

“Ary dia nolazain’ [i Nefia] azy ireo fa izany no tenin’ Andriamanitra; ary na zovy na zovy no hihaino ny tenin’ Andriamanitra sy te hihazona izany mafy, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy; ny fakam-panahy sy ny zana-tsipika mirehitry ny fahavalo dia tsy afaka hampanaiky azy koa ho amin’ny fahajambana ka hitarika azy any amin’ny famongorana.”19

Mariho fa ny fahafahana manohitra ireo fakam-panahy sy ny zana-tsipika mirehitry ny fahavalo dia ampanantenaina an’ireo olona izay “mihazona mafy” fa tsy hoe “mihazona” fotsiny ny tenin’ Andriamanitra.

Mahavariana fa nanoritsoritra an’i Jesoa Kristy ho ilay Teny i Jaona Apôstôly.20

“Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. …

“Izy no nahar[y] ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.”…

“Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.”21

Araka izany dia iray amin’ireo anaran’i Jesoa Kristy ny hoe “Ny Teny”.22

Ankoatra izay, ny Fanekem-pinoana fahavalo dia milaza hoe “Mino ny Baiboly ho tenin’ Andriamanitra isika araka ny maha-marina ny dikanteny; mino koa isika fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmona.”23

Araka izany, ireo fampianaran’ny Mpamonjy, araka izay voarakitra ao amin’ny soratra masina, dia “ny teny” ihany koa.

Mamelà ahy handroso hoe ny mihazona mafy ny tenin’ Andriamanitra dia midika hoe (1) mahatsiaro sy manome voninahitra ary manamafy orina ilay fifandraisantsika manokana amin’ny Mpamonjy sy ny Rainy amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary (2) mampiasa ombam-bavaka sy amin’ny fomba matotra sy tsy miovaova ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly ho loharano azo antoka hahazoana ny fahamarinana nambara. Rehefa mifamatotra amin’ny Tompo isika ka “mihazona mafy” Azy ary miova noho ny fiainana ny fotopampianarany,24 dia mampanantena aho fa ho voatahy isika, ary na tsirairay na isika miaraka dia “hitsangana eo amin’ny toerana masina … ary tsy hoesorina.”25 Raha mitoetra ao amin’i Kristy isika, dia hitoetra ao amintsika Izy sy hiaraka amintsika.26 Azo antoka fa “amin’ireo andro fitsapana dia hankahery ireo Olomasiny Izy ary hampiroborobo ny fahamarinana.”27

Fijoroana ho vavolombelona

Mandrosoa hatrany. Mihazòna mafy. Aza miraharaha.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fahatokiana amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny dia ahafahantsika mandroso hatrany eo amin’ny asan’ny Tompo, sy mihazona mafy Azy amin’ny maha-tenin’ Andriamanitra Azy, ary tsy miraharaha ireo zava-maninton’ny fahavalo. Eo amin’ny ady ho an’ny fahamarinana, enga anie isika tsirairay hihazona sabatra, dia “ny sabatra maherin’ny fahamarinana,”28 amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.